Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 TOKO FAHA-8

Tsy Nivadika Izy na dia Diso Fanantenana Aza

Tsy Nivadika Izy na dia Diso Fanantenana Aza

1. Nahoana no nalahelo sy nitomany be ny mponina tao Silo?

NITOMANY nidradradradra daholo ny zaza amam-behivavy tao Silo. Tao ny maty ray, vady, zanakalahy, na anadahy. Hitan’i Samoela fa ory izy rehetra. Fa nisy inona? Resin’ny Filistinina ny miaramila israelita ka 30 000 be izao no maty, nefa efa 4 000 no maty taloha kelin’io.—1 Sam. 4:1, 2, 10.

2, 3. Inona avy no nitranga, ka manaporofo fa niala tamin’ny Israely ny voninahitra?

2 Tsy vitan’izay fa nentin’i Hofinia sy Finehasa tany an’ady ny Vata misy ny fifanekena. Noheverin’ny olona fa ody mantsy izy io, ka hiaro sy hanampy azy handresy. Tokony hijanona tao amin’ny Masina Indrindra amin’ny tranolay anefa io Vata sarobidy io, satria io no namantarana hoe teo amin’ny Israely Andriamanitra. Nobaboin’ny Filistinina ilay Vata, ary novonoin-dry zareo izy roa lahy zanak’i Ely Mpisoronabe.—1 Sam. 4:3-11.

3 Efa taonjato maro ilay Vata no tao amin’ny tranolay, ka tena voninahitra ho an’ny tanànan’i Silo. Lasa babo anefa ilay izy. Vao nandre izany i Ely, izay efa 98 taona, dia nianjera avy teo ambony seza ka maty. Maty teo am-piterahana tamin’iny andro iny koa ny vadin’i Finehasa. Hoy izy rehefa ho faty: “Niala tamin’ny Israely ho any an-tsesitany ny voninahitra.” Tsy ho toy ny taloha intsony tokoa i Silo!—1 Sam. 4:12-22.

4. Inona avy no hodinihintsika ato amin’ity toko ity?

4 Diso fanantenana be i Samoela noho izany rehetra izany. Tsy narovan’i Jehovah sy tsy nankasitrahany intsony ny vahoakany. Inona àry no hataon’i Samoela? Mbola hanana finoana matanjaka ve izy ka hahavita hanampy azy ireo? Mety ho diso fanantenana koa isika na hisy olana hahazo antsika, ka ho voasedra ny finoantsika. Mahasoa antsika àry ny mandinika izay nataon’i Samoela.

 “Nampihatra izay mahitsy” izy

5, 6. Inona aloha no resahin’ny Baiboly manaraka, ary inona no nataon’i Samoela nandritra ilay 20 taona?

5 Ilay Vata masina aloha no resahin’ny Baiboly manaraka. Voalaza ao fa nijaly be ny Filistinina rehefa naka azy io, ka voatery namerina an’ilay izy. Efa 20 taona tatỳ aoriana vao nisy resaka momba an’i Samoela indray. (1 Sam. 7:2) Inona no nataony nandritra izay 20 taona izay?

Ahoana no nampaherezan’i Samoela ny Israelita rehefa nidonam-pahoriana izy ireo?

6 Milaza ny Baiboly fa talohan’izay, dia ‘nampita foana ny tenin’Andriamanitra tamin’ny Israely rehetra i Samoela.’ (1 Sam. 4:1) Rehefa tapitra indray ny 20 taona, dia efa lasa fanaony ny nitsidika tanàna telo ka nandamina izay disadisa sy olana nisy tany. Nitety an’ireo tanàna ireo foana izy isan-taona vao niverina tany Rama, tanàna niaviany. (1 Sam. 7:15-17) Azo antoka àry fa nanao an’izany andraikiny izany koa i Samoela, nandritra ilay 20 taona, sady tena be atao.

Azo antoka fa be atao tamin’ny fanompoana i Samoela, nandritra ilay 20 taona tsy niresahan’ny Baiboly momba azy

7, 8. a) Inona no notenenin’i Samoela mba hananarana mafy ny vahoaka? b) Inona no nataon’izy ireo avy eo?

7 Nisy vokany tamin’ny vahoaka ny zava-dratsy nataon’ny zanak’i Ely. Maro no lasa nanompo sampy. Efa nanampy azy ireo nandritra ny 20 taona i Samoela, nefa mbola nananatra mafy azy ireo ihany hoe: “Raha amin’ny fonareo manontolo no iverenanareo amin’i Jehovah, dia esory tsy ho eo aminareo ny andriamani-kafa sy ireo sarin’i Astarta. Atodiho amin’i Jehovah ny fonareo ka aza avela hiovaova, ary manompoa azy irery ihany, dia hanafaka anareo eo an-tanan’ny Filistinina izy.”—1 Sam. 7:3.

8 Tena nampijaly ny vahoakan’Andriamanitra ny Filistinina. Resin’izy ireo tanteraka ny Israelita, ka noheveriny hoe azony ampahorina araka izay tiany. Nanome toky anefa i Samoela fa hovonjen’i Jehovah ny vahoakany, raha manompo azy indray. Nanao an’izany ve izy ireo? Faly i Samoela satria nanary ny sampiny ry zareo ary “nanompo an’i Jehovah irery ihany.” Novorin’i Samoela tany Mizpa, tany avaratr’i Jerosalema ny vahoaka. Nifady hanina izy rehetra, ary tena nibebaka.Vakio  ny 1 Samoela 7:4-6.

Henon’ny Filistinina fa nivory ny vahoakan’i Jehovah, ka saika hotafihiny

9. Inona no nataon’ny Filistinina rehefa henony hoe nivory tao Mizpa ny Israelita, ary inona kosa no nataon’ny Israelita?

 9 Henon’ny Filistinina fa nivory tao Mizpa ny Israelita, ka nandefa miaramila izy ireo mba hanafika tany. Natahotra be ny vahoaka nahare an’izany, ka nasainy nivavaka i Samoela. Nivavaka àry izy sady nanao fanatitra. Efa teny an-dalana ny Filistinina tamin’izay. Namaly ny vavak’i Samoela i Jehovah, ka ‘nandefa kotroka mafy be hoenti-manohitra ny Filistinina.’—1 Sam. 7:7-10.

10, 11. a) Inona ny porofo fa tsy kotroka mahazatra ilay nalefan’i Jehovah? b) Inona ny vokatr’ilay ady?

10 Natahotra be ny Filistinina. Fa nahoana? Ry zareo ange tsy hoe ankizikely ka hiafina raha vao mahare kotroka e! Izy ireo aza miaramila matanjaka be sady efa zatra ady. Azo antoka anefa fa tsy mbola nandre kotroka hoatran’io mihitsy ry zareo! “Mafy be” loatra angamba ilay izy, na tsy nampoizina mihitsy satria manga be ny lanitra, na koa nanakoako avy teny amin’ny havoana manodidina. Asa aloha izay tena nitranga, fa nihorohoro ry zareo ka nisahotaka. Saika hamely izy ireo, kanjo ry zareo indray no voa. Nirohotra nanenjika azy ireo hatrany atsimoandrefan’i Jerosalema ny Israelita, ka nandresy.—1 Sam. 7:11.

11 Nanova zavatra be io ady io. Tsy nanafika intsony ny Filistinina nandritra ny fotoana sisa nitsaran’i Samoela. Ireo tanàna nalain’izy ireo koa tafaverina tsikelikely tamin’ny Israelita.—1 Sam. 7:13, 14.

12. Nahoana i Samoela no lazaina hoe “nampihatra izay mahitsy”? Ary inona avy ny toetra nanampy azy hahomby?

12 Nilaza ny apostoly Paoly, tatỳ aoriana, fa anisan’ireo mpitsara sy mpaminany “nampihatra izay mahitsy” i Samoela. (Heb. 11:32, 33) Inona no dikan’izany? Tena nanampy ny olona hanao izay tsara sy mahitsy teo imason’Andriamanitra izy. Nahomby izy satria nanam-paharetana ka niandry an’i Jehovah, ary nanao tsara ny asany foana na dia diso fanantenana aza. Nahay nankasitraka koa izy. Nanangana tsangambato, ohatra, izy taorian’ilay fandresena tany Mizpa, mba hahatsiarovana ny namonjen’i Jehovah ny vahoakany.—1 Sam. 7:12.

13. a) Inona ny toetran’i Samoela ilaintsika rehetra? b) Rahoviana ny olona iray no tokony hiezaka hanana toetra tsara, raha ny tantaran’i Samoela no jerena?

 13 Te ‘hampihatra izay mahitsy’ koa ve ianao? Tahafo àry i Samoela ka manàna faharetana, manetre tena, ary mahaiza mankasitraka. (Vakio ny 1 Petera 5:6.) Mila an’ireo toetra ireo isika rehetra. Soa ihany fa mbola kely i Samoela dia efa niezaka nanana an’ireo. Nanampy azy izany satria vao mainka izy diso fanantenana tatỳ aoriana.

“Ny zanakao tsy mba nanao toy izay nataonao”

14, 15. a) Nahoana i Samoela no diso fanantenana indray rehefa antitra? b) Nahoana i Samoela no tsy toa an’i Ely?

14 “Antitra” i Samoela rehefa ela ny ela. Nanan-janaka roa lahy efa lehibe izy, dia i Joela sy Abia. Nasainy nanampy azy hitsara izy ireo, saingy tsy mba nanao ny marina toa azy. Nanararaotra fahefana izy ireo, ka nanao fitsarana miangatra sy nandray kolikoly.—1 Sam. 8:1-3.

15 Nitaraina tamin’i Samoela ny anti-panahin’ny Israely hoe: “Ny zanakao tsy mba nanao toy izay nataonao.” (1 Sam. 8:4, 5) Asa raha fantatr’i Samoela izay nataon-janany, fa ny azo antoka  dia hoe nanao tsara ny andraikiny izy fa tsy toa an’i Ely. Tsy mba nanafay ny zanany mantsy i Ely, fa nanome voninahitra azy ireo mihoatra noho i Jehovah. Nosazin’i Jehovah àry izy. (1 Sam. 2:27-29) Tsy mba nataon’Andriamanitra an’izany kosa i Samoela.

Inona no nataon’i Samoela rehefa nandiso fanantenana azy ny zanany?

16. Inona no tsapan’ny ray aman-dreny manan-janaka maditra? Ary nahoana no mahasoa azy ireo ny mandinika izay nataon’i Samoela?

16 Rehefa fantatr’i Samoela izay nataon-janany, dia mety ho niady saina izy na menatra na diso fanantenana, na dia tsy lazain’ny Baiboly aza izany. Maro ny ray aman-dreny mahatsapa tsara izay nahazo azy. Betsaka mantsy izao ny ankizy mikomy sy tsy laitra fehezina. (Vakio ny 2 Timoty 3:1-5.) Tsara raha mandinika izay nataon’i Samoela ny ray aman-dreny manan-janaka maditra, satria hampahery azy ireo izany sady azony andraisana lesona. Niezaka tsy hivadika mihitsy i Samoela, na teo aza ny ditran-janany. Tadidio fa mety hisy vokany amin’ny zanakao ihany ny modely omenao rehefa tsy mandaitra intsony ny teny sy ny sazy. Miezaha foana koa hampifaly an’i Jehovah, ilay Rainao any an-danitra, toy ny nataon’i Samoela.

‘Manendre mpanjaka ho anay’

17. Inona no nangatahin’ny anti-panahin’ny Israely, ary ahoana no fahitan’i Samoela an’ilay izy?

17 Sady mpanararaotra no tia tena ny zanak’i Samoela, nefa tsy mba noeritreretin’izy ireo ny ho vokatr’ilay izy. Fa inona tokoa no vokany? Nangataka tamin’i Samoela ny anti-panahin’ny Israely hoe: “Manendre mpanjaka hitsara anay, sahala amin’ny firenena rehetra.” Inona no mety ho tsapan’i Samoela tamin’izay? Nieritreritra angamba izy hoe tsy mila azy intsony ny Israelita. Efa an-taonany maro anefa izy no mpitsara azy ireo. Tsy mpaminany toa an’i Samoela intsony izao no tian’izy ireo hitsara azy, fa mpanjaka toy ny an’ireo firenena nanodidina. “Ratsy teo imason’i Samoela” izany.—1 Sam. 8:5, 6.

18. Inona no notenenin’i Jehovah mba hampaherezana an’i Samoela sy hanaporofoana fa tena ratsy ny nataon’ny Israely?

18 Nivavaka i Samoela avy eo, ka nampahery azy i Jehovah hoe: “Henoy izay rehetra lazain’ny vahoaka aminao, satria tsy ianao no laviny, fa izaho no laviny tsy ho mpanjakany.” Tena nanao tsinontsinona an’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra tokoa ny Israely! Nasain’i Jehovah nampitandrina azy ireo i Samoela hoe hidi-kizo izy ireo, raha manana mpanjaka olombelona. Nampitain’i Samoela izany hafatra izany, nefa hoy ihany izy ireo: “Tsia, fa aleo ihany hisy mpanjaka hifehy anay.” Nifidy olona  iray ho mpanjaka àry i Jehovah, ka nasainy nohosoran’i Samoela. Dia nankatò i Samoela. Izy koa moa efa izay mihitsy!—1 Sam. 8:7-19.

19, 20. a) Nanao ahoana ny fihetsik’i Samoela rehefa nasain’i Jehovah nanosotra an’i Saoly ho mpanjaka izy? b) Mbola nanao tsara ny asa nanendrena azy ve i Samoela? Hazavao.

19 Tezitra ve anefa i Samoela, ka nankatò tsy sazoka fotsiny? Nanao an-dolompo ve izy satria diso fanantenana? Maro no mety hanao izany, fa tsy i Samoela mihitsy. Nanosotra an’i Saoly ho mpanjaka izy ka nanaiky hoe izy no nofidin’i Jehovah. Nanoroka an’i Saoly izy, mba hiarahabana azy sy hampisehoana hoe vonona hankatò azy. Hoy izy avy eo tamin’ny vahoaka: “Hitanareo ve ilay nofidin’i Jehovah, fa tsy misy tahaka azy amin’ny olona rehetra?”—1 Sam. 10:1, 24.

20 Ny toetra tsaran’i Saoly no nifantohan’i Samoela. Tsy nampaninona an’i Samoela koa, na dia tsy nankasitraka azy aza ilay vahoaka tsy mena-mivadika. Izy kosa tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy, ary izay no zava-dehibe taminy. (1 Sam. 12:1-4) Mbola nataony tsara ny asa nanendrena azy, ka nampirisihiny ny olona mba tsy hivadika sy hitandrina mba tsy hanao ratsy. Nanohina ny fon’izy ireo izany ka niangaviany i Samoela hivavaka ho azy. Hoy àry i Samoela: “Sanatria ahy ny hanota amin’i Jehovah ka hitsahatra tsy hivavaka ho anareo. Tsy maintsy mampianatra anareo ny lalana tsara sy mahitsy aho.”—1 Sam. 12:21-24.

Tadidio i Samoela, ka aza mialona mihitsy na manao an-dolompo

21. Inona no azonao atao raha lasan’olon-kafa ny tombontsoa nirinao?

21 Efa mba diso fanantenana ve ianao satria lasan’olon-kafa ny andraikitra na tombontsoam-panompoana nirinao? Tadidio i Samoela, ka aza mialona mihitsy na manao an-dolompo. (Vakio ny Ohabolana 14:30.) Mbola betsaka mantsy ny asa mahafinaritra sy mahafa-po azon’Andriamanitra omena antsika tsirairay.

‘Mandra-pahoviana ianao no halahelo an’i Saoly?’

22. Inona no nampiavaka an’i Saoly?

22 Tena marina ny tenin’i Samoela hoe niavaka i Saoly. Lava ranjanana izy sady be herim-po sy natsilo saina, nefa nanetry tena sy tsy tia sehoseho. (1 Sam. 10:22, 23, 27) Tsara homarihina koa anefa fa afaka nifidy izay hataony sy izay hitondrany ny  fiainany izy. (Deot. 30:19) Nampiasainy tsara ve izany safidy izany?

23. Lasa nanao ahoana i Saoly, ary inona avy no nataony?

23 Mampalahelo fa matetika no lasa tsy manetry tena ny olona rehefa mahazo fahefana. Toy izany mihitsy i Saoly. Lasa nanambony tena izy, ka nifidy ny tsy hankatò ny didin’i Jehovah nampitain’i Samoela. Tsy nahandry izy, indray mandeha, fa tonga dia nanolotra fanatitra, nefa i Samoela no tokony hanao an’ilay izy. Voatery nananatra azy mafy i Samoela ary nilaza fa hesorina amin’ny taranany ny fanjakana. Tsy fay anefa i Saoly, fa vao mainka nanao zavatra ratsy kokoa.—1 Sam. 13:8, 9, 13, 14.

24. a) Inona ny porofo fa tsy nankatò an’i Jehovah i Saoly? b) Inona no nataon’i Saoly rehefa nanarina, ary inona no fanapahan-kevitr’i Jehovah?

24 Nirahin’i Jehovah i Samoela hilaza tamin’i Saoly mba handringana ny Amalekita. Nasainy novonoina koa i Agaga, mpanjakan’izy ireo, sy ny biby rehetra tao an-tanàna. Tsy novonoin’i Saoly anefa izy sy izay biby tsara. Notenenin’i Samoela àry i Saoly. Hita mihitsy anefa hoe niova izy. Tsy nanetry tena intsony mantsy izy sady tsy nanaiky hahitsy, fa nanamarin-tena sy nanodinkodin-dresaka. Nailiny tany amin’ny vahoaka indray ny fahadisoany. Te hanamaivana an’ilay izy i Saoly, ka nilaza fa hatao fanatitra ho an’i Jehovah ny biby sasany. Tamin’izay i Samoela no nilaza an’ilay teny fantatsika tsara hoe: “Ny mankatò no tsara kokoa noho ny sorona.” Sahy niteny mafy an’i Saoly izy, ary nilaza taminy ny fanapahan-kevitr’i Jehovah hoe: Hesorina aminy ny fanjakana ary homena ho an’olona mendrika kokoa. *1 Sam. 15:1-33.

25, 26. a) Nahoana i Samoela no nalahelo be an’i Saoly, ary ahoana no nananaran’i Jehovah azy? b) Inona no nampahatsiahivin’i Jehovah an’i Samoela rehefa tany amin’i Jese izy?

25 Nalahelo be i Samoela noho ny nataon’i Saoly, ka nitaraina mafy tamin’i Jehovah ny alina tontolo. Hoatran’ireny nisaona ireny mihitsy izy, taorian’izay. Mba nanantena izy hoe hahavita zavatra tsara be  dia be i Saoly satria tena tsara toetra, nefa dia izao no niafarany. Lasa ratsy toetra be sy nivadika tamin’i Jehovah i Saoly. Tsy nety nihaona taminy intsony i Samoela. Nahitsin’i Jehovah moramora izy tatỳ aoriana hoe: “Mandra-pahoviana ianao no halahelo noho ny amin’i Saoly, nefa izaho efa nanda azy tsy ho mpanjakan’ny Israely? Fenoy menaka ilay tandroka any aminao, ka mandehana. Hirahiko ho any amin’i Jese Betlehemita ianao, fa efa nahita mpanjaka ho ahy aho, eo amin’ireo zanany lahy.”—1 Sam. 15:34, 35; 16:1.

26 Rehefa manapa-kevitra i Jehovah hoe hanao zavatra iray, dia tsy maintsy tanterahiny iny, na iza na iza mivadika aminy. Mitady olon-kafa indray izy hanao ny sitrapony. Tsy nalahelo an’i Saoly intsony àry i Samoela. Nasain’i Jehovah nankany amin’i Jese tany Betlehema izy, ka nahita ny zanakalahin’i Jese sasany. Sady bikàna izy ireo no tsara tarehy. Vao nijery ny lahimatoa anefa izy, dia efa nampahatsiahivin’i Jehovah hoe aza sodokan’ny bika aman’endriny. (Vakio ny 1 Samoela 16:7.) Ny faralahy no hitan’i Samoela farany, ary teo i Jehovah vao nilaza hoe io no nofidiny. Tsy iza izany fa i Davida.

Nianaran’i Samoela fa na diso fanantenana be aza ny olona iray, dia hain’i Jehovah sitranina foana izany. Hainy mihitsy aza ny mamadika izany ho fitahiana

27. a) Nahoana no nihanatanjaka ny finoan’i Samoela? b) Inona no tsapanao rehefa avy nandinika ny tantaran’i Samoela?

27 Rehefa tena antitra i Samoela, dia vao mainka hitany fa nety ny nanoloan’i Jehovah an’i Saoly tamin’i Davida. Lasa be fialonana i Saoly ka nitady hamono an’i Davida. Nivadi-pinoana koa izy. I Davida kosa tsara toetra. Be herim-po izy, tsy nivadika, ary nanam-pinoana. Vao mainka nihanatanjaka ny finoan’i Samoela rehefa nadiva ho faty izy. Hitany mantsy fa na diso fanantenana toy inona aza ny olona iray, dia hain’i Jehovah sitranina foana izany. Hainy mihitsy aza ny mamadika izany ho fitahiana. Efa ho zato taona i Samoela vao maty. Niavaka ny fiainan’io lehilahy tsy nivadika io, ka tsy mahagaga raha nitomany azy ny Israelita rehetra. Tsara àry raha mandini-tena isika tsirairay hoe: ‘Miezaka hanana finoana matanjaka toa an’i Samoela ve aho?’

^ feh. 24 I Samoela mihitsy no namono an’i Agaga. Tena tsy mendrika ny hamindrana fo io mpanjaka ratsy fanahy io sy ny taranany. Mbola nitady handripaka ny vahoakan’Andriamanitra mantsy ny taranak’i Agaga, taonjato maro tatỳ aoriana. Anisan’izy ireo i “Hamana Agagita.”—Est. 8:3; jereo ny Toko 15 sy 16.