Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 TOKO FAHA-20

“Mino Aho”

“Mino Aho”

1. Inona no tsapan’i Marta, ary nahoana?

TSY afaka tao an-tsain’i Marta ilay lava-bato nandevenana an’i Lazarosy anadahiny. Vato mavesatra be no natao varavaran’izy io. Navesatra be hoatr’izany koa ny alahelony ka nila tsy ho zakany. Tsy neken’ny sainy mihitsy hoe tsy teo intsony i Lazarosy. Efatra andro izay no nahafatesany, ary mbola feno be ny fon’i Marta. Nisaona an’ilay anadahiny mantsy izy nandritra izay fotoana izay, sady nifanesisesy koa ny mpamangy.

2, 3. a) Tantarao izay nitranga raha vao nahita an’i Jesosy i Marta. b) Olona nanao ahoana i Marta rehefa jerena ilay teny nolazainy?

2 Izay koa vao tonga i Jesosy, ilay namana tena tian’i Lazarosy. Vao mainka nitomany be i Marta rehefa nahita azy, satria izy no mba nantenainy hanavotra ny anadahiny. Nampahery an’i Marta anefa i Jesosy. Teo ivelan’ny tanàna kelin’i Betania ry zareo no nihaona. Vetivety ihany izy ireo no niresaka, nefa tonga dia nahatsiaro ho maivamaivana i Marta. Nahay nangoraka mantsy i Jesosy sady tsara fanahy, ary izay rahateo no mampiavaka azy. Nampisaintsaina an’i Marta i Jesosy mba hanatanjahana ny finoany. Rehefa niresaka teo izy ireo, dia lasa tena natoky izy hoe hanangana ny maty i Jesosy, ka hoy izy: “Mino aho fa ianao no Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra, ilay ho tonga eo amin’izao tontolo izao.” (Jaona 11:27) Miavaka tokoa izany tenin’i Marta izany.

3 Tena nanam-pinoana izy. Kely ihany no resahin’ny Baiboly momba azy, nefa andraisantsika lesona sady manatanjaka ny finoantsika. Aleo àry hojerentsika ny tantaran’i Marta.

“Maro ahina sy sahiran-tsaina”

4. Nahoana no fianakaviana hafakely ry Marta, ary nanao ahoana ny fifandraisan’izy ireo tamin’i Jesosy?

4 Andeha isika hiverina volana maromaro talohan’io. Mbola velona sy salama tsara i Lazarosy tamin’izay, ary niara-nipetraka tamin’i Marta sy Maria anabaviny, tany Betania. Mahavariana fa  samy efa lehibe izy telo nefa mbola niray trano. Milaza ny mpikaroka fa i Marta no zokiny indrindra, satria hoatran’ny izy foana no mpandray vahiny sady matetika no tononina voalohany. (Jaona 11:5) Asa aloha izy telo raha efa nisy nanambady na tsia. Tantarain’ny Baiboly fotsiny hoe mpinamana be tamin’i Jesosy izy ireo. Tao amin-dry zareo foana i Jesosy no nivantana rehefa nanompo tany Jodia. Nankahala sy nanohitra azy ny olona tany, ka tena nahafaly azy ny nankao amin-dry Marta satria tao izy mba nilamina tsara sady nisy nampahery. Miomankomana àry izao izy telo satria ho avy i Jesosy Kristy, ilay vahiny manan-kaja indrindra.

5, 6. a) Nahoana i Marta no nanao raharaha be mihitsy rehefa ho avy i Jesosy? b) Inona no nataon’i Maria raha vao tonga i Jesosy?

5 Nokarakarain’i Marta tsara ny tranon-dry zareo mba hahatamana sy hampahazo aina ny vahiny. Olona nazoto nanao raharaha izy, ka hoatran’ny nikenonkenona foana. Koa mainka moa fa i Jesosy no ho avy! Nanomana sakafo matsiro isan-karazany izy ho an’io vahiny miavaka io sy izay niaraka taminy. Tena noraisina tsara ny vahiny tamin’izany. Vao tonga izy, dia manoroka azy ilay tompon-trano. Esorina koa ny kapany, sasana ny tongony, ary hosorana menaka manitra ny lohany. (Vakio ny Lioka 7:44-47.) Ny toerana hatoriany sy ny sakafony moa, dia aoka fotsiny!

6 Sahirana erỳ i Marta sy Maria. Marina aloha fa fianarana no tena nahaliana an’i Maria, nefa nanampy an’i Marta izy. Tsy nanao raharaha intsony anefa izy rehefa tonga i Jesosy. Nanararaotra nampianatra mantsy i Jesosy tamin’izay. Tsy mba toy ny mpitondra fivavahana tamin’izany izy, fa nanaja ny vehivavy. Nampianariny momba ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo, sady izay rahateo no tena notoriny. Faly erỳ àry i Maria, ka nipetraka teo akaikin’ny tongony, ary nihaino tsara azy.

7, 8. Nahoana i Marta no sorena, ary inona no nataony nony farany?

7 Eritrereto anefa izay tsapan’i Marta. Niferinaina izy satria be dia be ny raharaha sy ny sakafo mbola tsy maintsy natao. Sorena be àry izy rehefa nahita an’i Maria nipetra-potsiny, nefa izy sahirana nivezivezy nanao raharaha. Angamba izy lasa boramena na nisento be na niketrona. Aiza kosa moa izy no tsy ho tezitra! Tsy ho vitany irery mihitsy ireo raharaha ireo.

8 Tsy tantin’i Marta intsony ilay izy, ka notapahiny ny tenin’i Jesosy. Hoy izy: “Tompo ô, tsy mampaninona anao ve ny hamelan’ny rahavaviko ahy hanao raharaha irery toy izao? Koa mba asaivo manampy ahy izy.” (Lioka 10:40) Nasiaka i Marta tamin’io. Maro mihitsy aza ny mpandika Baiboly nandika an’io tenin’i  Marta io hoe: “Tompo ô, dia tsy raharahainao ve...?” Tsy vitan’izay fa nasainy notenenin’i Jesosy i Maria mba hiverina hanao raharaha.

9, 10. a) Ahoana no namalian’i Jesosy an’i Marta? b) Ahoana no ahitantsika fa tsy hoe tsy te hahalala ny asa mafy nataon’i Marta i Jesosy?

9 Tsy nampoizin’i Marta angamba ny valin-tenin’i Jesosy, ary tsy i Marta ihany fa izay olona sasany efa namaky an’io tantara io koa. Noteneniny moramora i Marta hoe: “Marta a! Marta a! Maro ahina sy sahiran-tsaina amin-javatra maro ianao. Zavatra vitsivitsy ihany anefa no ilaina, eny, iray monja aza. Fa i Maria kosa nifidy ny tsara kokoa, ka tsy halaina aminy izany.” (Lioka 10:41, 42) Te hilaza ve i Jesosy hoe tsy mba miraharaha zavatra ara-panahy mihitsy izy? Tsy te hahalala ny asa mafy nataony ve i Jesosy, nefa izy aza mba efa niezaka erỳ nanao sakafo tsara?

“Maro ahina sy sahiran-tsaina” i Marta, nefa nanetry tena ka nanaiky hahitsy

10 Tsy izany mihitsy. Hitan’i Jesosy fa tena tia ny vahininy i Marta sady mba te handray tsara azy ireo matoa nikarakara be. Tsy nieritreritra koa i Jesosy hoe ratsy ny manao sakafo be ho an’ny vahiny. Izy aza tena faly rehefa nanao “fanasambe” ho azy i Matio, taloha kelin’io. (Lioka 5:29) Tsy ilay Marta nanao sakafo be àry no olana, fa ilay izy variana loatra tamin’izany ka nanadino izay tena zava-dehibe. Inona izany?

Fantatr’i Jesosy fa tena tia ny vahininy i Marta, sady mba te handray tsara azy ireo matoa nikarakara be

11, 12. Ahoana no nanitsian’i Jesosy an’i Marta?

11 Ilay Zanaka lahitokan’i Jehovah no nampianatra azy ireo ny fahamarinana tamin’io fotoana io, ary izay no tena nahatongavany tao. Tsy misy zava-dehibe noho izany, eny fa na dia ny sakafo sy ny zavatra maro be nokarakarain’i Marta aza. Azo antoka fa nalahelo i Jesosy satria tsy nanararaotra nihaino azy i Marta mba hanatanjahana ny finoany. Tsy nanery azy anefa i Jesosy. * Na izany aza, dia noteneniny i Marta hoe tsy manan-jo hanery an’i Maria tsy hihaino azy.

12 Nalemy fanahy i Jesosy rehefa nanitsy azy. Nantsoiny moramora indroa ny anarany mba hampitony azy. Nomeny toky izy fa tsy tokony ‘hanahy sy ho sahiran-tsaina amin-javatra maro.’ Sakafo tsotsotra iray na roa monja dia ampy. Efa hianatra zavatra betsaka avy amin’i Jesosy mantsy  ry zareo. Izany no zavatra “tsara kokoa”, ka tsy i Jesosy mihitsy no handrara an’i Maria tsy hihaino an’ilay izy raha izay no safidiny.

13. Inona no azonao ianarana avy amin’ilay tenin’i Jesosy tamin’i Marta?

13 Inona ny lesona raisinao avy amin’io zava-nitranga io? Ny sakafo ara-panahy no ataovy zava-dehibe indrindra aminao. (Mat. 5:3) Aza avela hisy zavatra hafa hanakantsakana anao tsy handray izany. Marina, ohatra, fa mila malala-tanana sy mazoto miasa hoatran’i Marta ianao. Tsy tsara anefa ny hoe “maro ahina sy sahiran-tsaina” amin-javatra tsy dia manao ahoana rehefa mandray vahiny, ka lasa manadino ny tena zava-dehibe. Tsy ny hihinana na handroso sakafo matsiro be mantsy  no tena antony hiarahantsika amin’ny mpiara-manompo, fa ny hifampahery sy hampita fanomezana ara-panahy. (Vakio ny Romanina 1:11, 12.) Na sakafo faran’izay tsotra aza dia efa mety.

Maty nefa velona indray

14. Nahoana isika no milaza fa nanaiky torohevitra i Marta?

14 Nanaiky sy nampihatra ny torohevitr’i Jesosy ve i Marta? Izany tokoa. Mbola nitsidika azy ireo indray mantsy i Jesosy volana maromaro tatỳ aoriana, ary milaza ny Baiboly fa “tia an’i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy” izy. (Jaona 11:5) Hita àry fa tsy tezitra na nitana lolompo tamin’i Jesosy i Marta, matoa ry zareo mbola nifandray tsara. Nampihariny ilay torohevitra nomen’i Jesosy tamim-pitiavana. Azontsika tahafina izany toetran’i Marta izany, satria iza amintsika moa no tsy mba mila fanitsiana indraindray?

15, 16. a) Inona no nataon’i Marta rehefa narary i Lazarosy? b) Nahoana izy sy Maria no diso fanantenana?

15 Narary i Lazarosy tatỳ aoriana, ka sahirana be i Marta. Nanao izay vitany izy mba hampitonena ny fanaintainany sy hahasalama azy. Tsy nety sitrana anefa i Lazarosy. Nikarakara azy andro aman’alina izy roa vavy. Alao sary an-tsaina i Marta nipitrapitra erỳ nijery ny anadahiny efa lali-maso sy reraka be. Tsaroany indray ireo taona maro nizaran’izy ireo ny mamy sy ny mangidy!

16 Lany haika i Marta sy Maria ka naniraka olona ho any amin’i Jesosy. Mbola nitory tany amin’ny tanàna lavidavitra anefa i Jesosy, ka roa andro teo ho eo ilay iraka vao tonga tany. Izao ilay hafatra: “Tompo ô, marary ilay tsy foinao.” (Jaona 11:1, 3) Fantatr’izy ireo fa tia an’i Lazarosy i Jesosy, ka hanao izay hanasitranana azy. Nanantena angamba izy ireo fa ho tonga haingana i Jesosy. Diso fanantenana anefa ry zareo satria maty ihany i Lazarosy.

17. Inona no nahagaga an’i Marta, ary inona no nataony raha vao henony hoe efa akaiky i Jesosy?

17 Nisaona ny anadahiny i Marta sy Maria, sady nanomana ny fandevenana. Nandray mpamangy maro avy tao Betania sy ny manodidina koa izy ireo. Mbola tsy tonga ihany anefa i Jesosy, ka gaga i Marta. Efatra andro tatỳ aoriana vao nisy niteny taminy hoe any an-dalana any i Jesosy, ary efa akaiky. Tsy niteny tamin’i Maria i Marta, fa tonga dia nankany. Izy koa moa tsy mba olona mipetrapetraka izay. Lasa nihazakazaka nitsena an’i Jesosy izy, na dia nalahelo be aza.—Vakio ny Jaona 11:18-20.

18, 19. Inona no ninoan’i Marta, ary nahoana izy no niavaka tamin’ny olon-kafa?

18 Vao nahita an’i Jesosy i Marta, dia niteny hoe: “Tompo ô, raha teto ianao dia tsy maty ny anadahiko.” Efa izay foana mantsy  no tao an-tsain’izy sy Maria. Mbola nino sy nanantena ihany anefa i Marta. Hoy izy: “Ary na dia izao ankehitriny izao aza, dia fantatro fa homen’Andriamanitra anao izay rehetra angatahinao.” Nanome toky azy àry i Jesosy hoe: “Hitsangana ny anadahinao.”—Jaona 11:21-23.

19 Noheverin’i Marta fa ilay fitsanganana amin’ny hoavy no nolazain’i Jesosy, ka hoy izy: “Fantatro fa hitsangana izy amin’ny fananganana ny maty amin’ny andro farany.” (Jaona 11:24) Tena niavaka i Marta fa tsy hoatran’ny olon-kafa. Nisy mpitondra fivavahana jiosy, atao hoe Sadoseo, ohatra, tsy nino hoe hitsangana ny maty, na dia manazava tsara an’izany aza ny Soratra Masina. (Dan. 12:13; Mar. 12:18) Fantatr’i Marta kosa fa nampianatra an’izany i Jesosy, sady efa nanangana ny maty mihitsy aza. Izy anefa aloha mbola tsy nanangana olona efa maty elaela hoatran’i Lazarosy e! Tsy azon’i Marta an-tsaina mihitsy àry izay hitranga.

20. Inona no dikan’ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 11:25, ary ahoana hoy i Marta eo amin’ny andininy 27?

 20 Nilaza zavatra tsy hay hadinoina mihitsy i Jesosy avy eo hoe: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana.” Efa nomen’i Jehovah fahefana tokoa ny Zanany mba hanangana ny maty rehetra. Nanontany i Jesosy hoe: “Mino izany ve ianao?” Namaly i Marta hoe eny. Nino koa izy fa i Jesosy no Kristy, na Mesia, ilay Zanak’Andriamanitra efa nolazain’ny mpaminany fa ho avy eo amin’izao tontolo izao.—Jaona 5:28, 29; vakio ny Jaona 11:25-27.

21, 22. a) Ahoana no ahalalantsika fa malahelo an’ireo olona nidonam-pahoriana i Jesosy? b) Tantarao ny nitsanganan’i Lazarosy tamin’ny maty.

21 Tena tian’i Jehovah sy ny Zanany ny olona manam-pinoana toa an’i Marta, ary ahitana an’izany ny zavatra nataon’i Jesosy taorian’izay. Rehefa avy niresaka taminy i Marta, dia lasa nihazakazaka naka an’i Maria. Nony tonga tany amin’i Jesosy ry zareo, dia tsikaritr’i Marta fa nalahelo be i Jesosy rehefa niresaka tamin’i Maria sy ny olon-kafa niara-nisaona taminy. Hitany koa fa tsy nanafinafina ny alahelony i Jesosy, fa nirotsaka mihitsy ny ranomasony. Tena hontsa mantsy izy nahita hoe ory ny olona rehefa misy maty. Nankany am-pasana ry zareo avy eo, ka teo mihitsy i Marta rehefa niteny i Jesosy hoe esory ilay vato eo amin’ny fasana.—Jaona 11:28-39.

22 Mailo anefa i Marta ka niteny hoe tsy maintsy ho efa maimbo izao ilay faty, satria efa efatra andro izay. Nampahatsiahivin’i Jesosy anefa izy hoe: “Tsy efa nilazako moa ianao fa raha mino ianao, dia hahita ny voninahitr’Andriamanitra?” Nino izy ka hitany tokoa ny voninahitr’i Jehovah. Ahoana izany? Nomen’i Jehovah hery avy hatrany i Jesosy, ka nanangana an’i Lazarosy. Alao sary an-tsaina ange e! Hoy i Jesosy: “Ry Lazarosy, mivoaha!” Injay fa nisy nikofokofoka tao am-pasana. Niarina i Lazarosy ary nanatona tsimoramora an’ilay varavaram-pasana. Mbola nisy fehim-paty izy, ka nasain’i Jesosy ‘novahana, ary navela handeha.’ Faly be i Marta sy Maria ka niantsampy teny an-tsandrin’ny anadahiny ary namihina azy. (Vakio ny Jaona 11:40-44.) Nisinda toy ny tsy teo ny alahelon’i Marta! Azo antoka fa tadidiny mandra-pahafatiny izany rehetra izany.

Nino an’i Jesosy i Marta ka nahazo valisoa, satria natsangana ny anadahiny

23. Tokony hiezaka hanao inona ianao, ary inona no hataon’i Jehovah sy Jesosy raha manao izany ianao?

23 Hita avy amin’izany fa tsy nofinofy fotsiny ilay hoe hitsangana ny maty. Fampianarana mampahery avy ao amin’ny Baiboly izany, ary voaporofo fa efa nisy. (Joba 14:14, 15) Tia mamaly  soa an’izay manam-pinoana i Jehovah sy ny Zanany, toy ny nataony tamin’i Marta sy Maria ary Lazarosy. Homeny valisoa koa ianao raha miezaka hanana finoana matanjaka.

“I Marta no nandroso sakafo”

24. Inona no lazain’ny Baiboly farany momba an’i Marta?

24 Indray mandeha sisa ny Baiboly no miresaka an’i Marta. Herinandro talohan’ny nahafatesan’i Jesosy tamin’izay. Fantatr’i Jesosy tsara ny zava-tsarotra niandry azy, ka tany amin-dry Marta tany Betania indray izy no nivantana, fa nivezivezy nankany Jerosalema. Telo kilaometatra no elanelan’i Jerosalema sy Betania. Nisakafo tao an-tranon’i Simona boka tany Betania izy sy Lazarosy, indray hariva, ary “i Marta no nandroso sakafo” tamin’izay.—Jaona 12:2.

25. Nahoana no tena sambatra isika manana anabavy maro toa an’i Marta?

25 Tia niasa tokoa i Marta, ary izay mihitsy no nampiavaka azy! Miasa no ahitana azy voalohany ao amin’ny Baiboly, ary mbola miasa koa no ahitana azy farany. Nanao izay vitany foana izy mba hikarakarana ny hafa. Misy vehivavy maro toa azy koa eo anivon’ny fiangonana ankehitriny. Sambatra isika manana azy ireny. Hita mihitsy hoe manam-pinoana izy ireo satria mahafoy tena sy malala-tanana, ka mazoto miasa ho an’i Jehovah sy ny hafa. Azo inoana fa tsy niova mihitsy i Marta. Nanampy azy izany satria mbola hiatrika olana tena mafy izy.

26. Nahoana i Marta no tena nila nanam-pinoana hatramin’ny farany?

26 Andro vitsivitsy tatỳ aoriana mantsy, dia maty i Jesosy, ilay Tompo tena tiany. Tsy vitan’izay fa nitady hamono an’i Lazarosy koa ireo mpihatsaravelatsihy namono an’i Jesosy. Be dia be mantsy ny olona vao mainka nino an’i Jesosy rehefa nahita an’i Lazarosy velona indray. (Vakio ny Jaona 12:9-11.) Tsy afaka niaraka intsony koa anefa izy telo mianadahy tatỳ aoriana, satria tsy maintsy maty ihany. Tsy fantatsika hoe ahoana na oviana no nitrangan’izany, fa ny azo antoka dia hoe: Nanampy an’i Marta hiaritra hatramin’ny farany ny finoany. Mila miezaka hanam-pinoana toa azy àry isika rehetra!

^ feh. 11 Tsy nampianarina be hoatran’ny lehilahy ny ankamaroan’ny vehivavy jiosy tamin’izany. Natao fotsiny izay hahaizany tsara ny raharaha ao an-trano. Mety ho izay no nahatonga an’i Marta ho gaga tamin’i Maria. Tsy fahita mantsy izany hoe vehivavy liana amin’ny fampianaran’ny manam-pahaizana izany.