Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TAHAFO NY FINOAN’IZY IREO | SARAHA

Ilay Nantsoin’Andriamanitra hoe “Andriambavy”

Ilay Nantsoin’Andriamanitra hoe “Andriambavy”

NIATO tamin’ny asany i Saraha, ary nitazana ny faravodilanitra. Vehivavy tia miasa izy. Efa natorony ny mpanompony izay asa mila atao, ka faly sy somokotra erỳ izy ireo namita izany. Izy indray variana nanjaitra ka efa narary mihitsy ny tanany. Alao sary an-tsaina izy manapotsipotsitra azy io mba hampitony fanaintainana. Nanampina ny rovitra tamin’ilay tranolay nipetrahan-dry zareo angamba izy. Volonondry matevina ilay izy nefa lasa nanify sy vasoka, satria nodanihin’ny masoandro sy kotsan’ny orana nandritra ny taona maro. Efa ela tokoa izy ireo no nifindrafindra monina! Efa hody izao ny masoandro. Mitazana ny faravodilanitra mivolombolamena i Saraha. Nijery ny nandehanan’i Abrahama * izy ny maraina, fa izao kosa izy mitsinjo ny lalana hiverenany. Miramirana izy raha vao nahatazana azy teny amin’ny havoana teo akaiky teo.

Efa folo taona lasa izay i Abrahama no nitondra ny fianakaviambeny hiampita ny Reniranon’i Eofrata sy hidina ho any Kanana. Tsy fantatr’izy ireo ny toerana halehany, nefa nanohana ny vadiny foana i Saraha. Fantany mantsy ilay fikasan’i Jehovah hoe hisy taranaka sy firenena hipoitra avy amin’i Abrahama. Andraikitra be izany! Inona kosa ny andraikitr’i Saraha? Efa 75 taona mantsy izy, nefa mbola tsy niteraka foana. Mety ho lasa saina izy hoe: ‘Ho tanteraka ihany ve ny tenin’i Jehovah raha mbola izaho no vadin’i Abrahama?’ Rariny àry raha nanahy izy na tsy nanam-paharetana mihitsy aza.

Mety hanontany tena koa isika hoe rahoviana no ho tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra. Tsy mora ny miandry, indrindra raha zavatra efa tsy andrintsika no antenaintsika. Inona àry no ianarantsika avy amin’ny finoan’i Saraha?

‘TSY NAVELAN’I JEHOVAH AHO’

Vao avy niala tany Ejipta ry Abrahama. (Genesisy 13:1-4) Nijanona tao amin’ny faritra be tendrombohitra ry zareo, tao atsinanan’i Betela, izay nantsoin’ny Kananita hoe Lozy. Nahatazana tsara an’ilay Tany Nampanantenaina i Saraha teo amin’io lembalemba io. Nisy tanànan’ny Kananita tao ary nisy lalana mankany an-tany lavitra. Mbola hafa mihitsy anefa ilay tanàna nahabe an’i Saraha sy nisy ny ankamaroan’ny havany. Tsy iza izany fa i Ora, tanàna tany Mezopotamia, izay 1900 kilaometatra miala eo. Mora ny nahazo izay nilaina tany amin’io tanàna nandroso io, satria nisy tsena tany. Ankoatra izay, dia nisy rindrina sy tafo mafy tsara ny tranony, sady nety ho nisy rano. Tsy mahalala an’io vehivavy tia an’Andriamanitra io anefa isika, raha mieritreritra hoe manimanina an’ilay tanàna nahabe azy izy rehefa nitazana niantsinanana.

Niresaka momba ny finoan’i Saraha sy Abrahama ny apostoly Paoly, 2 000 taona teo ho eo tatỳ aoriana. Hoy izy: ‘Raha nieritreritra foana ny toerana nilaozany izy ireo, dia ho nahita fomba niverenana.’ (Hebreo 11:8, 11, 15) Tsy nanembona ny lasa izy mivady. Mety ho niverina nody mantsy izy ireo raha ny fiainana nampiadana nananany no masaka tao an-tsainy. Tsy ho nahazo an’ilay tombontsoa lehibe nomen’i Jehovah anefa izy ireo raha niverina tany Ora. Azo antoka koa hoe tsy hisy hahatadidy intsony izy ireo, ary tsy hisy olona an-tapitrisany hanahaka ny finoana miavaka nananany.

Naleon’i Saraha nibanjina ny hoavy. Nanohana ny vadiny foana àry izy nandritra an’ilay dia. Nanampy azy nangorona sy nanangana tranolay izy, ary nifindra niaraka tamin’ny andiam-biby. Niatrika zava-tsarotra sy fiovana maro koa izy. Nohavaozin’i Jehovah ny fifanekena nataony tamin’i Abrahama, nefa mbola tsy nisy resaka ny amin’i Saraha!—Genesisy 13:14-17; 15:5-7.

Nahita hevitra i Saraha ka tapa-kevitra ny hiresaka tamin’i Abrahama ihany, tamin’ny farany. Mety ho hita tamin’ny endriny hoe nisy fihetseham-po nifamahofaho tao anatiny rehefa nilaza izy hoe: “Azafady ange ianao e! Tsy navelan’i Jehovah hanan-janaka aho.” Niangavy ny vadiny izy avy eo mba hiteraka amin’i Hagara, mpanompovaviny. Mety ho nalahelo be izy rehefa niresaka an’izany. Hafahafa amintsika angamba ilay fangatahan’i Saraha. Tsy nampaninona anefa tamin’izany ny naka vadikely mba hananana mpandova. * Nihevitra ve i Saraha fa izany no hahatanteraka an’ilay fikasan’Andriamanitra hoe hisy firenena hipoitra avy amin’i Abrahama? Asa aloha fa vonona ny hanao sorona lehibe izy. Inona no nataon’i Abrahama? Milaza ny Baiboly fa “nihaino an’i [Saraha]” izy.—Genesisy 16:1-3.

I Jehovah ve no nahatonga an’i Saraha hanao an’ilay fangatahana? Tsia. Hita hoe eritreriny manokana ilay izy. Nihevitra mantsy i Saraha hoe Andriamanitra no nahatonga an’ilay olana, ka tsy hanome vahaolana hafa Izy. Niteraka zava-manahirana sy fahoriana ho an’i Saraha anefa ilay hevitra hitany. Na izany aza, dia tsy tia tena izy. Tsy hitanao ve hoe tena miavaka io toetrany io? Matetika mantsy izay hahasoa ny tenany aloha no tadiavin’ny olona. Manahaka ny finoany àry isika raha ny sitrapon’Andriamanitra aloha no ataontsika vao ny antsika.

“TENA NIHOMEHY MIHITSY IANAO!”

Tsy ela dia bevohoka tamin’i Abrahama i Hagara. Lasa nihevi-tena ho ambony noho i Saraha angamba izy, ka nanao tsinontsinona azy. Tena diso fanantenana i Saraha. Navelan’i Abrahama hanafay an’i Hagara àry izy, ary tsy nisakana an’izany Andriamanitra. Tsy haintsika fotsiny hoe ahoana no nanafaizany azy. Niteraka zazalahy atao hoe Ismaela i Hagara ary nandeha teny ny fotoana. (Genesisy 16:4-9, 16) Efa 89 taona i Saraha ary 99 taona i Abrahama, vao nahazo hafatra tamin’i Jehovah indray izy ireo. Tena tsy mampino ny zavatra nolazaina taminy!

Nampanantena an’i Abrahama namany indray i Jehovah hoe hataony maro be ny taranany. Tamin’io koa izy no nomeny an’ilay anarana hoe Abrahama, izay midika hoe “Rain’ny Maro.” Abrama mantsy ny anarany taloha. Sambany koa i Jehovah no niresaka momba an’i Saraha. Novany hoe Saraha ilay anarana hoe Saray, izay mety hidika hoe “Tia Ady.” Inona no dikan’ilay hoe Saraha? “Andriambavy!” Nohazavain’i Jehovah ny antony nifidianany an’io anarana io. Hoy izy: “Hitahy azy aho, ka hanome anao zazalahy avy aminy. Eny, hitahy azy aho ka hisy firenena maro sy mpanjakan’ny firenena maro hipoitra avy aminy.”—Genesisy 17:5, 15, 16.

Ho tanteraka amin’ny alalan’ny zanakalahin’i Saraha ilay fifanekena nataon’i Jehovah tamin’i Abrahama hoe hisy taranaka hitahy ny firenena rehetra. Nataon’Andriamanitra hoe Isaka ny anaran’ilay zaza. Midika hoe “Fihomehezana” izy io. Rehefa fantatr’i Abrahama ny fikasan’i Jehovah hoe hataony manana anaka i Saraha, dia “niankohoka” izy “ka nihomehy.” (Genesisy 17:17) Sady gaga izy no faly be. (Romanina 4:19, 20) Nanao ahoana kosa i Saraha?

Nisy lehilahy telo tsy fanta-piaviana tonga tao amin-dry Abrahama, tsy ela taorian’izay. Nahamay be ny andro tamin’io, nefa nikoropaka nikarakara azy ireo izy mivady, izay samy efa zokiolona. Asa be izany nandray vahiny izany fahiny. Hoy i Abrahama tamin’i Saraha: “Makà haingana lafarinina tsara toto intelon’ny seha, ka volavolao ny koba, dia manaova mofo boribory.” Lasa haingana koa i Abrahama namono vantotr’omby ary nikarakara sakafo hafa sy zava-pisotro. (Genesisy 18:1-8) Hay anjelin’i Jehovah ireo ‘lehilahy’ ireo! Azo inoana fa nahatsiaro an’io zava-nitranga io ny apostoly Paoly rehefa nilaza hoe: “Aza hadinoina ny fitiavana mandray vahiny, fa noho izany, dia nampiantrano anjely ny sasany nefa tsy fantany.” (Hebreo 13:2) Afaka ny ho tia mandray vahiny hoatran’i Abrahama sy Saraha ve ianao?

Tia nandray vahiny i Saraha

Naverin’ny anjely iray tamin’i Abrahama ny fampanantenan’Andriamanitra hoe hanan-janaka i Saraha. Nihaino resaka tao an-tranolainy i Saraha tamin’izay. Hafahafa be taminy ilay hoe hiteraka izy nefa efa antitra. Nihomehy anakampo àry izy, ka niteny hoe: “Mbola hahita fifaliana ihany ve aho amin’izao fahanterako izao, sady efa antitra koa ny tompoko?” Nanitsy azy ilay anjely hoe: “Angaha misy zava-mahagaga tsy vitan’i Jehovah?” Ara-dalàna raha natahotra i Saraha sady tonga dia niaro tena hoe: “Tsy nihomehy aho!” Hoy anefa ilay anjely: “Tena nihomehy mihitsy ianao!”—Genesisy 18:9-15.

Tsy ampy finoana ve i Saraha matoa nihomehy? Tsia. Hoy mantsy ny Baiboly: “Finoana koa no nahazoan’i Saraha hery hananana anaka, na dia efa nihoatra ny taona ahafahana miteraka aza izy. Nihevitra mantsy izy fa tsy mivadika amin’ny teniny ilay nampanantena.” (Hebreo 11:11) Nahalala an’i Jehovah i Saraha. Fantany fa afaka manatanteraka ny teniny izy. Iza amintsika no tsy mila finoana hoatr’izany? Ilaintsika àry ny miezaka hahalala tsara an’ilay Andriamanitra resahin’ny Baiboly. Ho hitantsika amin’izay fa ara-dalàna i Saraha raha nanam-pinoana. Tena tsy mivadika i Jehovah, ary tanterahiny foana izay lazainy. Mety hahagaga na tsy hampino antsika ny fomba anaovany an’izany indraindray, ka mety hihomehy isika!

“HENOY NY TENINY”

Notahin’i Jehovah i Saraha satria tena nanam-pinoana

Efa 90 taona izao i Saraha. Tonga ihany ilay fotoana efa nandrasany hatry ny ela. Tera-dahy tamin’i Abrahama vady malalany izy. Efa 100 taona i Abrahama tamin’izay! Nataony hoe Isaka na “Fihomehezana” ny anaran’ilay zaza, araka ny nolazain’Andriamanitra. Na efa reraka aza i Saraha, dia mety ho nitsiky izy rehefa nilaza hoe: “Nataon’Andriamanitra izay hihomehezako, ka hiara-mihomehy amiko izay rehetra mandre izany.” (Genesisy 21:6) Azo antoka hoe tena nahafaly azy mandra-pahafatiny io fanomezana mahagaga avy tamin’i Jehovah io. Andraikitra be koa anefa ilay izy.

Nanao fety ilay fianakaviana rehefa nosarahi-nono i Isaka, tamin’izy dimy taona. Tsy ny rehetra anefa no faly. Milaza ny Baiboly fa “tsikaritr’i” Saraha hoe naneso foana an’i Isaka kely i Ismaela, izay efa 19 taona. Tsy hoe sangisangy fotsiny anefa no nataon’io zanak’i Hagara io. Nilaza i Paoly tatỳ aoriana fa fanenjehana ilay izy. Hitan’i Saraha fa hisy vokany ratsy amin’ny zanany ilay fampijaliana. Tsy hoe zanany fotsiny mantsy i Isaka, fa olona voatendry hanatanteraka ny fikasan’i Jehovah koa. Nisikina herim-po àry izy, ka niresaka tamin’i Abrahama. Nasainy noroahina i Hagara sy Ismaela.—Genesisy 21:8-10; Galatianina 4:22, 23, 29.

Nanao ahoana ny fihetsik’i Abrahama? Hoy ny Baiboly: ‘Tena nahasosotra azy izany noho ny amin’ny zanany.’ Tiany be i Ismaela, ka tsy hitany hoe inona no tena olana. Niharihary tamin’i Jehovah anefa ilay zava-nitranga, ka hoy izy tamin’i Abrahama: “Aza atao mahasosotra anao izay lazain’i Saraha aminao momba ny zaza sy ny mpanompovavinao. Henoy ny teniny, satria avy amin’i Isaka ilay hantsoina hoe taranakao.” Nanome toky an’i Abrahama i Jehovah hoe hikarakara an’i Hagara sy ilay zaza izy. Nino an’izany i Abrahama ka nankatò.—Genesisy 21:11-14.

Famenon’i Abrahama tokoa i Saraha sady tena vady tsara. Tsy izay zavatra tiany ho ren’ny vadiny fotsiny no nolazainy. Tsy nisalasala izy niresaka taminy an’izay olana hitany hoe mety hanimba ny hoavin’izy mianakavy. Nanaja ny vadiny anefa izy na dia somary nivantambantana aza. Nilaza mantsy ny apostoly Petera, lehilahy nanambady, hoe modely ho an’ny vehivavy manambady i Saraha satria tena nanaja vady. (1 Korintianina 9:5; 1 Petera 3:5, 6) Raha tsy niresaka an’ilay olana i Saraha, dia tsy ho nanaja ny vadiny. Mety ho namoy zavatra be dia be mantsy i Abrahama sy ilay fianakaviana manontolo. Be fitiavana i Saraha, ka niteny izay tokony ho notenenina.

Maro ny vehivavy te hanahaka an’i Saraha. Hitan’izy ireo hoe mila miresaka tsy an-kifonofono sy manaja ny vadiny izy. Mba tian’ny vehivavy manambady sasany raha manao zavatra i Jehovah indraindray, hoatran’ny nataony tamin’i Saraha. Na izany aza, dia manahaka an’i Saraha izy ireo ka miezaka hanana finoana sy fitiavana ary faharetana.

Nantsoin’i Jehovah hoe “Andriambavy” i Saraha nefa tsy nanantena hoe hatao hoatran’ny mpanjakavavy

Nantsoin’i Jehovah hoe “Andriambavy” i Saraha nefa tsy nanantena hoe hatao hoatran’ny mpanjakavavy. Tsy mahagaga raha ‘naneho ny alahelony an’i Saraha sy nitomany azy’ i Abrahama rehefa maty ilay vadiny, tamin’izy io 127 taona. * (Genesisy 23:1, 2) Nalahelo be an’io “Andriambavy” mamin’ny fony io izy. Azo antoka fa malahelo an’io vehivavy nanam-pinoana io koa i Jehovah, ary maniry hanangana azy amin’ny maty ao amin’ny paradisa eto an-tany. Ho sambatra mandrakizay i Saraha amin’izay, ary ho toy izany koa izay manahaka ny finoany.—Jaona 5:28, 29.

^ feh. 3 Abrama sy Saray no nahafantarana azy mivady talohan’ny nanovan’Andriamanitra ny anaran’izy ireo. Ny anarana tena ahalalana azy ireo anefa no ampiasaina ato.

^ feh. 10 Nisy fotoana mbola navelan’Andriamanitra hanambady maro ny olona. Tatỳ aoriana anefa dia nasainy naverin’i Jesosy indray fa tokony ho iray ihany no vadin’ny olona, araka ny fitsipika napetrany tany Edena.—Genesisy 2:24; Matio 19:3-9.

^ feh. 25 I Saraha irery no vehivavy resahin’ny Baiboly hoe firy taona no maty.