Nosoratan’i Lioka 22:1-71

  • Nitetika ny hamono an’i Jesosy ny mpisorona (1-6)

  • Fanomanana ny Paska farany (7-13)

  • Ny Sakafo Harivan’ny Tompo voalohany (14-20)

  • ‘Eto amiko, eto an-databatra, ilay hamadika ahy’ (21-23)

  • Nifamaly be hoe iza no lehibe indrindra (24-27)

  • Nanao fifanekena momba ny fanjakana i Jesosy (28-30)

  • Nilaza i Jesosy fa handa azy i Petera (31-34)

  • Mila miomana; sabatra roa (35-38)

  • Vavak’i Jesosy teo amin’ny Tendrombohitra Oliva (39-46)

  • Nosamborina i Jesosy (47-53)

  • Nanda an’i Jesosy i Petera (54-62)

  • Nesoina i Jesosy (63-65)

  • Teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy (66-71)

22  Efa nanakaiky+ ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay, dia ilay fety atao hoe Paska.+  Nitady tetika maty paika hamonoana azy ho faty ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna+ tamin’izay, satria natahotra ny vahoaka izy ireo.+  Ary i Satana niditra tao amin’i Jodasy, ilay antsoina hoe Iskariota, izay anisan’ny 12 Lahy.+  Dia lasa i Jodasy nankany amin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly mba hiresaka hoe ahoana sy ahoana no hamadihany an’i Jesosy ka hanolorany azy amin’izy ireo.+  Koa faly izy ireo, ka nifanaraka hoe hanome vola* azy.+  Dia nanaiky izy, ary nanomboka nitady an’izay fotoana mety tsara hamadihany an’i Jesosy ka hanolorany azy amin’izy ireo, rehefa tsy misy olona.  Tonga ny andro voalohany hankalazana ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay, dia ilay andro tsy maintsy hamonoana ny biby hatao sorona hankalazana ny Paska.+  Koa naniraka an’i Petera sy Jaona i Jesosy, ka niteny hoe: “Mandehana manomana ny Paska hohanintsika.”+  Dia hoy izy ireo taminy: “Aiza no tianao hanomananay azy?” 10  Namaly izy hoe: “Rehefa miditra ao an-tanàna ianareo, dia hifanena amin’ny lehilahy iray mitondra siny tany feno rano. Araho any amin’izay trano idirany izy.+ 11  Ary ilazao ny tompon-trano hoe: ‘Niteny ny Mpampianatra hoe: “Aiza ny efitra fandraisam-bahiny azoko ihinanana ny Paska miaraka amin’ny mpianatro?”’ 12  Dia hasehony anareo ny efitra malalaka iray any ambony rihana, izay efa misy fanaka. Ao omanina ny Paska.” 13  Lasa àry izy roa lahy, dia hitan’izy ireo daholo izay nolazainy tamin’izy ireo. Ary nokarakarain’izy ireo ny Paska. 14  Koa rehefa tonga ny fotoana, dia naka toerana* teo amin’ny latabatra izy sy ny apostoly.+ 15  Ary hoy izy tamin’izy ireo: “Efa tena niriko ny hiara-mihinana an’ity Paska ity aminareo, alohan’ny hijaliako. 16  Fa lazaiko aminareo fa tsy hihinana ny Paska intsony aho, raha tsy efa tanteraka ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izany.” 17  Dia noraisiny ny kaopy natolotra azy, ka nisaotra an’Andriamanitra izy, ary niteny hoe: “Raiso ity ka isotroy, ary ampitampitao amin’ny tsirairay aminareo. 18  Fa lazaiko aminareo fa manomboka izao, dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony aho mandra-pahatongan’ny Fanjakan’Andriamanitra.” 19  Dia nandray mofo+ koa izy ary nisaotra an’Andriamanitra. Ary notapahiny ilay mofo, ka nomeny azy ireo, sady hoy izy: “Ity no* vatako+ izay homena ho anareo.+ Ataovy foana izao ho fahatsiarovana ahy.”+ 20  Toy izany koa no nataony tamin’ny kaopy, rehefa avy nihinana ny sakafo hariva izy ireo. Dia hoy izy: “Ity kaopy ity no* fifanekena vaovao+ miorina amin’ny rako,+ izay halatsaka mba hahasoa anareo.+ 21  “Efa eto amiko, eto an-databatra, anefa ny tanan’ilay hamadika ahy.+ 22  Fa handeha tokoa ny Zanak’olona, araka ny efa voalaza mialoha.+ Na izany aza, dia hahita loza ilay olona hamadika azy!”+ 23  Nanomboka nifampiresaka àry izy ireo hoe iza amin’izy ireo no mieritreritra hanao an’izany.+ 24  Nifamaly be koa anefa izy ireo hoe iza amin’izy ireo no noheverina ho lehibe indrindra.+ 25  Fa hoy izy tamin’izy ireo: “Manjakazaka amin’ny firenena entiny ny mpanjaka, ary antsoina hoe Mpanao Soa izay manana fahefana eo aminy.+ 26  Ianareo kosa tsy tokony ho hoatr’izany.+ Fa izay lehibe indrindra eo aminareo no ho toy ny zandriny indrindra,+ ary izay mitarika ho toy ny mpanompo. 27  Fa iza moa no lehibe kokoa: Ilay misakafo* sa ilay manompo?* Tsy ilay misakafo* ve? Fa izaho dia toy ny mpanompo*+ eto aminareo. 28  “Ianareo anefa no nifikitra tamiko+ tao anatin’ireo fitsapana nahazo ahy.+ 29  Koa manao fifanekena aminareo aho, hoatran’ny nanaovan’ny Raiko fifanekena tamiko, dia fifanekena momba ny fanjakana,+ 30  mba hihinana sy hisotro eo amin’ny latabatro ao amin’ny Fanjakako+ ianareo, ary hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana+ hitsara ny foko 12 eo amin’ny Israely.+ 31  “Simona, Simona, nangataka i Satana mba hosivaniny toy ny vary daholo ianareo.+ 32  Efa nitalaho ho anao anefa aho mba tsy ho levona ny finoanao.+ Ary raha vao tafarina ianao, dia ampaherezo ny rahalahinao.”+ 33  Dia hoy i Petera: “Tompo ô, vonona hiaraka aminao aho, na higadra ianao na ho faty.”+ 34  Hoy anefa izy: “Lazaiko aminao, ry Petera, fa mbola tsy maneno akory ny akoho anio, dia efa handa intelo ianao hoe tsy mahalala ahy.”+ 35  Hoy koa izy tamin’izy ireo: “Nisy nahory anareo ve, tamin’ianareo nirahiko tsy nitondra kitapom-bola na kitapom-batsy na kapa?”+ Hoy izy ireo: “Tsy nisy!” 36  Dia hoy izy: “Fa ankehitriny kosa, aoka izay manana kitapom-bola hitondra an’izany, ary toy izany koa izay manana kitapom-batsy. Ary izay tsy manana sabatra, aoka izy hivarotra ny akanjony ivelany ka hividy sabatra. 37  Fa lazaiko aminareo fa tsy maintsy ho tanteraka amiko izao voasoratra izao: ‘Natao ho anisan’ny mpandika lalàna izy.’+ Fa efa eo am-pahatanterahana izay voasoratra momba ahy.”+ 38  Dia hoy izy ireo: “Ireto misy sabatra roa, Tompo ô!” Hoy izy: “Ampy ireny.” 39  Dia lasa izy nankany amin’ny Tendrombohitra Oliva, toy ny fanaony, ary nanaraka azy koa ny mpianatra.+ 40  Hoy izy tamin’izy ireo rehefa tonga teo amin’ilay toerana: “Mivavaha foana mba tsy ho resin’ny fakam-panahy.”+ 41  Ary nihataka kely tokotokony ho indray mitora-bato izy, dia nandohalika ka nivavaka 42  hoe: “Ray ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kaopy* ity, nefa aoka tsy ny sitrapoko no hatao, fa ny anao.”+ 43  Dia nisy anjely anankiray avy any an-danitra niseho taminy, ary nankahery azy.+ 44  Nitebiteby be mihitsy anefa izy, ka vao mainka nivavaka mafimafy kokoa foana,+ ary lasa hoatran’ny ra nitete tamin’ny tany ny hatsembohany. 45  Rehefa avy nivavaka izy dia nitsangana, ka nankeny amin’ny mpianany, ary nahita azy ireo efa rendremana satria reraky ny alahelo.+ 46  Koa niteny tamin’izy ireo izy hoe: “Maninona ianareo no matory? Mitsangàna ary mivavaha foana, mba tsy ho resin’ny fakam-panahy.”+ 47  Tsy tapitra akory anefa ny teniny, dia ireny fa nisy vahoaka be tonga. Ary nitarika azy ireo ilay lehilahy atao hoe Jodasy, ilay anisan’ny 12 Lahy. Dia nanatona an’i Jesosy izy mba hanoroka azy.+ 48  Hoy anefa i Jesosy taminy: “Oroka ve no amadihanao ny Zanak’olona, ry Jodasy?” 49  Tsinjotsinjon’ireo nanodidina azy izay hitranga, ka niteny izy ireo hoe: “Hasianay amin’ny sabatra ve ry zareo, Tompo ô?” 50  Ny iray tamin’izy ireo aza namely an’ilay mpanompon’ny mpisoronabe mihitsy, ka niala ny sofiny havanana.+ 51  Fa hoy i Jesosy: “Aoka izay!” Ary nokasihiny ny sofin’ilay mpanompo ka nositraniny. 52  Dia hoy i Jesosy tamin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly ary ny anti-panahy izay tonga teo hisambotra azy: “Tonga atỳ miaraka amin’ny sabatra sy kibay ve ianareo, hoatr’ireny hisambotra mpangalatra ireny?+ 53  Niaraka taminareo tao amin’ny tempoly aho isan’andro,+ nefa tsy nisambotra ahy ianareo.+ Fa tonga izao ny fotoananareo sy ny fahefan’ny haizina.”+ 54  Dia nosamborin’izy ireo izy ka nentiny+ nankao an-tranon’ny mpisoronabe. Fa i Petera kosa nanaraka teny lavidavitra teny.+ 55  Rehefa nandrehitra afo teo afovoan’ny tokotany izy ireo ka niara-nipetraka teo, dia nipetraka teo niaraka tamin’izy ireo koa i Petera.+ 56  Nahita azy nipetraka teo akaikin’ny afo anefa ny mpanompovavy anankiray ka nandinika azy tsara, ary niteny hoe: “Io lehilahy io koa niaraka taminy.” 57  Nanda anefa izy hoe: “Tsy fantatro izy, ravehivavy!” 58  Taoriana kelin’izay dia nisy olon-kafa indray nahita azy, ka niteny hoe: “Naman-dry zareo koa ianao.” Fa hoy i Petera: “Tsy naman-dry zareo aho.”+ 59  Adiny iray teo ho eo taorian’izay, dia nisy lehilahy iray hafa nanizingizina hoe: “Tena niaraka taminy mihitsy io lehilahy io, fa Galilianina!” 60  Hoy anefa i Petera: “Tena tsy fantatro izany lazainao izany.” Ary tonga dia nisy akoho naneno, raha iny izy mbola niteny iny. 61  Dia nitodika ny Tompo ka nijery an’i Petera. Ary tsaroan’i Petera ilay tenin’ny Tompo taminy hoe: “Mbola tsy maneno akory ny akoho anio, dia handa ahy intelo ianao.”+ 62  Koa nivoaka tany ivelany izy sady nigogogogo nitomany. 63  Ary nanomboka naneso+ an’i Jesosy sy nikapoka azy+ ny olona niambina azy. 64  Dia nosaronan’izy ireo ny tarehiny, ka naverimberiny nanontaniana izy hoe: “Maminania! Iza ilay namely anao teo?” 65  Ary nilaza zavatra maro hafa izy ireo, mba hanevatevana azy. 66  Rehefa maraina ny andro, dia nivory ny anti-panahy rehetran’ny vahoaka, izany hoe ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna.+ Ary nentin’izy ireo tao amin’ny trano nisy ny Fitsarana Avo Jiosy izy, ka noteneniny hoe: 67  “Lazao aminay raha ianao no Kristy.”+ Fa hoy izy: “Na hoteneniko aminareo aza, dia tsy hino mihitsy ianareo. 68  Ary raha hanontaniako ianareo, dia tsy hamaly. 69  Fa manomboka izao, dia hipetraka eo ankavanan’ilay Andriamanitra mahery+ ny Zanak’olona.”+ 70  Dia hoy izy rehetra: “Zanak’Andriamanitra ve izany ianao?” Hoy izy: “Voalazanareo fa izany aho.” 71  Dia hoy ireo: “Inona indray no ilantsika porofo? Isika mihitsy no naheno ny vavany niteny an’izany.”+

Fanamarihana

Vola vita amin’ny volafotsy.
Na: “nandry ilika.”
Grika: estin, izany hoe “midika ho.”
Grika: estin, izany hoe “midika ho.”
Na: “mandry ilika eo amin’ny latabatra.”
Na: “mikarakara.”
Na: “mandry ilika eo amin’ny latabatra.”
Na: “mpikarakara.”
Ny “kaopy” eto dia ny sitrapon’Andriamanitra momba an’i Jesosy hoe navelany ho faty izy rehefa nampangaina ho nanevateva an’Andriamanitra.