Mika 5:1-15

  • Hisy mpitondra hitondra ny tany manontolo (1-6)

    • Ho avy ao Betlehema ilay mpitondra (2)

  • Ho toy ny ando sy liona ny sisa amin’ny taranak’i Jakoba (7-9)

  • Hodiovina ilay tany (10-15)

5  “Mandidididy ny vatanao ianao amin’izao,Ry zanakavavy misy manafika.Atao fahirano isika,+ Ary kapohin’izy ireo amin’ny tsorakazo ny takolaky ny mpitsaran’ny Israely.+   Ary ianao, ry Betlehema Efrata,+Kely loatra ianao ka tsy tokony ho anisan’ireo arivon’i* Joda akory,Nefa avy ao aminao no hivoahan’ilay hotendreko ho mpitondra eo amin’ny Israely.+Efa hatramin’ny taloha ela be no niandohany, efa hatramin’ny andro fahiny.   Hahafoy azy ireo àry Andriamanitra,Mandra-piterak’ilay vehivavy efa hiteraka. Ary hiverina any amin’ny vahoakan’Israely ny sisa amin’ireo rahalahiny.   Hitsangana ilay mpitondra ka hiandry ny ondriny amin’ny herin’i Jehovah,+Sy amin’ny anaran’i Jehovah Andriamaniny, izay anarana be voninahitra. Dia hiadana sy hilamina izy ireo,+Satria ho tonga hatrany amin’ny faran’ny tany ny fahefany.+   Hampisy fiadanana koa izy.+ Rehefa tonga manafika ny tanintsika ny Asyrianina, ka mandrava ny tilikambo voaro mafy,+Dia hanendry mpiandry fito isika mba hiady aminy, eny, andriana* valo nofidina avy tamin’ny olona.   Hasian’izy ireo amin’ny sabatra ny tanin’i Asyria+Sy ireo fidirana mankao amin’ny tanin’i Nimroda.+ Hanavotra antsika amin’ny Asyrianina+ ilay mpitondra,Rehefa manafika ny tanintsika ireny ka manitsaka ny faritanintsika.   Ny sisa amin’ny taranak’i Jakoba dia ho toy ny ando avy amin’i Jehovah,Eo amin’ny firenena maro,Ary ho toy ny oram-be mirotsaka eny amin’ny zavamaniry.Tsy manantena olona izy ireny,Na miandry ny zanak’olombelona.   Ho eo amin’ireo firenena ny sisa amin’ny taranak’i Jakoba,Ary ho eo amin’ny firenena maro,Hoatran’ny liona eo amin’ny bibidia any an’ala,Sy hoatran’ny liona* eo amin’ny andian’ondry.Mandalo mantsy ny liona, dia misambotra sy mamiravira,Ka tsy misy mahavonjy an’izay azony.   Hanainga ny tananao eo ambonin’ny fahavalonao ianao satria ho resinao ireny,Ka ho ringana ny fahavalonao rehetra.” 10  “Amin’izany andro izany”, hoy i Jehovah,“Dia haripako ny soavalinao ary hopotehiko ny kalesinao. 11  Dia horavako ireo tanàna ao amin’ny taninao,Ary harodako daholo ny toerana voaro mafy eo aminao. 12  Hataoko mifarana hatreo ny filalaovana ody efa fanaonao,*Ary tsy hisy mpampiasa herin’ny maizina intsony eo aminao.+ 13  Hopotehiko ny sary sokitra ivavahanao sy ny tsangambatonao masina,Ka tsy hiankohoka eo alohan’ny asan’ny tananao intsony ianao.+ 14  Hongotako ny tsato-kazonao masina,*+Ary horavako tanteraka ireo tanànanao. 15  Ho tezitra sy hisafoaka ahoRehefa mamaly an’ireo firenena tsy mankatò ahy.”

Fanamarihana

Na: “fokon’i.”
Na: “mpitarika.”
Na: “liona tanora.”
Abt: “avy eny an-tananao.”
Jereo F.T.