Nosoratan’i Matio 2:1-23

  • Mpanandro tonga namangy (1-12)

  • Nandositra tany Ejipta (13-15)

  • Novonoin’i Heroda ny zazalahikely rehetra (16-18)

  • Niverina tany Nazareta (19-23)

2  Teraka tao Betlehema+ any Jodia i Jesosy, tamin’ny andron’i Heroda*+ Mpanjaka. Taoriana kelin’izay, dia nisy mpanandro* avy any Atsinanana tonga tao Jerosalema,  ka nanontany hoe: “Aiza izany zaza vao teraka ho mpanjakan’ny Jiosy izany?+ Nahita ny kintany mantsy izahay, tamin’izahay tany Atsinanana, ka tonga hiankohoka eo anatrehany.”  Vao naheno an’izany i Heroda Mpanjaka sy ny olona rehetra tao Jerosalema, dia nitebiteby.  Dia novorin’i Heroda daholo ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna rehetra teo amin’ny vahoaka, ka nanontaniany hoe aiza ny toerana hahaterahan’i Kristy.*  Dia hoy izy ireo taminy: “Ao Betlehema+ any Jodia. Izao mantsy no nosoratan’ny mpaminany:  ‘Ary ianao, ry Betlehema ao amin’ny tanin’i Joda, tsy ianao mihitsy no kely indrindra amin’ny tanàna fehezin’ireo governoran’i Joda, satria avy ao aminao no hivoahan’ilay ho mpitondra sady mpiandry ny Israely vahoakako.’”+  Dia nampanantsoin’i Heroda mangingina ireo mpanandro ireo, ka nanontaniany tsara hoe oviana no niseho ilay kintana.  Dia nirahiny nankany Betlehema izy ireo, ka noteneniny hoe: “Mandehana karohy tsara ilay zaza, ka rehefa hitanareo izy, dia miverena milaza amiko fa mba handeha hiankohoka eo anatrehany koa aho.”  Dia lasa izy ireo rehefa avy naheno an’izany tenin’ny mpanjaka izany. Ary iny fa nandeha teo alohan’izy ireo ilay kintana efa hitany tany Atsinanana,+ ka tsy nijanona raha tsy teo ambonin’ilay trano nisy an’ilay zaza. 10  Faly be mihitsy izy ireo nahita an’ilay kintana. 11  Rehefa niditra tao amin’ilay trano izy ireo, dia nahita an’ilay zaza sy Maria reniny, ka nandohalika sy niankohoka teo anatrehan’ilay zaza. Nosokafan’izy ireo koa ny vata fasiany zava-tsarobidy, dia nomeny volamena sy ditin-kazo manitra ary miora ilay zaza. 12  Nampitandreman’Andriamanitra tao amin’ny nofy+ anefa izy ireo mba tsy hiverina tany amin’i Heroda, ka lalan-kafa no nandehanany nody tany amin’ny taniny. 13  Rehefa lasa nody izy ireo, dia nisy anjelin’i Jehovah* niseho tamin’i Josefa tao amin’ny nofy,+ niteny hoe: “Mandehana ento mandositra any Ejipta ilay zaza sy ny reniny, dia aza miala any raha tsy efa miteny aminao aho. Efa hikaroka an’ilay zaza mantsy i Heroda fa te hamono azy.” 14  Dia nentin’i Josefa tamin’iny alina iny ilay zaza sy ny reniny, ka lasa nankany Ejipta izy ireo. 15  Nijanona tany izy mandra-pahafatin’i Heroda. Tanteraka àry ilay nasain’i Jehovah* nolazain’ny mpaminaniny hoe: “Nantsoiko hiala avy tany Ejipta ny zanako.”+ 16  Tezitra be i Heroda rehefa hitany fa voafitak’ireo mpanandro izy. Dia naniraka olona izy hamono ny zazalahikely rehetra tany Betlehema sy ny faritra rehetra manodidina, dia izay roa taona no ho midina, araka izay efa nohadihadiny tsara tamin’ireo mpanandro.+ 17  Tamin’izay no tanteraka ilay nasaina nolazain’i Jeremia mpaminany hoe: 18  “Nisy feo re tany Rama, dia feon’olona mitomany sy midradradradra mafy. Nitomany an’ireo zanany i Rahely,+ ka tsy nety nampiononina izy, satria tsy eo intsony izy ireny.”+ 19  Rehefa maty i Heroda, dia nisy anjelin’i Jehovah* niseho tamin’i Josefa tao amin’ny nofy,+ tany Ejipta. 20  Hoy ilay anjely: “Mandehana ento miverina any amin’ny tanin’ny Israely ilay zaza sy ny reniny, fa efa maty ireo nitady hamono azy.”* 21  Dia nentiny niverina tany amin’ny tanin’ny Israely ilay zaza sy ny reniny. 22  Henon’i Josefa anefa hoe i Arkelaosy no lasa mpanjakan’i Jodia nandimby an’i Heroda rainy, ka natahotra ny ho any Jodia izy. Nampitandreman’Andriamanitra tao amin’ny nofy+ koa i Josefa, ka lasa nankany amin’ny faritr’i Galilia.+ 23  Dia tonga tao amin’ny tanàna nantsoina hoe Nazareta+ izy ka nipetraka tao, mba ho tanteraka izay nasaina nolazain’ny mpaminany hoe: “Hantsoina hoe Nazareanina* izy.”+

Fanamarihana

Jereo F.T.
Na: “magy.”
Na: “ilay Mesia; ilay Voahosotra.”
Jereo F.F. A5.
Jereo F.F. A5.
Jereo F.F. A5.
Na: “ireo nifofo ny ainy.”
Azo inoana fa avy amin’ny teny hebreo midika hoe “tsimoka.”