Petera Voalohany 2:1-25

  • Ataovy izay haniriana mafy ny teny (1-3)

  • Vato velona aorina ho trano ara-panahy (4-10)

  • Vahiny sy mpivahiny eo amin’izao tontolo izao (11, 12)

  • Manaiky fahefana araka ny tokony ho izy (13-25)

    • Kristy, ilay modely ho antsika (21)

2  Esory àry ny faharatsiana rehetra,+ ny fitaka, ny fihatsarambelatsihy, ny fialonana, ary ny fanaratsiana rehetra.  Toy ny zaza menavava,+ dia ataovy izay haniriana mafy ny ronono tsy misy fangarony,* dia ny ronono ao amin’ny tenin’Andriamanitra, mba hitombo ianareo ka hahazo famonjena,+  raha efa nandramanareo* fa tsara fanahy ny Tompo.  Toy ny vato velona tsy tian’ny* olona izy,+ nefa nofidin’Andriamanitra sy sarobidy aminy.+ Rehefa manatona azy ianareo,  izay vato velona koa, dia aorina ho trano ara-panahy+ mba ho mpisorona masina. Amin’izay dia hanolotra sorona ara-panahy+ ankasitrahan’Andriamanitra ianareo, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.+  Hoy mantsy ny Soratra Masina: “Mametraka vato voafidy ao Ziona aho, dia vato fehizoro sady vato fototra sarobidy. Tsy hisy ho diso fanantenana* mihitsy izay rehetra maneho finoana azy io.”+  Aminareo àry no sarobidy izy, satria mpino ianareo. Fa amin’ny tsy mpino kosa, dia “ny vato tsy tian’ny* mpanao trano+ no lasa vato fehizoro lehibe indrindra”,*+  sady nanjary “vato mahatafintohina sy vatolampy mampianjera.”+ Tafintohina izy ireny satria tsy mankatò ny teny. Izany indrindra no efa voatendry hoe hanjo azy ireny.  Ianareo kosa dia “firazanana voafidy, mpanjaka sady mpisorona, firenena masina,+ vahoaka nataon’Andriamanitra ho fananany manokana,+ mba hanambara hatraiza hatraiza ny hatsaran’Ilay”*+ niantso anareo hiala tamin’ny haizina ho amin’ny hazavany mahagaga.+ 10  Tsy firenena mantsy ianareo taloha, fa firenen’Andriamanitra kosa ianareo izao.+ Tsy namindrana fo ianareo taloha, fa efa nahazo famindram-po kosa izao.+ 11  Ry malala, vahiny sy mpivahiny+ ianareo ka mampirisika anareo aho mba hanohitra foana ny fanirian’ny nofo,+ izay miady aminareo.+ 12  Miezaha foana ho tsara fitondran-tena eo amin’izao tontolo izao.+ Amin’izay izy ireo hahita ny asa tsara ataonareo,+ na dia manendrikendrika anareo ho mpanao ratsy aza, ka hanome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny andro handinihany ny momba ny olombelona. 13  Noho ny amin’ny Tompo, dia ekeo izay fahefana rehetra najoron’olombelona:+ Na mpanjaka+ izany, satria ambony izy, 14  na governora, satria nirahin’ny mpanjaka hanasazy ny mpanao ratsy ireny fa hidera an’izay manao ny tsara kosa.+ 15  Fa ny sitrapon’Andriamanitra dia ny hanaovanareo an’izay tsara mba hampanginanareo* ny vavan’ny olona tsy misaina, izay miteny zavatra tsy fantany.+ 16  Olona afaka ianareo,+ nefa aza ampiasaina hanaronana ny ratsy* izany fahafahanareo izany,+ fa ampiasao hanompoana an’Andriamanitra kosa.+ 17  Hajao ny karazan’olona rehetra,+ tiavo ny rahalahy* rehetra,+ matahora an’Andriamanitra,+ hajao ny mpanjaka.+ 18  Aoka ny mpanompo hanaiky ny tompony sady hatahotra azy araka ny tokony ho izy,+ tsy ny tompo tsara fanahy sy be fandeferana ihany fa ny sarotsarotiny koa. 19  Ankasitrahan’Andriamanitra mantsy ny olona miaritra fahoriana* sy mijaly tsy ara-drariny noho izy te hanana feon’ny fieritreretana madio eo anatrehany.+ 20  Fa inona moa ny soa azonareo raha voakapoka ianareo satria nanota ka miaritra an’izany?+ Fa raha miaritra fijaliana kosa ianareo satria manao ny tsara, dia izany no ankasitrahan’Andriamanitra.+ 21  Izany tokoa mantsy no niantsoana anareo, satria na i Kristy aza nijaly ho anareo,+ ka nanome modely ho anareo mba hanarahanareo akaiky ny diany.+ 22  Tsy nanota izy,+ ary tsy nisy fitaka teo am-bavany.+ 23  Tsy mba nanambanimbany* izy+ rehefa nisy nanambanimbany.*+ Tsy mba nandrahona izy rehefa nijaly,+ fa nanankina ny fiainany kosa tamin’Ilay mitsara+ araka ny rariny. 24  Izy no nitondra ny fahotantsika+ tao amin’ny vatany, teo amin’ny tsato-kazo,*+ mba ho faty isika raha ny amin’ny ota,* fa ho velona kosa mba hanao ny marina. Ary “ny ratrany no nahatonga anareo ho sitrana.”+ 25  Hoatran’ny ondry nania mantsy ianareo,+ saingy efa niverina tamin’ilay mpiandry+ sy mpiandraikitra anareo* ianareo izao.

Fanamarihana

Na: “tsy mitampoka.”
Na: “tsapanareo.”
Na: “nolavin’ny.”
Abt: “ho afa-baraka.”
Na: “nolavin’ny.”
Abt: “lasa lohan’ny zoro.”
Izany hoe ny toetra tsarany sy ny zavatra mendri-piderana ataony.
Abt: “hanisianareo fehivava.”
Na: “aza atao fialan-tsiny hanaovana zava-dratsy.”
Na: “ny mpiray finoana.”
Na: “alahelo; fanaintainana.”
Na: “nanevateva.”
Na: “nanevateva.”
Na: “hazo.”
Na: “mba ho afaka amin’ny ota isika.”
Na: “ny fiainanareo.”