Nosoratan’i Lioka 7:1-50

  • Manamboninahitra nanam-pinoana (1-10)

  • Natsangan’i Jesosy ny zanakalahin’ilay vehivavy maty vady tao Naina (11-17)

  • Teny fiderana an’i Jaona Mpanao Batisa (18-30)

  • Nomelohina ny taranaka tsy mety miova (31-35)

  • Navela ny helok’ilay vehivavy mpanota (36-50)

    • Fanoharana momba an’ireo nananan’olona trosa (41-43)

7  Niditra tao Kapernaomy i Jesosy, rehefa tapitra izay tokony holazainy tamin’ny vahoaka.  Ary nisy manamboninahitra iray nanana mpanompo tena tiany, nefa narary mafy efa ho faty ilay mpanompo.+  Koa rehefa nandre ny momba an’i Jesosy ilay manamboninahitra, dia nisy anti-panahin’ny* Jiosy nirahiny ho any amin’i Jesosy, mba hangataka azy ho avy ka hanasitrana an’ilay mpanompo.  Dia tonga tany amin’i Jesosy izy ireo ary niangavy mafy azy hoe: “Mendrika ny hanaovanao an’izany izy,  satria tiany ny firenentsika sady nanorina synagoga teto aminay izy.”  Nandeha niaraka tamin’izy ireo àry i Jesosy. Rehefa tsy lavitra an’ilay trano anefa izy, dia efa nisy naman’ilay manamboninahitra nirahiny hilaza taminy hoe: “Aza misahirana mankatỳ amiko, tompoko, fa tsy mendrika ny handray anao ao an-tranoko aho.+  Na izaho aza tsy mieritreritra hoe mendrika hankeny aminao. Fa mitenena fotsiny, dia ho sitrana ny mpanompoko.  Izaho koa mantsy eo ambany fahefan’olona, sady manana miaramila eo ambany fahefako. Dia raha miteny amin’ny miaramila anankiray aho hoe: ‘Mandehana!’, dia lasa izy, ary amin’ny anankiray kosa hoe: ‘Avia!’, dia tonga izy, ary amin’ny mpanompoko hoe: ‘Ataovy ity!’ dia ataony izany.”  Gaga i Jesosy rehefa naheno an’izany, ka nitodika tany amin’ny vahoaka nanaraka azy, ary niteny hoe: “Lazaiko aminareo fa mbola tsy nahita finoana lehibe hoatr’izany aho, na teo amin’ny Israely aza.”+ 10  Rehefa niverina tany an-tranon’ilay manamboninahitra ireo olona nirahiny ireo, dia nahita fa efa salama tsara ilay mpanompo.+ 11  Taoriana kelin’izay, dia nankany amin’ny tanàna atao hoe Naina i Jesosy, ary nisy vahoaka be niara-dia taminy, ankoatra ny mpianany. 12  Rehefa nanakaiky ny vavahadin’ny tanàna izy, dia iny fa nisy faty nentina nivoaka. Zanaka lahitokan-dreniny+ izy io, sady ilay reniny rahateo efa maty vady. Ary nisy vahoaka be avy tao an-tanàna niaraka tamin’ilay vehivavy. 13  Raha vao nahita azy ny Tompo, dia nangoraka azy+ ka niteny taminy hoe: “Aza mitomany intsony.”+ 14  Dia nanatona izy ary nikasika an’ilay filanjana faty, ka nijanona ny mpilanja. Hoy izy avy eo: “Ry tovolahy, izao no lazaiko aminao: Miarena!”+ 15  Dia niarina ny maty ary nanomboka niteny, ka natolotr’i Jesosy an-dreniny.+ 16  Ary raiki-tahotra ny rehetra, dia nanome voninahitra an’Andriamanitra ka nilaza hoe: “Mpaminany lehibe no efa tonga eto amintsika”,+ sy hoe: “Nitsinjo ny vahoakany Andriamanitra.”+ 17  Dia niely eran’i Jodia sy ny faritra rehetra manodidina izany vaovao momba azy izany. 18  Nitantara an’izany rehetra izany+ tamin’i Jaona ny mpianany. 19  Koa niantso anankiroa tamin’ny mpianany i Jaona, dia naniraka azy tany amin’ny Tompo mba hanontany hoe: “Ianao ve Ilay ho avy,+ sa olon-kafa no tokony handrasanay?” 20  Rehefa tonga tany aminy izy ireo, dia niteny hoe: “Nirahin’i Jaona Mpanao Batisa izahay hanontany anao hoe: ‘Ianao ve Ilay ho avy, sa olon-kafa no tokony handrasanay?’” 21  Tamin’izay fotoana* izay i Jesosy dia nanasitrana olona maro tsy salama+ sy narary mafy ary nisy fanahy ratsy. Nampahiratra jamba be dia be koa izy. 22  Dia namaly azy roa lahy izy hoe: “Mandehana tantarao amin’i Jaona izao hitanareo sy henonareo izao: Lasa mahita ny jamba,+ mandeha ny malemy, voadio ny boka, mandre ny marenina,+ atsangana ny maty, ary itoriana ny vaovao tsara ny mahantra.+ 23  Sambatra izay tsy tafintohina noho ny amiko.”+ 24  Rehefa lasa ireo olona nirahin’i Jaona, dia niresaka momba an’i Jaona tamin’ny vahoaka i Jesosy. Hoy izy: “Nivoaka hijery inona tany an-tany efitra ianareo? Bararata ahetsiketsiky ny rivotra ve?+ 25  Sa nivoaka hijery inona ianareo? Olona manao akanjo vita amin’ny ravin-damba malefaka*+ ve? Any an-tranon’ny mpanjaka no misy manao akanjo tsara be sy manana an’izay rehetra mahafinaritra azy! 26  Inona marina àry no nivoahanareo e? Hijery mpaminany ve? Tsoriko aminareo fa lehibe lavitra noho ny mpaminany+ izy. 27  Fa izao no voasoratra momba azy: ‘Halefako mialoha anao* ilay olona irahiko, izay hanomana ny lalana halehanao.’+ 28  Lazaiko aminareo fa amin’izay nateraky ny vehivavy, dia mbola tsy misy lehibe noho i Jaona. Mbola lehibe noho izy anefa izay kely indrindra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.”+ 29  —Rehefa naheno an’izany ny olona rehetra sy ny mpamory hetra, dia niaiky fa manao ny rariny Andriamanitra. Ny batisan’i Jaona mantsy no nanaovana batisa azy ireo.+ 30  Fa ny Fariseo sy ireo nahay Lalàna kosa tsy niraharaha ny sitrapon’Andriamanitra* momba azy ireo,+ satria tsy nanaiky hataon’i Jaona batisa.— 31  “Hohariko amin’iza àry ny olona amin’ity taranaka ity? Ary hoatran’iza izy ireo?+ 32  Hoatran’ny ankizy mipetraka eny an-tsena, dia mifampiresaka hoe: ‘Efa nitsoka sodina izahay, nefa ianareo tsy mba nandihy. Efa nanao hira fisaonana izahay, nefa ianareo tsy mba nitomany.’ 33  Hoatr’izany koa fa tonga i Jaona Mpanao Batisa, tsy nihinana mofo na nisotro divay,+ nefa nilaza ianareo hoe: ‘Misy demonia izy.’ 34  Tonga kosa ny Zanak’olona, mihinana sy misotro, nefa mbola milaza ihany ianareo hoe: ‘Jereo! Olona tendan-kanina sy mpiboboka divay io, sady naman’ny mpamory hetra sy ny mpanota!’+ 35  Izay vokatry ny ataon’ny olona anefa no ahitana raha hendry izy na tsia.”*+ 36  Ary nanasa azy foana hiara-misakafo aminy ny Fariseo iray. Koa niditra tao an-tranon’ilay Fariseo izy ary naka toerana* teo amin’ny latabatra. 37  Ary fantatry ny vehivavy iray nalaza ho mpanota tao amin’ilay tanàna fa nisakafo* tao an-tranon’ilay Fariseo i Jesosy. Dia nitondra tavoahangy vatosanga nisy menaka manitra izy.+ 38  Nankao aorianan’i Jesosy teo an-tongony izy ary nitomany, dia kotsan’ny ranomasony ny tongotr’i Jesosy, ka nohamaininy tamin’ny volon-dohany. Norohany koa ny tongotr’i Jesosy sady nandrarahany menaka manitra. 39  Rehefa nahita an’izany ilay Fariseo nanasa azy, dia nieritreritra hoe: “Raha tena mpaminany ity lehilahy ity, dia ho nahalala hoe iza io mikasika azy io, ary vehivavy hoatran’ny ahoana io. Tokony ho fantany hoe mpanota+ io.” 40  Izao anefa no navalin’i Jesosy azy: “Ry Simona, misy zavatra tiako holazaina aminao.” Dia hoy izy: “Lazao àry, Mpampianatra ô!” 41  “Nisy roa lahy nananan’olona trosa. Ny an’ny anankiray 500 denaria,* fa ny an’ny anankiray kosa 50. 42  Rehefa tsy nanana handoavana an’ilay trosa izy roa lahy, dia namela tanteraka ny trosan’izy ireo ilay olona. Iza amin’izy roa lahy àry no ho tia azy bebe kokoa?” 43  Namaly i Simona hoe: “Raha ny fahitako azy, dia ilay nananany trosa betsaka kokoa.” Dia hoy izy: “Marina ny anao.” 44  Dia nitodika tany amin’ilay vehivavy izy, sady niteny tamin’i Simona hoe: “Hitanao io vehivavy io? Niditra tato an-tranonao aho, nefa ianao tsy nanome rano ahy hanasana ny tongotro. Fa io vehivavy io kosa nahakotsa ny tongotro tamin’ny ranomasony, ary nanamaina an’izany tamin’ny volon-dohany. 45  Ianao tsy nanoroka ahy, nefa io vehivavy io tsy nitsahatra nanoroka ny tongotro hatramin’ny nidirako tato. 46  Ianao tsy nandraraka menaka tamin’ny lohako, nefa io vehivavy io nandraraka menaka manitra tamin’ny tongotro. 47  Noho izany, dia lazaiko aminao fa voavela ny helony, na dia betsaka* aza,+ satria be fitiavana izy. Fa izay voavela tamin’ny kely, dia kely fitiavana.” 48  Dia hoy izy tamin’ilay vehivavy: “Voavela ny helokao.”+ 49  Ary nifampiresaka ireo nisakafo* niaraka taminy teo amin’ny latabatra hoe: “Fa mba iza àry io no mamela heloka?”+ 50  Hoy anefa izy tamin’ilay vehivavy: “Ny finoanao no namonjy anao.+ Mirary soa ho anao aho.”

Fanamarihana

Jereo F.T.
Abt: “ora.”
Na: “lamba tsara tarehy.”
Abt: “eo anatrehan’ny tarehinao.”
Na: “tari-dalan’Andriamanitra; torohevitr’Andriamanitra.”
Na: “Ny fahendren’ny olona anefa dia hamarinin’ny zanany rehetra.”
Na: “nandry ilika.”
Na: “nandry ilika teo amin’ny latabatra.”
Na: “lehibe.”
Na: “nandry ilika.”