Nosoratan’i Matio 23:1-39

  • Aza manahaka ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo (1-12)

  • Hahita loza ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo (13-36)

  • Nitomany an’i Jerosalema i Jesosy (37-39)

23  Ary hoy i Jesosy tamin’ny vahoaka sy ny mpianany:  “Maka ny toeran’i Mosesy ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo.  Koa ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo, nefa aza manao an’izay ataony, satria miteny izy nefa tsy ataony akory izay lazainy.+  Enta-mavesatra no fatorany ka apetrany eo an-tsoroky ny olona,+ nefa na ny tenany aza tsy te hanetsika an’izany amin’ny rantsantanany.+  Izay rehetra ataony dia ataony mba hisehosehoana amin’ny olona fotsiny.+ Halehibeaziny, ohatra, ny azy ilay boaty misy andininy ao amin’ny Soratra Masina, izay ataony eny aminy mba ho ody fiaro.*+ Ary ataony lava kokoa ny mikiramborambo amin’ny morontongotr’akanjony.+  Tiany ny toerana mihaja indrindra any amin’ny sakafo hariva, ny toerana eny aloha* ao amin’ny synagoga,+  ny hoarahabaina eny an-tsena, ary ny hantsoin’ny olona hoe Raby.*  Fa ianareo kosa, aza mety hantsoina hoe Raby, satria iray ihany ny Mpampianatra+ anareo, ary mpirahalahy daholo ianareo.  Aza miantso na iza na iza ho rainareo eto an-tany koa, fa iray ihany ny Rainareo,+ dia Ilay any an-danitra. 10  Ary aza mety hantsoina hoe mpitarika, fa iray ihany ny Mpitarika anareo, dia i Kristy. 11  Izay lehibe indrindra aminareo dia tsy maintsy ho mpanomponareo.+ 12  Izay manandra-tena no haetry,+ ary izay manetry tena no hasandratra.+ 13  “Hahita loza ianareo mpanora-dalàna sy Fariseo mpihatsaravelatsihy, satria hidianareo eo anoloan’ny olona ny Fanjakan’ny lanitra! Ianareo tsy miditra, nefa izay te hiditra tsy avelanareo hiditra.+ 14  *—— 15  “Hahita loza ianareo mpanora-dalàna sy Fariseo mpihatsaravelatsihy,+ satria mitety ranomasina sy mitety tany ianareo mba hitaomana olona iray hiova finoana!* Ary rehefa miova finoana izy, dia ataonareo mendrika ny ho any amin’ny Gehena* mihoatra noho ianareo. 16  “Hahita loza ianareo mpitarika jamba,+ izay milaza hoe: ‘Raha misy mianiana amin’ny tempoly, dia tsy mampaninona izany. Fa raha misy mianiana amin’ny volamenan’ny tempoly kosa, dia tsy maintsy mitana ny teny nataony izy.’+ 17  Ry adala sy jamba! Inona no zava-dehibe kokoa: Ilay volamena sa ny tempoly izay mahatonga an’ilay volamena ho masina? 18  Hoy koa ianareo: ‘Raha misy mianiana amin’ny alitara, dia tsy mampaninona izany. Fa raha misy mianiana amin’ny fanomezana eo amboniny kosa, dia tsy maintsy mitana ny teny nataony izy.’ 19   Ry jamba! Inona no zava-dehibe kokoa: Ilay fanomezana sa ilay alitara izay mahatonga an’ilay fanomezana ho masina? 20  Koa izay mianiana amin’ny alitara dia mianiana amin’ny alitara sy amin’izay rehetra eo amboniny. 21  Izay mianiana amin’ny tempoly koa dia mianiana amin’ny tempoly sy amin’Ilay mipetraka ao.+ 22  Ary izay mianiana amin’ny lanitra dia mianiana amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy amin’Ilay mipetraka eo amboniny. 23  “Hahita loza ianareo mpanora-dalàna sy Fariseo mpihatsaravelatsihy! Manome ny ampahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komina*+ mantsy ianareo, nefa tsy raharahianareo izay mavesa-danja kokoa ao amin’ny Lalàna, izany hoe ny manao ny rariny+ sy ny mamindra fo+ ary ny ho mendri-pitokisana. Tsy maintsy omena ny ampahafolon’ireny, nefa tsy maintsy atao koa ireo zavatra hafa ireo.+ 24  Ry mpitarika jamba!+ Tantavaninareo ny moka+ amin’ny zavatra sotroinareo, nefa ny rameva+ atelinareo! 25  “Hahita loza ianareo mpanora-dalàna sy Fariseo mpihatsaravelatsihy! Hoatran’ny kaopy sy vilia+ madio ivelany mantsy ianareo,* nefa ao anatinareo ianareo tsy mety afa-po*+ sady tsy mahafehy tena.+ 26  Ry Fariseo jamba, diovy aloha ny ao anatin’ny kaopy sy ny vilia, mba hadio koa ny ivelany. 27  “Hahita loza ianareo mpanora-dalàna sy Fariseo mpihatsaravelatsihy!+ Ianareo mantsy hoatran’ny fasana voalalotra fotsy,+ izay tsara tarehy erỳ etỳ ivelany, nefa ao anatiny ao feno taolam-paty sy fahalotoana isan-karazany. 28  Hoatr’izany koa ianareo: Etỳ ivelany ianareo hoatran’ny hoe olo-marina, nefa ao anatinareo ao feno fihatsarambelatsihy sy fandikan-dalàna.+ 29  “Hahita loza ianareo mpanora-dalàna sy Fariseo mpihatsaravelatsihy!+ Manamboatra ny fasan’ny mpaminany sy mandravaka ny fasan’ny olo-marina mantsy ianareo,+ 30  sady milaza hoe: ‘Raha velona tamin’ny andron’ny razambenay izahay, dia tsy ho niaraka taminy nandatsaka ny ran’ny mpaminany.’ 31  Koa ianareo ihany no miampanga ny tenanareo ho zanak’ireo namono ny mpaminany.+ 32  Vitao tanteraka àry ny asa natomboky ny razambenareo.* 33  “Ry taranaky ny bibilava misy poizina,+ hataonareo ahoana ny handositra ny fanamelohana ho any amin’ny Gehena?*+ 34  Noho izany, dia maniraka mpaminany+ sy olon-kendry ary mpampianatra ampahibemaso+ ho any aminareo aho. Ny sasany hovonoinareo ho faty+ sy hofantsihanareo amin’ny hazo fijaliana, ary ny sasany hokaravasinareo+ ao amin’ny synagoganareo sy henjehinareo+ isan-tanàna. 35  Dia amin’izay hivaly aminareo daholo ny ran’ny olo-marina nalatsaka teto an-tany, hatramin’ny ran’i Abela+ ka hatramin’ny ran’i Zakaria, zanak’i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan’ny toerana masina sy ny alitara.+ 36  Lazaiko marina aminareo fa hanody an’ity taranaka ity izany rehetra izany. 37  “Ry Jerosalema, ry Jerosalema, ilay mpamono ny mpaminany sy mpitora-bato an’izay irahina ho any aminao!+ Impiry aho no te hanangona ny zanakao, hoatran’ny reniakoho manangona ny zanany ao ambany elany, nefa tsy nety ianareo.+ 38  Dia avela ho anareo eo ny tranonareo!*+ 39  Fa lazaiko aminareo fa tsy hahita ahy intsony ianareo manomboka izao, mandra-pilazanareo hoe: ‘Hotahina anie ilay tonga amin’ny anaran’i Jehovah!’”*+

Fanamarihana

Na: “ilay filakiterany.”
Na: “toerana tsara indrindra.”
Na: “Mpampianatra.”
Jereo F.F. A3.
Na: “ho lasa proselyta.” Jereo F.T.
Jereo F.T.
Zavamaniry mampahatsiro sakafo ny solila sy aneta ary komina.
Na: “Diovinareo mantsy ny ivelan’ny kaopy sy ny vilia.”
Na: “ianareo mpandroba.”
Abt: “Fenoy tanteraka àry ny famaran’ny razambenareo.”
Jereo F.T.
Na mety hoe “Dia avela ho lao ho anareo ny tranonareo!”, izany hoe ny tempoly.
Jereo F.F. A5.