Nosoratan’i Marka 6:1-56

  • Tsy ninoan’ny olona tao an-tanànany i Jesosy (1-6)

  • Nahazo toromarika momba ny fanompoana izy 12 Lahy (7-13)

  • Maty i Jaona Mpanao Batisa (14-29)

  • Nanome sakafo ho an’olona 5 000 i Jesosy (30-44)

  • Nandeha teo ambony rano i Jesosy (45-52)

  • Nanasitrana olona tany Genesareta (53-56)

6  Niala teo izy ka tonga tao amin’ny faritra niaviany,+ ary nanaraka azy ny mpianany.  Rehefa tonga ny Sabata, dia nanomboka nampianatra tao amin’ny synagoga izy. Ary gaga ny ankamaroan’ireo nihaino azy, ka niteny hoe: “Taiza koa no nianaran’io an’izany?+ Fa ahoana no nahazoany an’izany fahendrena izany, ary ahoana no ahavitany fahagagana hoatr’izao?+  Angaha tsy io ilay mpandrafitra+ zanak’i Maria,+ sady rahalahin’i Jakoba+ sy Josefa sy Jodasy ary Simona?+ Ary angaha moa tsy eto amintsika ny anabaviny?” Dia tsy nety nino azy* izy ireo.  Hoy anefa i Jesosy: “Ao amin’ny faritra niaviany sy eo amin’ny havany ary ao an-tranony ihany ny mpaminany no tsy mba hajaina.”+  Koa tsy afaka nanao fahagagana tao izy, afa-tsy ny nanasitrana marary vitsivitsy rehefa nametra-tanana tamin’ireny.  Tena gaga izy hoe tsy nino azy izy ireo. Ary nandeha nitety ny tanàna teny amin’ny manodidina izy, sady nampianatra.+  Nasainy nankeo aminy izy 12 Lahy, dia tamin’izay izy no nanomboka naniraka azy tsiroaroa.+ Ary nomeny fahefana hamoaka fanahy maloto izy ireo.+  Nandidy azy ireo koa izy mba tsy hitondra na inona na inona rehefa mandeha, afa-tsy tehina ihany, ka tsy hitondra mofo, na kitapom-batsy, na vola* ao anaty fehikibony,+  nefa hanao kapa, ary tsy hanao akanjo roa.* 10  Hoy koa izy tamin’ireo: “Na aiza na aiza trano hidiranareo, dia mijanòna ao mandra-pialanareo amin’izany toerana izany.+ 11  Ary na aiza na aiza toerana tsy handray anareo na tsy hihaino anareo, dia ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo rehefa miala ao, mba ho vavolombelona aminy.”+ 12  Dia lasa izy ireo nitory hoe tokony hibebaka+ ny olona. 13  Namoaka demonia+ be dia be koa izy ireo, ary nanosotra menaka tamin’ny marary maro, ka nanasitrana an’ireny. 14  Henon’i Heroda Mpanjaka izany, satria lasa nalaza ny anaran’i Jesosy. Ary hoy ny olona: “Natsangana tamin’ny maty i Jaona Mpanao Batisa, dia izany no ahavitany fahagagana.”+ 15  Hoy kosa ny hafa: “I Elia izay!” Nisy koa niteny hoe: “Mpaminany hoatran’ireny mpaminany fahiny ireny izay!”+ 16  Hoy anefa i Heroda rehefa naheno an’izany: “I Jaona izay, ilay notapahiko ny lohany. Natsangana izany izy!” 17  Fa i Heroda efa naniraka olona hisambotra an’i Jaona sy hamatotra azy tao am-ponja, satria izany no tian’i Herodiasy vadin’i Filipo rahalahiny. Efa nalainy ho vadiny mantsy io vehivavy io.+ 18  Fa efa notenenin’i Jaona i Heroda hoe: “Tsy azonao atao ny manambady ny vadin’ny rahalahinao.”+ 19  Nitana lolompo tamin’i Jaona àry i Herodiasy ka te hamono azy, saingy tsy afaka. 20  Natahoran’i Heroda mantsy i Jaona, satria fantany fa olo-marina sy masina+ ka narovany. Isaky ny avy nihaino an’i Jaona izy, dia tsy hainy hoe inona no tokony hatao, nefa mbola faly foana izy nihaino azy. 21  Tonga anefa ny andro iray tena nety, rehefa nitsingerina ny andro nahaterahan’i+ Heroda, ka nanao fanasana takariva izy ho an’ny manam-pahefana ambony sy ny mpitari-tafika ary ny olona ambony indrindra tany Galilia.+ 22  Ary niditra ny zanakavavin’i Herodiasy ka nandihy. Dia faly be i Heroda sy ireo nisakafo* niaraka taminy. Hoy àry ny mpanjaka tamin’ilay tovovavy: “Angataho amiko izay rehetra tianao, fa homeko anao.” 23  Nianiana taminy mihitsy izy hoe: “Na inona na inona angatahinao, dia homeko anao, na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakako aza.” 24  Koa lasa nanontany an-dreniny ilay tovovavy hoe: “Inona no tokony hangatahiko?” Dia hoy ny reniny: “Ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa.” 25  Tonga dia niditra haingana tao amin’ny mpanjaka ilay tovovavy ka nangataka hoe: “Tiako raha omenao ahy izao dia izao eo ambony vilia ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa.”+ 26  Na dia nampalahelo be ny mpanjaka aza izany, dia nekeny ny fangatahan’ilay tovovavy, satria izy efa nianiana teo anatrehan’ny olona nasainy.* 27  Tonga dia nirahin’ny mpanjaka àry ny iray tamin’ny mpiambina azy, ka nomeny baiko hitondra ny lohan’i Jaona. Dia lasa io nanapaka ny lohan’i Jaona tao am-ponja, 28  ka nitondra an’ilay izy teo ambony vilia. Nomeny an’ilay tovovavy ilay izy, ary ilay tovovavy kosa nanome an’ilay izy an-dreniny. 29  Rehefa henon’ny mpianatr’i Jaona izany, dia tonga izy ireo naka ny fatiny ka nandevina azy tany am-pasana. 30  Ary nankeo amin’i Jesosy ny apostoly, ka nitantara taminy an’izay rehetra nataon’izy ireo sy nampianariny.+ 31  Dia hoy izy tamin’ireo: “Andao ho any amin’ny toerana mitokana, dia mialà sasatra kely.”+ Be dia be mantsy ny olona nivezivezy, ka tsy nanam-potoana hisakafoanana akory izy ireo. 32  Lasa nandeha an-tsambokely ho any amin’ny toerana mitokana àry izy ireo.+ 33  Nisy nahita anefa ny niaingan’izy ireo, ka lasa fantatry ny olona maro izany. Dia niala avy any amin’ny tanàna rehetra ny olona ka nihazakazaka nankany daholo, ary tonga talohan’izy ireo. 34  Rehefa niala avy tao an-tsambokely i Jesosy, dia nahita vahoaka be. Dia nangoraka an’ireo izy,+ satria hoatran’ny ondry tsy misy mpiandry+ izy ireo. Ary nanomboka nampianatra azy ireo zavatra be dia be izy.+ 35  Rehefa hariva ny andro, dia nanatona azy ny mpianany ka niteny hoe: “Mitokana ity toerana ity, sady efa hariva sahady ny andro.+ 36  Ravao ny olona mba hankeny ambanivohitra sy eny amin’ny tanàna manodidina, dia hividy zavatra hohanina.”+ 37  Dia hoy izy tamin’ireo: “Omeo zavatra hohanina ry zareo.” Ary hoy ireo taminy: “Tokony handeha hividy mofo azon’ny 200 denaria* ve izany izahay, mba homena hohanin’ireo olona ireo?”+ 38  Dia hoy izy tamin’ireo: “Jereo hoe misy mofo firy any aminareo any.” Rehefa avy nijery izy ireo, dia niteny hoe: “Mofo dimy, dia misy trondro roa koa.”+ 39  Ary nasainy naka toerana teo amin’ny bozaka ny olona rehetra ka nasainy nitsitokotoko.+ 40  Naka toerana àry ny olona, dia nitsitokotoko 100 sy 50 avy. 41  Ary nalain’i Jesosy ireo mofo dimy sy trondro roa ireo, ka nitraka nijery ny lanitra izy dia nivavaka.+ Notapahiny ireo mofo avy eo ka nomeny ny mpianatra, mba haroson’ireo amin’ny olona. Ary nozarainy ho an’ny rehetra koa ireo trondro anankiroa. 42  Dia nihinana ny rehetra ka voky. 43  Ary nangonin’ny mpianatra ny sombintsombin’ny mofo, ka nahafeno harona 12, ankoatra ny trondro.+ 44  Lehilahy 5 000 no nihinana an’ireo mofo. 45  Nasainy nankao an-tsambokely avy hatrany ny mpianany avy eo, ka nasainy nialoha azy nankeny ampita, ho any Betsaida, fa izy mbola nandrava ny vahoaka.+ 46  Rehefa avy nanao veloma ny vahoaka izy, dia nankany an-tendrombohitra mba hivavaka.+ 47  Efa hariva be ny andro, ary teny afovoan’ny ranomasina ilay sambokely, fa izy kosa irery teny an-tanety.+ 48  Avy eo dia hitany fa sahirana mafy nivoy ny mpianany, satria notoherin’ny rivotra ilay sambo. Dia nandeha teo ambony ranomasina izy nanatona an’ireo, tokony ho tamin’ny fotoam-piambenana fahefatra tamin’ny alina.* Ary hoatran’ny hoe* hisongona an’ireo izy. 49  Vao nahita azy nandeha teo ambony ranomasina izy ireo, dia nieritreritra hoe: “Misy zavatra hafahafa iny!”* Dia niantsoantso mafy izy ireo, 50  satria nahita azy daholo izy rehetra ka natahotra. Tonga dia niteny tamin’izy ireo anefa izy hoe: “Mahereza fa izaho ihany ity! Aza matahotra.”+ 51  Niakatra tao an-tsambokely izy avy eo, ary nitsahatra ny rivotra. Dia gaga be izy ireo, 52  satria tsy takany ny dikan’ilay fahagagana natao tamin’ireo mofo, fa mbola donto ny fony ka tsy nahazo ny dikan’izany. 53  Rehefa tonga teny ampita izy ireo, dia tonga tao Genesareta ka nandatsaka vatofantsika tsy lavitra teo.+ 54  Vao niala tao an-tsambokely anefa izy ireo, dia fantatry ny olona i Jesosy. 55  Dia nihazakazaka nanerana an’ilay faritra ny olona. Dia nentina tamin’ny fandriana nankany amin’izay nahenoana hoe nisy an’i Jesosy ny olona marary. 56  Na taiza na taiza no nidiran’i Jesosy, na tanàna kely na lehibe, na tany ambanivohitra, dia napetraky ny olona teny an-tsena ny marary. Ary niangavy izy ireo mba havela hikasika ny mikiramborambo amin’ny morontongotry ny akanjony ivelany fotsiny.+ Dia sitrana daholo izay nikasika an’ilay izy.

Fanamarihana

Na: “Dia tafintohina taminy.”
Abt: “varahina.”
Na: “akanjo fanampiny.”
Na: “nandry ilika teo amin’ny latabatra.”
Na: “olona nandry ilika teo amin’ny latabatra.”
Izany hoe tamin’ny 3 maraina teo ho eo, ka mandra-piposaky ny masoandro tamin’ny 6 teo ho eo.
Na: “saika.”
Na: “Fahitana izao!”