Asan’ny Apostoly 4:1-37

  • Nosamborina i Petera sy Jaona (1-4)

    • Lasa 5 000 ny lehilahy mpino (4)

  • Teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy (5-22)

    • “Tsy azonay atao ny tsy hiteny intsony” (20)

  • Nivavaka mba hanana fahasahiana (23-31)

  • Nifampizara an’izay nananany ny mpianatra (32-37)

4  Teo am-piresahana tamin’ny vahoaka izy roa lahy no tonga teo aminy ny mpisorona sy ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly ary ny Sadoseo.+  Sosotra izy ireo, satria nampianatra ny vahoaka ny apostoly sady nanambara tamin’ny olona rehetra hoe natsangana tamin’ny maty i Jesosy.*+  Nosamborin’izy ireo àry izy roa lahy dia nataony am-ponja+ mandra-pahatongan’ny ampitso, satria efa hariva ny andro.  Betsaka tamin’ireo nihaino an’ilay lahateny anefa no nino, ka lasa 5 000 teo ho eo ny isan’ny lehilahy.+  Ny ampitson’iny, dia nivory tao Jerosalema ny mpitondra sy ny anti-panahy* ary ny mpanora-dalàna teo amin’izy ireo.  Tao koa i Anasy+ lehiben’ny mpisorona, Kaiafa,+ Jaona, Aleksandra, ary izay rehetra havan’ilay lehiben’ny mpisorona.  Dia nataon’izy ireo teo afovoany i Petera sy Jaona, ka nanontaniany hoe: “Fahefana avy aiza, na tamin’ny anaran’iza no nanaovanareo an’izao?”  Ary feno fanahy masina+ i Petera, ka namaly hoe: “Ry mpitondra vahoaka sy anti-panahy isany!  Raha fotopotorana izahay androany satria nanao soa olona kilemaina,+ ka tianareo ho fantatra hoe iza no nanasitrana azy, 10  dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny vahoakan’Israely manontolo fa matoa io lehilahy io salama tsara manoloana anareo eto, dia noho ny anaran’i Jesosy Kristy avy any Nazareta,+ ilay novonoinareo teo amin’ny tsato-kazo,+ nefa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty.+ 11  Izy ‘ilay vato nataonareo mpanao trano ho tsy misy dikany, nefa lasa vato fehizoro lehibe indrindra.’*+ 12  Ary tsy misy olon-kafa hahazoana famonjena, satria tsy misy anarana hafa+ hahazoantsika famonjena amin’izay anarana nomena ny olona etỳ ambanin’ny lanitra.”+ 13  Gaga izy ireo nahita ny fahasahian’i Petera sy Jaona, ary fantany fa tsy nahita fianarana* izy roa lahy sady olon-tsotra.+ Dia fantany fa niaraka tamin’i Jesosy izy roa lahy.+ 14  Tsy nanan-kavaly anefa izy ireo,+ satria hitany niara-nijoro tamin’izy roa lahy teo ilay lehilahy efa sitrana.+ 15  Koa nasain’izy ireo nivoaka avy tao amin’ny trano nisy ny Fitsarana Avo Jiosy ry zareo. Dia niara-nidinika izy ireo 16  hoe: “Hataontsika ahoana ireo lehilahy ireo?+ Fa nanao famantarana niavaka ry zareo, ary nahita an’izany ny mponina rehetra eto Jerosalema,+ ka tsy azontsika lavina. 17  Andao àry horahonantsika ry zareo, dia tsy havelantsika hiteny amin’izany anarana+ izany intsony na amin’iza na amin’iza, sao dia vao mainka hiely eo amin’ny vahoaka izany.” 18  Dia nantsoiny izy roa lahy, ka norarany tsy hiteny na inona na inona na hampianatra amin’ny anaran’i Jesosy intsony. 19  Namaly anefa i Petera sy Jaona hoe: “Ianareo no aoka hitsara raha mety eo imason’Andriamanitra na tsia ny hoe hihaino anareo, fa tsy hihaino an’Andriamanitra. 20  Fa raha izahay kosa, dia tsy azonay atao ny tsy hiteny intsony momba an’izay efa hitanay sy henonay.”+ 21  Mbola nandrahona azy roa lahy indray izy ireo, dia nandefa azy avy eo. Tsy hitan’izy ireo mantsy izay tokony hanasaziana azy, ary natahorany koa ny vahoaka+ satria nanome voninahitra an’Andriamanitra izy rehetra noho izay nitranga. 22  Efa 40 taona mahery mantsy ilay lehilahy nositranina tamin’ny alalan’izany fahagagana* izany. 23  Dia nankany amin’ny mpiray finoana taminy izy roa lahy rehefa nafahana, ka notantarainy tamin’izy ireo izay nolazain’ny lehiben’ny mpisorona sy ny anti-panahy. 24  Rehefa nandre an’izany izy ireo, dia niaraka nanandra-peo nivavaka tamin’Andriamanitra hoe: “Ry Tompo Fara Tampony ô, ianao no nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny zava-drehetra ao amin’ireo.+ 25  Ianao koa no nampiteny an’i Davida razambenay+ mpanomponao tamin’ny alalan’ny fanahy masina hoe: ‘Nahoana no mikorontana ireo firenena ary misaintsaina zavatra tsy misy dikany ny vahoaka? 26  Nitsangana ireo mpanjakan’ny tany, ary nivondrona ny mpitondra mba hanohitra an’i Jehovah* sy ilay voahosotra notendreny.’*+ 27  Fa nifamory teto amin’ity tanàna ity tokoa i Heroda sy Pontio Pilato+ niaraka tamin’ny hafa firenena sy ny vahoakan’Israely, mba hanohitra an’i Jesosy mpanomponao masina, ilay voahosotrao.+ 28  Nanao an’izany izy ireo mba ho tanteraka izay efa voalazanao mialoha, satria anananao ny hery* ary efa izay no sitraponao.+ 29  Koa henoy ny fandrahonany, Jehovah* ô, ary ataovy izay hahatonga anay mpanomponao hanana fahasahiana be hitory ny teninao, 30  ary ianao hanatsotra ny tananao mba hanasitranana sy hanaovana famantarana sy fahagagana*+ amin’ny anaran’i Jesosy mpanomponao masina.”+ 31  Rehefa avy nitalaho tamim-bavaka* izy ireo, dia nihovotrovotra ilay toerana nivoriany, ary feno fanahy masina+ izy rehetra, ka sahy+ nitory ny tenin’Andriamanitra. 32  Iray fo sy iray saina ny olona be dia be lasa mpino, ka tsy nisy nilaza hoe azy samirery ny fananany, fa nikambanan’izy ireo daholo ny zava-drehetra.+ 33  Ary mbola nitory momba ny nananganana an’i Jesosy Tompo tamin’ny maty+ ny apostoly sady tena nandaitra* ny fomba nanaovan’izy ireo an’izany. Ary nanehoana hatsaram-panahy miavaka* be dia be izy rehetra. 34  Tsy nisy nahantra teo amin’izy ireo,+ fa izay rehetra nanana tany na trano dia nivarotra an’izany ka nitondra ny vidin’izay lafo, 35  ary nametraka an’izany teo an-tongotry ny apostoly.+ Dia nozaraina tamin’ny tsirairay arakaraka izay nilainy avy izany.+ 36  Ary i Josefa, ilay nantsoin’ny apostoly koa hoe Barnabasy+—izany hoe “Zanaky ny Fampiononana”, raha adika—izay Levita teratany avy any Sipra, 37  dia nanana tany. Namidiny ilay tany, dia nentiny ny vola vidin’ilay izy ka napetrany teo an-tongotry ny apostoly.+

Fanamarihana

Na: “momba ny fitsanganana amin’ny maty, toy izay nitranga tamin’i Jesosy.”
Jereo F.T.
Abt: “lasa lohan’ny zoro.”
Izany hoe tsy nianatra tany amin’ny sekoly nampianaran’ny Raby, fa tsy hoe tsy mahay mamaky teny sy manoratra akory.
Na: “famantarana.”
Jereo F.F. A5.
Na: “ny Kristiny.”
Na: “satria izay no efa tapaky ny tananao.”
Jereo F.F. A5.
Na: “fambara.”
Na: “nivavaka mafy.”
Na: “tamin-kery lehibe.”
Jereo F.T.