Hijery ny anatiny

Tokantrano

Zavatra Mahasambatra

Miantehera Amin’Andriamanitra

Misy fanontaniana tsotra anankiroa ato hanampy anao hanatsara ny fanambadianao.

Ahoana no Hananana Tokantrano Sambatra?

Atoron’ny Baiboly ny fomba hananana tokantrano sambatra. Mandaitra ny toroheviny, satria avy amin’i Jehovah, ilay namorona ny fanambadiana

Torohevitra Hahasambatra ny Fianakaviana

Inona no azon’ny mpivady sy ny ray aman-dreny ary ny ankizy atao mba hahasambatra ny fianakaviany?

Torohevitra Mahasambatra ny Fianakaviana: Mahaiza Miara-miasa

Lasa hoatran’ny mpiray trano fotsiny ve ianareo mivady?

Sarotra ny Taona Voalohany Amin’ny Fanambadiana

Mpivady vao ve ianareo? Afaka manampy anareo mivady hanamafy orina ny tokantranonareo ny Baiboly.

Inona no Hanampy ny Mpivady Hanam-paharetana?

Misy foana ny olana satria samy tsy lavorary ny mpivady. Zava-dehibe àry ny hoe manam-paharetana raha te hanana tokantrano sambatra.

Tianao ve Raha Sambatra ny Tokantranonao? Hajao ny Vadinao

Afaka manampy anao sy ny vadinao hifanaja ny Baiboly, na dia tsy tena nanao an’izany aza ianareo roa hatramin’izay.

Miezaha Hanaja ny Vadinao

Mila mifanaja foana ny mpivady, fa tsy hoe tsindraindray ihany. Ahoana àry no ampisehoanao hoe manaja ny vadinao ianao?

Hajao ny Vadinao!

Inona no hanampy ny mpivady hifanaja rehefa mifampiresaka?

Tianao ve Raha Sambatra ny Tokantranonao? Asehoy Amin’ny Vadinao hoe Tianao Izy

Mety tsy dia hifaneho fitiavana intsony ny mpivady vokatry ny asa sy ny adin-tsaina ary ny rotoroton’ny fiainana. Mbola afaka mifankatia be indray ve ry zareo?

Mahaiza Mankasitraka

Vao mainka hifankatia ny mpivady raha samy miezaka hahamarika ny toetra tsaran’​ny vadiny sady mampiseho hoe tia an’​ilay izy. Inona no hanampy anao hahay hankasitraka?

Asehoy Azy hoe Tianao Izy

Inona no azon’ny mpivady atao mba hampisehoana hoe mifankatia tokoa ry zareo? Misy soso-kevitra efatra avy ao amin’ny Baiboly azonao jerena ato.

Hajao Foana ny Voadim-panambadianao

Aminao ve ny voadim-panambadiana toy ny rojo vy mangeja, sa toy ny vatofantsika miaro ny fanambadiana tsy ho rava?

Aoka Ianao Hitana ny Voady Nifanaovanareo

Inona no manamafy ny fatoram-panambadiana? Inona no maha goragora azy? Inona no azonao iezahana?

Aza Mivadika Amin’ny Vadinao

Rehefa tsy manitsakitsa-bady ve dia efa azo lazaina hoe tsy mivadika amin’ny vady?

Afaka ny ho Sambatra ny Olona Nanambady Fanindroany

Mety hiatrika olana tsy hitany tao amin’ny tokantranony voalohany ireo nanambady fanindroany. Ahoana no hahasambatra ny mpivady toy izany?

Ry Lehilahy, Aza Mampijaly Vady

Mbola tsy sambatra ihany ve ny vady aman-janakao, na dia efa mampidi-bola be ao an-trano aza ianao?

Inona no Tena Mahasambatra? Be Fitiavana

Ho sambatra isika raha be fitiavana sady tian’​ny olona.

Izay Lazain’ny Baiboly

Miresaka Momba ny Fanambadian’ny Samy Lehilahy na Samy Vehivavy ve ny Baiboly?

Ilay namorona ny fanambadiana no tsy maintsy ho tena mahay hoe ahoana no hampaharitra sy hahasambatra ny fiarahan’olon-droa.

Azo Atao ve ny Mampirafy?

Andriamanitra ve no nanan-kevitra momba izany? Jereo izay lazain’ny Baiboly momba ny fampirafesana.

Afaka Mivady ve ny Olona Samy Hafa Volon-koditra?

Diniho izay lazain’ny Baiboly momba ny fanambadian’ny olona samy hafa volon-koditra.

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fanambadiana?

Afaka manampy ny mpivady hisoroka olana sy hiatrika olana ny toro lalan’ny Baiboly.

Ahoana no Tokony Hiheverana ny Fanambadiana?

Fantaro ny andraikitra takin’Andriamanitra amin’ny lehilahy sy vehivavy mba ho sambatra ny tokantranonao.

Tsy Maintsy Manambady ve ny Olona vao ho Sambatra?

Afaka ny ho sambatra ve ny olona na dia tsy manambady aza? Ahoana no fiheveran’ny Baiboly ny hoe manambady sy ny hoe mpitovo?

Olana sy Vahaolana

Misy Toetran’ny Vadinao Tsy Azoazonao Ve?

Raha misy toetran’ny vadinao tsy azoazonao, dia jereo sao dia mba misy mahatsara azy ihany ilay izy.

Aza Mieritreritra Asa Intsony Rehefa any An-trano

Tsy tianao hanelingelina ny fotoana tokony hiarahanao amin’ny vadinao ve ny asanao? Ireto misy soso-kevitra dimy afaka manampy anao.

Fanampiana An’ireo Iharan’ny Herisetra ao An-tokantrano

Tadidio hoe tsy ianao no diso ary tsy irery ianao.

Afaka Miova ve ny Olona Mpamono Vady?

Afaka miova ve ny olona mpamono vady rehefa mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly?

Mahaiza Mifandray Amin’ny Rafozanao

Aza avela hampiady anareo mivady ny resaka rafozana. Ireto misy torohevitra telo.

Ahoana no Ifandraisana Tsara Amin’ny Havana?

Afaka manaja ny ray aman-dreninao ianao, nefa koa tsy hanao tsirambina ny tokantranonao.

Marary ve ny Vadinao?

Misy soso-kevitra telo hanampy anao ato, raha manana aretina mitaiza ny vadinao.

Ahoana Raha Tsy Mitovy Hevitra Ianareo?

Inona no hanampy ny mpivady handamina disadisa sy hifandray tsara foana?

Fandaminana Fifamaliana eo Amin’ny Mpivady

Nahoana ny mpivady no mifamaly? Inona no azonao atao mba tsy handrava ny tokantranonao ny fifamalianareo?

Ahoana Raha Mijery Zavatra Vetaveta ny Vadinao?

Inona no azonareo mivady atao mba hanampiana ny vadinao raha zatra mijery zavatra vetaveta izy, sy mba hahatonga anareo hifampatoky indray?

Famahana Olana Ara-panambadiana

Afaka manampy anareo hamaha olana amim-pitiavana sy amim-panajana ny toro lalan’ny Baiboly. Jereo ato ny zavatra efatra mety hanampy anareo hanao an’izany.

Mety Handrava ny Tokantranonao ny Fijerena Sary Vetaveta

Misy soso-kevitra ato afaka manampy anao hiala amin’ny fahazarana mijery sary vetaveta sy hamerina amin’ny laoniny ny fifandraisanao amin’ny vadinao.

Ahoana Raha Samy Hafa Be Izahay?

Efa nieritreritra ve ianao hoe tsy mifanentana mihitsy ianareo mivady?

Aza Mitana Lolompo

Raha mamela heloka ianao, dia tsy voatery hoe hamaivaninao ny fahadisoan’ny vadinao na koa hoe ataonao hoatran’ny tsy nisy.

Torohevitra Mahasambatra ny Fianakaviana: Miezaha Hamela Heloka

Inona no hanampy anao tsy hifantoka be amin’ny fahadisoan’ny vadinao?

Miova ny Tokantrano Rehefa Tonga ny Zaza

Jereo ny torohevitry ny Baiboly ho an’ny ray aman-dreny sambany vao niteraka.

Rehefa Ary Elatra ny Ankizy

Mandia fotoan-tsarotra ny mpivady matetika, rehefa lehibe ny zanany ka miala ao an-trano. Inona no azon’​izy ireo atao mba hiatrehana an’​izany fiovana izany?

Ahoana no Atao mba Tsy ho Saro-piaro Be Loatra?

Tsy ho vanona mihitsy ny tokantrano raha tsy mifampatoky ny mpivady. Ahoana àry no azon’ny mpivady atao mba Tsy ho saro-piaro be loatra?

Aza Minamana Be Loatra Amin’olon-kafa

Mihevitra ve ianao hoe: ‘Mpinamana fotsiny ange izahay e!’ Tena izany tokoa ve anefa? Diniho izay lazain’ny Baiboly ato.

Fisintahana sy Fisarahana

Inona no Vokany eo Amin’ny Ankizy Rehefa Misaraka ny Ray Aman-dreniny?

Mieritreritra ny mpivady sasany hoe aleo misaraka satria izay, hono, no hahasoa ny zanany. Hitan’ny mpikaroka anefa hoe matetika no mijaly be ny ankizy rehefa misaraka ny ray aman-dreniny.

Diso Fanantenana ve Ianao Rehefa Nanambady?

Lasa tsy miray saina intsony ve ianareo mivady fa miray trano fotsiny sisa? Misy hevitra dimy hanampy anareo ato.

Mbola Misy Dikany ve ny Fiainana Raha Nivadika Taminao ny Vadinao?

Betsaka no nahita hoe tena nampahery azy ireo ny Baiboly.

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fanitsakitsaham-bady?

Tsy maintsy misaraka ve ny mpivady raha nanitsakitsaka ny iray?

Mbola Hifampatoky Indray ve Izahay?

Nijangajanga ve ny iray taminareo mivady? Mafy be izany nefa mbola azonareo avotana ny tokantranonareo.

Mamela ny Olona Hisara-panambadiana ve ny Baiboly?

Jereo hoe inona no anomezan’Andriamanitra alalana ary inona no tena halany.

Vahaolana ve ny Misaraka?

Raha misedra olana ny tokantranonao ka atahorana ho rava, inona no azonao atao?

Torohevitra ho An’ireo Nisara-bady

Maro amin’ireo nisara-bady no mahita hoe mafy kokoa noho ny nieritreretany azy ny fiainany. Misy torohevitra mahasoa ao amin’ny Baiboly.

Ahoana no Fiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fisaraham-panambadiana?

Ampian’ny Vavolombelona ve ny mpivady raha mahita olana ao an-tokantrano? Tsy maintsy eken’ny anti-panahy ve vao mahazo misara-panambadiana ny Vavolombelona?