Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Aoka Izay!”

“Aoka Izay!”

Simba be ilay trano, ary hita hoe tsy nisy nikarakara. Namely azy io imbetsaka ny rivotra sy ny oram-baratra, nandritra ny taona maro. Toa tsy ho ela ilay izy dia hirodana.

TOY izany no mitranga amin’ny tokantrano maro. Tsapanao ve hoe efa miharava koa ny tokantranonao? Raha izany no izy, dia fantaro fa miatrika olana ny mpivady rehetra. Na ny Baiboly aza milaza fa “hanam-pahoriana” ireo manambady.—1 Korintianina 7:28.

Manamarina izany ny mpikaroka sasany, izay milaza fa ny fanambadiana no “fifanekena mampidi-doza indrindra, nefa be mpanao indrindra eo amin’ny fiaraha-monina.” Hoy koa izy ireo: “Tena faly sy mifanome toky erỳ izy mivady amin’ny voalohany. Mety hiteraka fahasorenana sy fijaliana be mandritra ny androm-piainany anefa ny fanambadiany.”

Manao ahoana ny tokantranonao? Fahita ao ve ny iray na ny sasany amin’ireto?

  • Ady lava

  • Teny maharary

  • Fanitsakitsahana

  • Lonilony

Raha misedra olana ny tokantranonao ka atahorana ho rava, inona no azonao atao? Vahaolana ve ny misaraka?