Hijery ny anatiny

HO AN’NY FIANAKAVIANA

Ahoana Raha Tsy Mitovy Hevitra Ianareo?

Ahoana Raha Tsy Mitovy Hevitra Ianareo?

 Efa tsy mora ho an’ny mpivady ny hoe tsy mitovy zavatra tiana, fahazarana, ary toetra. Vao mainka mampifanditra anefa ny olana sasany, toy ireto manaraka ireto:

  •   Hoatran’ny ahoana ny habetsahan’ny fotoana iarahana amin’ny fianakaviana?

  •   Ahoana no hitantanana ny vola?

  •   Hiteraka sa tsia?

 Inona no azonao atao raha tsy mitovy hevitra ianao sy ny vadinao?

 Tsara ho fantatrao

 Ny hoe mifanentana akory tsy midika hoe tsy maintsy mitovy. Na dia ny mpivady mifanentana tsara aza tsy voatery hitovy hevitra foana rehefa mandamina olana lehibe.

 “Zatra miaraka be ny fianakaviako. Niaraka tamin’ny havanay foana aho rehefa faran’ny herinandro. Dia teo daholo ny dadatoa sy nenitoanay sy ny zanak’izy ireo ary ny dadabe sy bebenay. Tsy mba hoatr’izany anefa ny fianakavian’ny vadiko. Dia lasa tsy mitovy ny hevitray momba ny habetsahan’ny fotoana iarahana amin’ny fianakaviana na iresahana amin’ny havana any lavitra.”—Tamara.

 “Samy hafa ny fomba nitaizana anay mivady, dia tsy nitovy hevitra izahay tamin’ny zavatra tokony handaniana vola. Nampifamaly anay matetika izany nandritra an’ireo volana vitsivitsy taorian’ny mariazinay. Niresaka im-be dia be mihitsy izahay vao nilamina ilay izy.”—Tyler.

Tsy mitovy ny zavatra hitan’ny olona roa na dia toerana iray ihany aza no jereny. Mety ho hoatr’izany koa ny fahitan’ny mpivady ny olana iray

 Misy olana sasany tsy ahitana marimaritra iraisana mihitsy. Ahoana, ohatra, raha marary ny ray na ny renin’ny andaniny na ny ankilany ka mila fikarakarana? Ary ahoana raha te hanan-janaka ny iray nefa ny iray tsy te hanana? a

 “Efa imbetsaka izaho sy ny vadiko no niresaka hoe hiteraka sa tsia. Vao mainka masaka ao an-tsainy anefa izao ny hoe hanan-janaka dia lasa mifanipaka tanteraka ny hevitray. Tsy mahita marimaritra iraisana mihitsy aho.”—Alex.

 Afaka ny hanana tokantrano sambatra ianareo na dia tsy mitovy hevitra aza. Misy manam-pahaizana milaza fa raha tsy mahita marimaritra iraisana mihitsy ianareo mivady rehefa misy olana lehibe, dia ataovy izay azonao atao mba hahazoanao an’izay tadiavinao na dia voatery misaraka aza ianareo. Raha manao an’izany anefa ianao, dia ny fihetseham-ponao no tena zava-dehibe aminao fa tsy ilay voady nataonao teo anatrehan’Andriamanitra hoe hiaraka foana ianareo na inon-kidona na inon-kihatra.

 Inona no azonao atao?

 Hajao foana ny voadim-panambadianao. Raha samy manao an’izany ny mpivady, dia ho mora kokoa ny handamina olana satria lasa toy ny ekipa iray izy ireo fa tsy mpifaninana.

 Toro lalan’ny Baiboly: ‘Aoka izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.’—Matio 19:6.

 Mandiniha tsara aloha. Aoka hatao hoe te hanan-janaka ny iray aminareo mivady nefa ny iray tsy te hanana. Ireto misy zavatra vitsivitsy mila dinihina:

  •   Mafy orina tsara ve ny tokantranonareo?

     Mitombo ny adin-tsaina rehefa mitaiza. Mbola ho vitanareo mivady ve ny hiatrika an’izany?

  •   Inona avy ny andraikitry ny ray aman-dreny?

     Tsy hoe sakafo sy fitafiana ary fialofana ihany no ilain’ny ankizy.

  •   Maharaka an’izany ve ny vola miditra ao an-tokantranonareo?

     Vitanao ve ny hoe sady miasa no mikarakara ny fianakaviana no manao andraikitra hafa?

 Toro lalan’ny Baiboly: “Iza aminareo, ohatra, no te hanorina tilikambo nefa tsy mipetraka aloha manao kajy ny amin’izay ho lany?”—Lioka 14:28.

 Jereo ny zava-misy rehetra. Mety hanampy anareo izany hamaha ny olana sasany tsy mampitovy hevitra anareo. Raha te hanan-janaka, ohatra, ny iray aminareo, dia mila mieritreritra ilay iray tsy te hanana hoe:

  •   ‘Tsy te hanan-janaka mihitsy ve aho sa hoe mbola tsy izao fotsiny?’

  •   ‘Manahy ve aho sao dia tsy hahavita hitaiza tsara ny zanako?’

  •   ‘Matahotra ve aho sao dia tsy horaharahain’ny vadiko intsony?’

 Ilay te hanan-janaka kosa mila mieritreritra hoe:

  •   ‘Vonona hiantsoroka ny andraikitry ny ray aman-dreny ve izahay?’

  •   ‘Hahavitanay mikarakara an’izay ilain’ny zanakay ve ny vola miditra aminay?’

 Toro lalan’ny Baiboly: ‘Ny fahendrena avy any ambony dia mahay mandanjalanja.’—Jakoba 3:17.

 Ekeo hoe misy mahatsara azy ny hevitry ny vadinao. Tsy mitovy ny zavatra hitan’ny olona roa na dia toerana iray ihany aza no jereny. Hoatr’izany koa fa mety samy hanana ny fahitany ny olana iray ny mpivady, ohatra hoe ahoana no hitantanana ny vola. Raha mitranga izany, dia izay zavatra mampitovy hevitra anareo aloha resahina izay vao mandinika an’izay zavatra tsy mampitovy hevitra anareo.

  •   Inona no tanjona iraisanareo?

  •   Inona no mahatsara ny hevitry ny tsirairay?

  •   Afaka mampandefitra ny heviny ve ny iray aminareo na ianareo roa mihitsy mba hanavotana ny tokantranonareo?

 Toro lalan’ny Baiboly: “Aoka ny tsirairay hitady mandrakariva, tsy izay hahasoa ny tenany, fa izay hahasoa ny hafa.”—1 Korintianina 10:24.

a Tokony horesahina alohan’ny fanambadiana ny zavatra tena lehibe. Mety hisy ihany anefa ny zavatra tsy ampoizina, na mety hiova hevitra ny andaniny na ny ankilany rehefa mandeha ny fotoana.—Mpitoriteny 9:11.