Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 HO AN’NY FIANAKAVIANA | FANAMBADIANA

Diso Fanantenana ve Ianao Rehefa Nanambady?

Diso Fanantenana ve Ianao Rehefa Nanambady?

OLANA

Hoatran’ny nifanentana erỳ ianareo roa tamin’ny mbola tsy nivady. Tsy arakaraka izay anefa no nitranga, ka diso fanantenana ianareo izao. Lasa tsy miray saina intsony ianareo fa miray trano sisa!

Mbola azo avotana anefa ny tokantranonareo. Andeha aloha hojerentsika ny anton’ilay zava-manahirana.

INONA NO MAHATONGA AN’ILAY OLANA?

Miatrika ny tena fiainana amin’izay ianareo. Tsy mora ny manenjika asa sady mitaiza. Manahirana koa ny havam-bady. Misy koa ny zavatra tsy ampoizina, toy ny fianakaviana marary na olana ara-bola. Mety hampisy olana eo aminareo mivady daholo izany.

Tsy mitovy mihitsy ianareo roa. Amin’ny fomba firesaka angamba izany, na fitantanam-bola, na fandaminana olana. Tsy nampaninona anareo ilay izy tamin’ny mbola tsy nivady. Izao anefa izany hoatran’ny tsy zakanareo intsony!

Tsy miraiki-po intsony ianareo. Mitana lolompo an’izay teny maharary na fihetsika manafintohina nataon’ny vadiny ny olona sasany. Eo koa ny adiady mbola tsy voalamina. Tsy tena mifamboraka ny ao am-pony intsony àry izy ireo. Misy aza lasa miraiki-po amin’olon-kafa mihitsy.

Nanantena be loatra ianao. Mieritreritra ny olona sasany fa tena natao ho azy mihitsy ilay olona ho vadiny. Mety hahafinaritra aloha izany nefa koa mety hiteraka olana. Tena diso fanantenana mantsy izy raha vao misy olana mipoitra. Lasa mihevitra izy hoe tsy nahay nifidy, nefa io ihany ilay olona noheveriny fa “mifanentana be” aminy.

 INONA NO AZONAO ATAO?

Ny toetra tsaran’ny vadinao ifantohana. Andramo izao: Mitadiava toetra tsara telo ananan’ny vadinao. Soraty ao ambadiky ny sary mariazinareo izany na ao amin’ny telefaoninao. Jereo matetika ilay izy mba hotadidinao ny antony nitiavanao azy. Hahay handefitra kokoa ianao raha mifantoka amin’ny toetra tsarany, ka hilamina ny tokantranonareo.—Toro lalan’ny Baiboly: Romanina 14:19.

Manokàna fotoana mba hiarahana. Azo inoana fa tena tianareo ny nampiaraka taloha. Sady vaovao taminareo ilay izy no nahafinaritra anareo. Matetika àry ianareo no nifanao fotoana. Koa maninona raha averina ny taloha? Mandehana indray mampiaraka, dia mba manaova zavatra miavaka kely. Hifankatia kokoa ianareo amin’izay, ka hahay hizaka an’izay olana mety hitranga.—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 5:18.

Resaho izay tsapanao fa aza kobonina. Nankarary ny fonao ve ny tenin’ny vadinao na ny nataony? Sao dia mba azonao hadinoina fotsiny ilay izy? Raha tsy vitanao anefa izany dia fadio ilay hoe tsy mifampiteny. Aleo kosa resahina moramora ilay izy, ka ezaho halamina amin’iny andro iny ihany.—Toro lalan’ny Baiboly: Efesianina 4:26.

Tadidio fa tsy fanahy iniany ny hampalahelo anao. Ianao koa azo antoka fa tsy hanao fanahy iniana handratra ny fony. Manaova azafady foana anefa raha sendra nampalahelo ny vadinao ny zavatra nataonao. Ifampiresaho avy eo izay azonareo atao mba tsy hiverenan’ilay olana intsony. Araho ilay torohevitra hoe: ‘Aoka ianareo ho tsara fanahy amin’ny namanareo avy, ka hangoraka sy hifamela heloka tanteraka.’—Efesianina 4:32.

Nankarary ny fonao ve ny tenin’ny vadinao na ny nataony? Sao dia mba azonao hadinoina fotsiny ilay izy?

Aza manantena be loatra. Efa nilaza ny Baiboly fa “hanam-pahoriana” ireo manambady. (1 Korintianina 7:28) Aza tonga dia mieritreritra àry hoe diso ianao nanambady azy, rehefa sendra misy olana. Miezaha kosa hifandamina, ka “mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka.”—Kolosianina 3:13.