Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 8

Fomba Iatrehana Fahoriana Mafy

Fomba Iatrehana Fahoriana Mafy

‘Miravoravo fatratra ianareo, na dia tsy maintsy ampalahelovina vetivety amin’ny fitsapana maro samihafa aza.’—1 Petera 1:6

Marina fa miezaka mafy ianao mba hahasambatra ny tokantranonao. Mety hisy zava-mitranga tsy ampoizina anefa, ka hampanjombona ny fiainana. (Mpitoriteny 9:11) Tia antsika Andriamanitra ka manampy antsika rehefa misy olana. Raha manaraka ny toro lalan’ny Soratra Masina ato amin’ity fizarana ity ianareo, dia ho afaka hiatrika olana, eny fa na dia ny olana mafy indrindra aza.

1 MIANTEHERA AMIN’I JEHOVAH

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? “Apetraho aminy daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.” (1 Petera 5:7) Tadidio foana fa tsy Andriamanitra no mahatonga ny fijalianao. (Jakoba 1:13) Hanome anao ny fanampiana tsara indrindra izy, raha manatona azy ianao. (Isaia 41:10) ‘Aoka ianao hamboraka aminy ny ao am-ponao.’—Salamo 62:8.

Hampahery anao koa ny mamaky sy mianatra Baiboly isan’andro. Ho tsapanao fa “mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra” i Jehovah. (2 Korintianina 1:3, 4; Romanina 15:4) Mampanantena izy fa hanome anao “ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra.”—Filipianina 4:6, 7, 13.

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Mivavaha mba hampian’i Jehovah ho tony foana sy hisaina tsara

  • Jereo daholo izay azo atao, ary izay tsara indrindra no ataovy

2 KARAKARAO NY TENANAO SY NY MPIANAKAVINAO

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? “Ny fon’ny mahira-tsaina miezaka hahazo fahalalana, ary ny sofin’ny hendry te hihaino fahalalana.” (Ohabolana 18:15) Fantaro tsara izay tena ilain’ny mpianakavinao tsirairay. Miresaha amin’izy ireo ary mihainoa azy.—Ohabolana 20:5.

Ary ahoana raha misy mpianakavy maty? Aza misalasala maneho ny alahelonao. Tadidio fa na i Jesosy aza nitomany. (Jaona 11:35; Mpitoriteny 3:4) Tena ilaina koa ny maka aina tsara sy miezaka ho ampy torimaso. (Mpitoriteny 4:6) Ho mora kokoa amin’izay ny miatrika an’ilay toe-javatra mampalahelo.

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Miezaha ho zatra miresaka amin’ny mpianakavinao, dieny mbola tsy miatrika fahoriana mafy ianareo. Amin’izay izy ireo tsy hisalasala hiresaka aminao rehefa misy olana

  • Miresaha amin’ny olona efa niatrika olana mitovy amin’ny anao

3 MANGATAHA FANAMPIANA

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady toy ny rahalahy natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana.” (Ohabolana 17:17) Te hanampy anao ny namanao, nefa mety tsy ho fantany izay tokony hatao. Aza misalasala milaza amin’izy ireo izay tena ilainao. (Ohabolana 12:25) Mangataha koa fanampiana ara-baiboly avy amin’ny olona mahay tsara ny Soratra Masina. Hanampy anao ny tari-dalana omen’izy ireo avy ao amin’ny Baiboly.—Jakoba 5:14.

Hahazo fanampiana ianao raha miaraka matetika amin’ny olona tena mino an’Andriamanitra sy mino ny fampanantenany. Tena hampahery anao koa ny manampy ny olona mila fampaherezana. Resaho amin’izy ireo ny finoanao an’i Jehovah sy ny fampanantenany. Manaova zavatra foana ka ampio ireo mila ampiana. Aza mihatakataka amin’ireo olona tia anao sy miahy anao.—Ohabolana 18:1; 1 Korintianina 15:58.

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Miresaha amin’ny namana akaiky iray ary avelao izy hanampy anao

  • Lazao mazava tsara izay ilainao