Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INONA NO TENA MAHASAMBATRA?

Be Fitiavana

Be Fitiavana

TENA MILA FITIAVANA NY OLONA. Io no manampy ny mpivady sy ny fianakaviana ary ny mpinamana hifandray tsara. Tena mila azy io àry ny olona raha te ho salama saina sy ho sambatra. Fa inona no atao hoe “fitiavana”?

Karazana fitiavana ambony kokoa no tiana horesahina eto fa tsy ilay fitiavana eo amin’ny lahy sy ny vavy, na dia zava-dehibe koa aza izany. Mahatonga ny olona iray tsy ho tia tena izy io, fa hitady izay hahasoa ny hafa aloha. Baikoin’ny toro lalana izy io, ary tsara fanahy sy miraiki-po amin’ny hafa ny olona manana azy.

Hoy ny 1 Korintianina 13:4-8: “Ny fitiavana mahari-po sy tsara fanahy. Ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady izay hahasoa ny tenany, tsy mora tezitra, tsy mitana lolompo, tsy mifaly noho ny tsy fahamarinana fa mifaly noho ny fahamarinana kosa, mandefitra ny zava-drehetra, ... manantena ny zava-drehetra, miaritra ny zava-drehetra. Tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana.”

“Tsy ho levona mandrakizay” izy io, izany hoe hisy foana. Mety hihamitombo io fitiavana io arakaraka ny fandehan’ny fotoana. “Fatorana mampiray tonga lafatra” koa ny fitiavana, satria mahari-po sy tsara fanahy ary mamela heloka. (Kolosianina 3:14) Hifandray tsara foana ny olona manam-pitiavana, na dia samy tsy lavorary aza izy ireo. Diniho, ohatra, ny fifandraisan’ny mpivady.

“FATORANA MAMPIRAY TONGA LAFATRA”

Nampianatra toro lalana tena mahasoa ny mpivady i Jesosy Kristy. Nilaza, ohatra, izy hoe: “‘Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roa’ ... Aoka àry izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.” (Matio 19:5, 6) Misy toro lalana roa lehibe hitantsika eo, fara fahakeliny.

“HO NOFO IRAY IHANY IZY ROA.” Ny mpivady no olona mifandray akaiky indrindra. Ho voaro izy ireo raha mifankatia, satria tsy atahorana hanitsakitsa-bady, na ho lasa “vatana iray” amin’olon-kafa. (1 Korintianina 6:16; Hebreo 13:4) Lasa tsy mifampatoky mantsy izy ireo raha mitranga izany, ary mety ho rava ny tokantranony. Ny ratsy kokoa aza dia hoe mety tsy hilamin-tsaina ny zanany, na hieritreritra hoe tsy tian’izy mivady, na hitana lolom-po mihitsy.

“IZAY NAMPIRAISIN’ANDRIAMANITRA ZIOGA.” Masina koa ny fanambadiana. Hiezaka hifandray tsara foana ny mpivady raha manaiky an’izany. Tsy hitady fomba hisarahana izy ireo rehefa misy olana. Mafy orina mantsy ny fitiavany sady tsy mety lefy. “Miaritra ny zava-drehetra” io fitiavana io, ka manampy azy ireo hamaha olana. Milamina foana àry ny tokantranony.

Tena mandray soa ny ankizy rehefa mifankatia ny ray aman-dreniny. Hoy i Jessica: “Tena mifankatia sy mifanaja ny dadanay sy mamanay. Lasa te ho hoatran’i Neny aho, rehefa mahita azy manaja an’i Dada.”

Ny fitiavana no toetran’Andriamanitra lehibe indrindra. Milaza ny 1 Jaona 4:8 fa “Andriamanitra dia fitiavana.” Tsy mahagaga àry raha antsoina koa hoe “Andriamanitra falifaly” i Jehovah. (1 Timoty 1:11) Ho falifaly koa isika raha miezaka manahaka ny toetran’ny Mpamorona antsika, indrindra fa ny fitiavana. Hoy ny Efesianina 5:1, 2: “Aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo, amin’ny maha zanaka malala anareo. Ary mandehana mandrakariva amin’ny fitiavana.”