Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FANAMBADIANA

Hajao Foana ny Voadim-panambadianao

Hajao Foana ny Voadim-panambadianao

OLANA

Nanao voady ianao tamin’ianao natao mariazy. Nilaza ianao tamin’izay fa ho tianao foana ny vadinao na inon-kidona na inon-kihatra.

Nifamaly matetika anefa ianareo rehefa nandeha ny fotoana, ka lasa tsy nifankatia be intsony. Mbola vonona hanaja ny voadim-panambadianao ve ianao?

TSARA HO FANTATRAO

Toy ny vatofantsika ny voadim-panambadiana, satria miaro ny fanambadiana tsy ho rava

Miaro anareo ny voadim-panambadiana. Maro no misalasala raha tena ilaina ny voadim-panambadiana na tsia. Misy mieritreritra hoe toy ny rojo vy mangeja azy izy io. Toy ny vatofantsika anefa izy io, raha ny marina, satria miaro ny fanambadianao tsy ho rava. Hoy ny vehivavy iray atao hoe Megan: “Raha fantatrao hoe tsy mivadika amin’ny voadim-panambadianareo ianareo mivady, dia tsy hanahy mihitsy ianao hoe hisaraka aminao izy, na dia miady aza ianareo.” * Marina aloha fa mety tsy handeha amin’ny laoniny ny zavatra sasany. Hiezaka hamaha olana anefa ianareo raha matoky hoe mafy orina ny fanambadianareo.—Jereo ilay efajoro hoe “ Aza Mivadika Amin’ny Vadinao.”

Fehiny: Tokony hiezaka hanaja ny voadim-panambadianao ianao rehefa misy olana ao an-tokantrano. Amin’ny fomba ahoana?

INONA NO AZONAO ATAO?

Diniho hoe ahoana no fiheveranao ny fanambadiana. Mahatsiaro ho voageja ve ianao sa mahatsiaro ho voaro rehefa mieritreritra an’ilay hoe: “Ny fanambadiana toy ny lamban’akoho ka faty no isarahana”? Mieritreritra ny hisaraka ve ianao isaky ny misy olana? Ataovy an-tsaina hoe fiarahana maharitra ny fanambadiana, dia ho vitanao ny hanaja foana ny voadim-panambadianao.—Toro lalan’ny Baiboly: Matio 19:6.

Fantaro raha misy vokany aminao ny zavatra niainanao. Hoy i Lea: “Nisaraka ny ray aman-dreniko tamin’izaho mbola kely, ka matahotra aho sao tsy ho zava-dehibe amiko koa ny voadim-panambadiana.” Matokia anefa fa tsy voatery hamerina ny fahadisoan’ny ray aman-dreninao ianao.—Toro lalan’ny Baiboly: Galatianina 6:4, 5.

Avadibadiho impito ny lela. Na mifamaly be aza ianareo dia aza miteny zavatra mety hanenenanao, ohatra hoe: “Izaho angaha tsy hahita olon-kafa!” na “Nanenenako mihitsy ny nanambady anao!” Manao tsinontsinona ny voadim-panambadianao ianao raha miteny toy izany. Tsy vahaolana koa izany, fa vao mainka mahatonga anareo hifanao teny maharary fotsiny. Azo atao kosa ny miteny toy izao: “Samy tezitra be mihitsy aloha isika teo e. Fa maninona raha mba miara-mitady vahaolana?”—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 12:18.

Ataovy fantatry ny olona hoe tianao ny vadinao. Asio sarin’ny vadinao ao amin’ny biraonao. Zavatra tsara momba ny tokantranonao koa resahina. Miezaha hiantso ny vadinao amin’ny telefaonina isan’andro, raha tsy eo an-toerana ianao. Ampiasao matetika ny teny toy ny hoe “izahay” na “izahay mivady” rehefa miresaka amin’olona. Ho hitan’ny olona hoe tsy mivadika amin’ny vadinao ianao raha manao an’ireo.

Jereo hoe iza no azonao tahafina. Miresaha amin’ireo mpivady nahavita niatrika olana. Anontanio izy ireo hoe: “Hoatran’ny ahoana izany manaja ny voadim-panambadiana izany? Inona no vokatr’izany teo amin’ny tokantranonareo?” Handray soa ianao raha mangataka torohevitra amin’ireny olona sambatra am-panambadiana ireny. Hoy mantsy ny Baiboly: “Ny vy no mampaharanitra ny vy, ary olona ihany koa no mampaharanitra ny tarehin’ny olona.”—Ohabolana 27:17.

^ feh. 7 Milaza ny Baiboly fa afaka misaraka amin’ny vadiny ny olona iray, raha nijangajanga taminy ny vadiny. Jereo ilay lahatsoratra hoe “Inona no Lazain’ny Baiboly? Fanitsakitsaham-bady”, ato amin’ity Mifohaza! ity.