Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Torohevitra Hahasambatra ny Fianakaviana

Sarotra ny Taona Voalohany Amin’ny Fanambadiana

Sarotra ny Taona Voalohany Amin’ny Fanambadiana

Hoy ny lehilahy iray: “Tsy nampoiziko hoe tena tsy mitovy tadin-dokanga mihitsy izahay mivady! Tia mifoha aloha, ohatra, aho fa izy kosa tia matory maraina. Tsy azoko mihitsy izy, satria mbetika faly mbetika tezitra! Kianiny koa aho rehefa mahandro sakafo, indrindra rehefa mamafa tanana amin’ny lamba famafam-bilia.”

Hoy ny vadiny: “Tsy dia be teny ny vadiko. Efa zatra ny tany an-trano anefa aho. Miresaka be izahay, indrindra rehefa misakafo. Rehefa mahandro koa ny vadiko, dia ny lamba famafam-bilia ihany no amafany tanana. Mahasosotra ahy izany! Tsy azoko mihitsy ny lehilahy kah! Ahoana àry no mahasambatra ny tokantranon’ny olona?”

RAHA mpivady vao ianareo, miatrika olana toy izany koa ve? Misy kilema na fahazaran’ny vadinao ve hoatran’ny tsy hitanao mihitsy tamin’ny ianareo vao niaraka? Ahoana no hataonareo mba tsy hampiferinaina anareo loatra ny ‘fijaliana amin’ny fiainana andavanandro’ mpahazo an’ireo manambady?—1 Korintianina 7:28, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara.

Aza manantena aloha hoe ho hainareo avy hatrany ny andraikitry ny olona manambady. Azo inoana fa efa nahay nifandray tamin’olona ianareo tamin’ny mbola mpitovo, ary mety ho nihatsara izany rehefa niaraka ianareo. Rehefa ao an-tokantrano anefa ianareo vao tena mila mampihatra an’izany, ary mila mianatra toetra vaovao koa. Hanao fahadisoana ve ianareo? Mazava ho azy. Ho ampy fahaizana àry ve ianareo mba hampandeha ny tokantranonareo? Azo atao tsara izany!

Raha misy zavatra tianao ho hay, dia tsara ny manontany manam-pahaizana momba izany, ary mampihatra ny toroheviny. I Jehovah Andriamanitra no manam-pahaizana indrindra momba ny fanambadiana. Izy mihitsy aza no namorona ny olona mba haniry hanambady. (Genesisy 2:22-24) Afaka manampy anareo ny Teniny mba hiatrika ireo zava-tsarotra mandritra ny taona voalohany maha mpivady anareo, ary koa hampaharitra ny fanambadianareo. Ireto avy no fahaizana ilainareo amin’izany:

FAHAIZANA 1. MIFAMPIERÀ VAO MANAO ZAVATRA

Inona no olana?

Hadinon’i Keiji, * lehilahy any Japon, indraindray hoe misy vokany amin’ny vadiny ny fanapahan-kevitra raisiny. Hoy izy: “Tonga dia manaiky aho rehefa asain’ny olona, fa tsy miera amin’ny vadiko. Tsy mety aminy anefa ilay fotoana avy eo.” Hoy i Allen, any Aostralia: “Nihevitra aho hoe hoatran’ny tsy tena lehilahy raha miera amin’ny vadiko, rehefa hanapa-kevitra.” Ny fomba nitaizana azy no nahatonga izany. Hoy koa i Dianne, any Grande-Bretagne: “Zatra nanontany ny havako aho rehefa nila torohevitra. Izy ireo foana àry no nanontaniako, fa tsy ny vadiko.”

Inona no vahaolana?

Tadidio fa “nofo iray” no iheveran’i Jehovah Andriamanitra ny mpivady. (Matio 19:3-6) Aminy dia ny fatorana mamehy ny mpivady no mafy indrindra amin’ny fifandraisan’ny samy olona! Tena ilaina ny mifampiresaka tsara raha tiana ho mafy foana io fatorana io.

Tena afaka miana-javatra avy amin’ny fomba nifampiresahan’i Jehovah tamin’i Abrahama ny mpivady. Vakio ange ny resak’izy ireo ao amin’ny Genesisy 18:17-33 e! Mariho fa nanaja an’i Abrahama tamin’ny lafiny telo i Jehovah. 1) Nohazavainy izay nokasainy hatao. 2) Nihaino izy rehefa nilaza ny heviny i Abrahama. 3) Vonona hanaiky ny hevitr’i Abrahama foana izy, raha mbola azony natao. Ahoana no azonao ampiharana an’ireo rehefa miresaka amin’ny vadinao?

ANDRAMO IZAO: Rehefa mifampidinika an’izay tokony hatao ianareo, dia 1) hazavao ny hevitrao, saingy lazao hoe soso-kevitra fotsiny izany fa mbola tsy misy hevitra tapaka, ary aza mitady hanery azy. 2) Asaivo milaza ny heviny izy, ary tadidio fa tsy voatery hitovy hevitra ianareo. 3) ‘Mahaiza mandanjalanja’ ka ekeo ny fanirian’ny vadinao, raha mbola azo atao.—Filipianina 4:5.

FAHAIZANA 2. LANJALANJAO NY TENINAO

Inona no olana?

Mety ho zatra mivantambantana ianao na hentitra be rehefa miteny, noho ny fanabeazana azonao. Hoy, ohatra, i Liam, lehilahy any Eoropa: “Izahay tsy miolakolaka izany rehefa milaza zavatra, ka matetika izany no mahatezitra ny vadiko. Nila nianatra ny halemy fanahy kokoa aho.”

Inona no vahaolana?

Tadidio fa tsy voatery ho tian’ny vadinao ny fomba firesaka nahazatra anao. (Filipianina 2:3, 4) Azon’ny mpivady vao ampiharina koa ny torohevitry ny apostoly Paoly ho an’ilay misionera atao hoe Timoty. Hoy izy: “Tsy tokony hiady ny mpanompon’ny Tompo, fa halemy fanahy”, na “hahay handanjalanja”, araka ny teny grika tany am-boalohany. (2 Timoty 2:24; fanamarihana ambany pejy) Mahay mandanjalanja ianao raha mitandrina tsara rehefa misy zavatra mety hanafintohina ny hafa.

ANDRAMO IZAO: Rehefa sosotra amin’ny vadinao ianao, dia alao sary an-tsaina hoe miresaka amin’ny namanao na mpampiasa anao. Mbola hivatravatra na hanao teny maharary ve ianao? Eritrereto avy eo hoe nahoana ianao no tokony hanaja sy hitandrina kokoa rehefa miresaka amin’ny vadinao.—Kolosianina 4:6.

FAHAIZANA 3. IANARO NY ANDRAIKITRAO VAOVAO

Inona no olana?

Mety mbola tsy hahay hitondra tokantrano ny lehilahy amin’ny voalohany, ary mety tsy hitandrina loatra ny vehivavy rehefa maneho ny heviny. Hoy, ohatra, i Antonio, any Italia: “Tsy mba nanontany an’i Neninay mihitsy i Dadanay rehefa hanapa-kevitra. Hoatran’ny nanjakazaka be tamin’ny vadiko àry aho, tamin’ny voalohany.” Hoy koa i Debbie, any Kanada: “Noteneniko ny vadiko mba hadio sy hilamina. Nandidididy be anefa aho ka vao mainka izy tsy nanaiky.”

Inona no vahaolana ho an’ny lehilahy?

Milaza ny Baiboly fa tokony hanaiky ny vadiny ny vehivavy, ary tokony hankatò ray aman-dreny ny ankizy. (Kolosianina 3:20; 1 Petera 3:1) Afangaron’ny lehilahy sasany ireo. Milaza anefa ny Baiboly fa “hikambana amin’ny vadiny” ny lehilahy, “ary ho nofo iray ihany izy roa.” (Matio 19:5) Tsy izany kosa no lazainy momba ny ray aman-dreny sy zanaka. Hazavain’i Jehovah fa famenon’ny vadiny, na ilany, ny vehivavy. (Genesisy 2:18) Tsy milaza mihitsy izy hoe famenon’ny ray aman-dreniny ny zanaka. Araka ny hevitrao, manaja ny fandaharan’Andriamanitra ve ny lehilahy raha ataony toy ny ankizy ny vadiny?

Ampirisihin’ny Baiboly ianao mba hitondra ny vadinao toy ny nitondran’i Jesosy ny fiangonana. Ho mora kokoa amin’ny vadinao ny hanaiky anao ho loham-pianakaviana raha 1) tsy manantena be ianao hoe tonga dia hanaiky anao tanteraka izy, ary 2) tianao toy ny tenanao izy, na dia misy olana aza.—Efesianina 5:25-29.

Inona no vahaolana ho an’ny vehivavy?

Ekeo fa ny vadinao no notendren’Andriamanitra hitarika anao. (1 Korintianina 11:3) Manaja an’Andriamanitra ianao raha manaja ny vadinao. Raha manda ny fahefan’ny vadinao ianao, dia tsy izy ihany no lavinao fa Andriamanitra sy ny fitsipiny koa.—Kolosianina 3:18.

Rehefa miresaka olana lehibe, dia izany no ifantohy fa aza manakiana ny toetran’ny vadinao. Izany, ohatra, no nataon’i Estera rehefa tiany handamina tsy rariny i Ahasoerosy Mpanjaka, vadiny. Tsy nanome tsiny ny vadiny izy, fa nanaja tsara rehefa naneho ny heviny. Nanaiky àry i Ahasoerosy, ka nanao zavatra ara-drariny. (Estera 7:1-4; 8:3-8) Ho tia anao bebe kokoa ny vadinao raha 1) mba andeferanao izy mandra-pahaizany ny andraikiny vaovao, ary 2) hajainao na dia manao diso aza.—Efesianina 5:33.

ANDRAMO IZAO: Izay fanitsiana mila ataonao no tadidio fa tsy izay mila ataon’ny vadinao. Ry lehilahy: Raha tezitra aminao ny vadinao satria tsy mandray andraikitra na tsy mahay mandray andraikitra ianao, dia anontanio izy hoe inona no lafiny tokony hohatsarainao, ary soraty ny toroheviny. Ry vehivavy: Raha tsapan’ny vadinao fa tsy manaja azy ianao, dia anontanio izy hoe inona no tokony hataonao, ary soraty ny soso-keviny.

Aza manantena be loatra

Eritrereto ny olona mianatra mitondra bisikileta. Mety hianjera matetika izy mandra-pahainy. Toy izany koa ny mpivady vao. Mety hanao fahadisoana imbetsaka ianareo, nefa ho hainareo ihany ny andraikitrareo. Ho sambatra sy hahafinaritra ny tokantranonareo amin’izay.

Miezaha foana ho tia vazivazy. Aleo ihomehezana fotsiny ny fahadisoanao indraindray, na dia tsy tokony hohamaivaninao aza ny zavatra mampanahy ny vadinao. Mitadiava fomba hampifaliana azy mandritra ny taona voalohany amin’ny fanambadianareo. (Deoteronomia 24:5) Ambonin’ny zava-drehetra, dia araho ny tari-dalan’ny Tenin’Andriamanitra. Amin’izay ny fatoram-panambadianareo hihamafy foana isan-taona.

^ feh. 9 Novana ny anarana sasany.

ERITRERETO IZAO:

  • Ny vadiko ve no tena ilazako izay manahirana ahy, sa aleoko manatona olon-kafa?

  • Inona tamin’izay nataoko omaly no ahitana fa tiako sy hajaiko ny vadiko?