Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Fanambadiana

Fanambadiana

Ahoana no tokony hiheverana ny fanambadiana?

‘Aoka izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.’—Matio 19:6.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Amin’Andriamanitra, dia masina ny fanambadiana fa tsy hoe zavatra tsy dia manan-danja. Hoy ny Baiboly: ‘Hatrany am-piandohan’ny famoronana, dia “lahy sy vavy no nanaovan’Andriamanitra ny olona. Noho izany, ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny, ary ho nofo iray ihany izy roa.” Aoka àry izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.’ *Marka 10:6-9; Genesisy 2:24.

Ilay hoe “nampiraisin’Andriamanitra” akory tsy midika fa izy no mandahatra izay ho vadin’ny olona iray, fa kosa hoe izy no namorona ny fanambadiana. Zavatra tsy azo hamaivanina mihitsy àry ny fanambadiana, ka tokony hihevitra ny tokantranony ho masina ny mpivady. Raha mitadidy an’izany izy ireo dia tsy hieritreritra ny hisaraka mihitsy, fa hiezaka foana mba tsy ho rava ny tokantranony. Hifankatia foana koa ry zareo raha samy manaraka ny torohevitry ny Baiboly ho an’ny lehilahy sy vehivavy manambady.

 Inona ny andraikitry ny lehilahy?

“Ny lehilahy no lohan’ny vadiny.”—Efesianina 5:23.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Tsy handeha tsara ny fiainam-pianakaviana, raha tsy misy olona iray mpandray fanapahan-kevitra. Andraikitry ny lehilahy izany, hoy ny Baiboly. Tsy tokony hanjakazaka na hampijaly ny vadiny anefa izy. Tsy mety koa raha miala andraikitra izy, ka lasa mavesatra loatra ny adidin’ilay vadiny. Manjary tsy hanaja azy ilay vehivavy raha izay. Inona àry no takin’Andriamanitra amin’ny lehilahy? Mila miasa mafy izy mba hamelomana ny vadiny. Mila manome voninahitra azy koa izy, ka ny vadiny no ataony namany akaiky sy atokisany indrindra. (1 Timoty 5:8; 1 Petera 3:7) ‘Tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ny lehilahy.’—Efesianina 5:28.

Matoky ny fahaizan’ny vadiny sy mankasitraka ny zava-bitany ny lehilahy tia vady. Mihaino ny hevitr’ilay vehivavy koa izy, indrindra mahakasika ny ao an-trano, fa tsy hoe izay tiany foana no atao na dia izy aza no loham-pianakaviana. Rehefa tsy nihaino ny soso-kevitra tsara avy amin’ny vadiny, ohatra, i Abrahama dia hoy i Jehovah: “Henoy ny teniny.” (Genesisy 21:9-12) Nanaiky àry i Abrahama, ka nilamina ny fiainan’izy ireo sady notahin’i Jehovah.

Inona kosa ny andraikitry ny vehivavy?

“Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo.”—1 Petera 3:1.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Taloha kelin’ny namoronany vady ho an’i Adama dia hoy i Jehovah: “Tsy tsara raha irery foana ralehilahy. Hanao mpanampy ho azy aho, ho famenony.” (Genesisy 2:18) Lasa ampy tsara ny zavatra iray rehefa eo ny famenony. Tsy nataon’Andriamanitra hitovy amin’ny lehilahy àry ny vehivavy na hifaninana aminy, fa kosa hameno ny tsy ampy aminy. Afaka manatanteraka ny fikasan’Andriamanitra hoe hiteraka sy hameno ny tany izy mivady amin’izay.—Genesisy 1:28.

Nataon’Andriamanitra hafa mihitsy ny vatana sy ny saina ary ny fihetseham-pon’ny vehivavy, mba hahavitany ny andraikiny. Raha ampiasainy tsara izany mba hanampiana ny vadiny, dia ho sambatra ny tokantranony. Tena ho faly ilay lehilahy amin’izay, sady hahatsapa hoe misy mpanohana. Amin’Andriamanitra dia mendrika hoderaina ny vehivavy hendry sy be fitiavana toy izany. *Ohabolana 31:28, 31.

^ feh. 5 Tsy raran’ny Baiboly ny fisaraham-panambadiana raha nijangajanga ny iray amin’izy mivady.—Matio 19:9.

^ feh. 14 Misy hevitra mahasoa koa amin’ireo lahatsoratra hoe “Ho An’ny Fianakaviana”, ao amin’ny Mifohaza!