Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Torohevitra Hahasambatra ny Fianakaviana

Mbola Hifampatoky Indray ve Izahay?

Mbola Hifampatoky Indray ve Izahay?

Solofo: * “Tsy nampoiziko mihitsy hoe i Ando ve dia nahavita nanitsakitsaka ahy. Tsy natoky azy intsony aho. Tena saika tsy vitako ny nanadino an’ilay izy.”

Ando: “Efa aman-taonany tatỳ aoriana vao natoky ahy indray i Solofo. Rariny aloha ilay izy e! Fa nila niezaka be mihitsy aho.”

MILAZA ny Baiboly fa afaka mifidy ny olona iray hoe hisaraka na tsia, raha nanitsakitsaka azy ny vadiny. * (Matio 19:9) Tsy nisaraka i Ando sy Solofo, fa naleony nanavotra ny tokantranony. Hitan’izy ireo anefa fa tsy nandeha ho azy ny fiainany taorian’izay. Lasa tsy nifampatoky intsony mantsy ry zareo, nefa tena ilaina izany mba hahasambatra ny tokantrano. Tsy maintsy niezaka àry izy mivady.

Manana olana hoatr’izany koa ve ianao sy ny vadinao? Miezaka be koa angamba ianareo, ary azo antoka fa tsy mora izany. Ny volana voalohandohany ipoahan’ilay izy no tena mafy indrindra, nefa matokia fa ho tafavoaka ihany ianareo. Ahoana àry no hahatonga anareo hifampatoky indray? Misy torohevitra efatra hanampy anareo ireto:

1 Tsory daholo ny marina.

Hoy ny apostoly Paoly: “Efa narianareo ny lainga, dia milazà ny marina.” (Efesianina 4:25) Lasa tsy matoky anao ny vadinao raha tsy mitantara an’ilay izy mihitsy ianao, na mandainga, na tsy milaza ny marina rehetra. Mila mifampiresaka tsara àry ianareo fa tsy tokony hifanafinafina.

Mety tsy te hiresaka an’ilay izy mihitsy ianao sy ny vadinao amin’ny voalohany. Tokony horesahinao tsara aminy anefa izay nitranga rehefa mandeha ny fotoana. Marina fa tsy holazainao amin’ny an-tsipiriany ilay izy, nefa tsy tsara raha tsy resahinao mihitsy koa. Hoy i Ando, ilay voaresaka tetsy aloha: “Sarotra be tamiko ny niresaka an’ilay izy, tamin’ny voalohany, sady naharikoriko ahy. Tiako hoe tonga dia hadinoina tsotra izao fotsiny ilay izy, satria tena nanenenako.” Nilaza anefa i Solofo hoe: “Vao mainka aho niahiahy azy satria tsy nety nitantara n’inona n’inona mihitsy izy.” Hitan’i Ando tokoa fa tsy nilamina ny fiainan’izy roa raha tsy niresaka izy.

Marina fa mankarary fo ny miresaka zavatra hoatr’izany, nefa tena ilaina. Nampirafy an’i Domoina, ohatra, i Paul vadiny satria niaraka tamin’ny sekreterany. Hoy i Domoina: “Lasa be foana ny saiko hoe ‘Fa dia nahoana loatra?’, ‘Fa inona no nahatonga an’izao?’, ‘Mba inona no noresahin-dry zareo tany?’ Tsy nety niala tao an-tsaiko ilay izy sady vao mainka nandeha be foana ny eritreritro. Lasa narary fo mihitsy aho.” Niresaka an’ilay izy ihany anefa izy mivady. Hoy i Paul: “Marina aloha fa niady izahay indraindray rehefa niresaka an’ilay izy, nefa samy niala tsiny foana avy eo. Soa ihany izahay fa nifampiresaka ny zava-drehetra satria lasa nifankatia kokoa izahay.”

Ahoana anefa no hataonareo mba tsy hiady ianareo rehefa mifampiresaka? Tadidio hoe ny handray lesona avy amin’ilay zava-nitranga sy ny hampifankatia tsara anareo indray no tanjonareo, fa tsy ny hifanome tsiny. Izany mihitsy no nataon’i Fetra sy Mialy. Nodinihin’izy mivady hoe inona ny olana nahatonga an’i Fetra hijangajanga. Hoy i Fetra: “Izay vao tsapako hoe hay zara raha niaraka tamin’ny vadiko aho. Variana loatra tamin’ny fiainako aho, sady olon-kafa indray no tena nandaniako fotoana. Nilaozako nanampy an-dry zareo sy nanao izay nahafinaritra azy fotsiny.” Rehefa fantatr’izy mivady izany dia niezaka niova ry zareo. Nanampy azy ireo hifankatia be indray izany.

ANDRAMO IZAO: Raha ianao ilay diso, dia aza miaro tena foana na manome tsiny ny vadinao. Ekeo hoe diso ianao ary nampijaly azy. Raha ianao kosa ilay voafitaka, dia aza milelalela amin’ny vadinao na manao teny mandratra azy. Ho sahy hiresaka tsara aminao foana izy amin’izay.—Efesianina 4:32.

2 Aza samy maka ho azy.

Hoy ny Mpitoriteny 4:9, 10: “Tsara ny roa noho ny iray, satria ahazoan’izy ireo valisoa lehibe ny asa mafy ataony. Fa raha lavo ny iray, dia afaka manarina azy ilay namany.” Tena ilaina mihitsy io toro lalana io, indrindra amin’izao ianareo miezaka mafy hifampatoky izao.

Raha samy miezaka ianareo dia hilamina tsara indray ny aminareo. Mila samy tapa-kevitra ny hanavotra ny tokantranonareo anefa ianareo. Vao mainka mantsy hampisy olana hafa indray raha samy maka ho azy ianareo. Tokony hifanohana tsara foana àry ianareo roa.

Izany no nataon’i Solofo sy Ando. Hoy i Ando: “Elaela mihitsy vao niverina tamin’ny laoniny ny fiainanay, fa samy niezaka anefa izahay sy Solofo. Tena tsy handratra ny fony hoatran’iny intsony aho! Na dia nalahelo be koa aza i Solofo dia tsy navelany handrava ny tokantranonay izany. Nitady fomba foana aho isan’andro hampisehoana fa tsy hamitaka azy intsony. Izy koa nampiseho foana fa tia ahy. Mbola hisaorako azy foana izany hatramin’izao.”

ANDRAMO IZAO: Eritrereto hoe toy ny ekipa iray ianareo, ka miaraha miezaka foana mba hahatonga anareo hifampatoky indray.

3 Ovao ny toetranao.

Hoy i Jesosy rehefa avy nampitandrina ny mpihaino azy tsy hanitsakitsa-bady: “Raha ny masonao havanana àry no mahatonga anao hanota, dia esory ka ario lavitra anao.” (Matio 5:27-29) Raha ianao ilay diso, dia diniho hoe inona no toetranao na fihetsikao tokony ‘hesorinao’ na ‘harianao lavitra.’

Tsy tokony hifandray intsony amin’ilay olona nampirafesanao ny vadinao ianao. * (Ohabolana 6:32; 1 Korintianina 15:33) Izany mihitsy no nataon’i Paul. Novany ny ora fiasany sy ny nomeraon’ny findainy mba hialany amin’ilay vehivavy. Mbola tafaresaka tamin’ilay vehivavy ihany anefa izy, ka naleony tsy nampiasa ny findainy intsony fa ny an’ny vadiny ihany. Niala tamin’ny asany mihitsy koa izy satria tena tiany hatoky azy indray ny vadiny. Nisy vokany ve izany? Hoy i Domoina: “Efa enin-taona izay no nitrangan’ilay izy nefa mbola matahotra aho indraindray sao mbola manadala ny vadiko ilay vehivavy. Matoky anefa aho hoe tsy hamitaka ahy intsony i Paul.”

Diniho koa hoe inona ny toetra mila ovanao. Mpanadala vehivavy na lehilahy ve, ohatra, ianao? Manonofy foana ve ianao hoe miaraka amin’ny olona ankoatra ny vadinao? Araho àry ity torohevitra ity: “Esory ny toetra taloha mbamin’ireo fanao niaraka taminy.” Miezaha hanana toetra tsara hahatonga ny vadinao hatoky anao indray. (Kolosianina 3:9, 10) Anehoy fitiavana foana, ohatra, izy na dia tsy fanaonao hatramin’izay aza izany. Mety ho toa tsy hainao ilay izy amin’ny voalohany, nefa miezaha foana manome toky azy hoe tianao izy. Hoy i Solofo: “Matetika i Ando no nanafosafo kely ahy tamin’izany, sady niteny tamiko foana hoe ‘Tiako ianao.’ ”

Mety ho tsara koa raha resahinao amin’ny vadinao izay nataonao rehetra nandritra ny andro. Hoy i Mialy, voalaza tetsy aloha: “Notantarain’i Fetra tamiko daholo izay nataony nandritra ny andro, na dia zavatra tsisy dikany aza. Tiany hoporofoina tamiko tsinona hoe tsy manafina n’inona n’inona amiko izy.”

ANDRAMO IZAO: Mifampiresaha ianareo hoe inona no tsara hataonareo mba hifampatoky indray ianareo. Soraty izany avy eo ary ampiharo. Miaraha koa manao zavatra mahafinaritra anareo matetika.

4 Aza tonga dia manantena hoe hilamina haingana ilay izy.

Aza mieritreritra hoe tonga dia hiverina amin’ny laoniny ny fiainanareo. Milaza mantsy ny Ohabolana 21:5 fa voa mafy “izay rehetra maimaika.” Mila fotoana elaela, mety ho aman-taonany mihitsy aza, ny olona iray vao hatoky ny vadiny indray.

Raha ianao ilay voafitaka, dia aza mieritreritra hoe tsy maintsy mamela ny vadinao eo no ho eo ianao. Ara-dalàna mantsy raha elaela ianao vao mahavita mamela tanteraka sy matoky azy indray. Hoy i Mialy: “Nieritreritra foana aho taloha hoe fa maninona àry ny vehivavy sasany no tsy mety mamela ny vadiny namitaka azy. Tsy azoko mihitsy koa hoe fa maninona izy no tezitra ela be aminy. Rehefa tratra anefa aho vao tsapako hoe nahoana no tena sarotra tokoa ilay izy.”

Milaza anefa ny Mpitoriteny 3:1-3 fa ‘misy fotoana ahasitranana.’ Mety hieritreritra ianao amin’ny voalohany hoe tsara raha tsy resahinao amin’ny vadinao izay ao am-ponao. Raha izany foana anefa no ataonao, dia tsy hilamina mihitsy ny aminareo. Avelao àry ny fahadisoany ka tantarao aminy izay tena ao an-tsainao sy ao am-ponao. Ampirisiho koa izy hiresaka izay zavatra mahafaly sy mampanahy azy.

Aza mieritreritra zavatra mety hahatezitra anao, fa iezaho hadinoina izy ireny. (Efesianina 4:32) Mety hanampy anao ny misaintsaina ny nataon’i Jehovah. Nalahelo be izy rehefa nivadika taminy ny Israelita mpanompony. Nilaza mihitsy i Jehovah tamin’izay fa toy ny olona nofitahin’ny vadiny izy. (Jeremia 3:8, 9; 9:2) ‘Tsy tezitra’ ela be tamin-dry zareo anefa izy. (Jeremia 3:12) Namela heloka izy rehefa hitany hoe tena nibebaka izy ireo.

Hifampatoky tsara ianareo amin’ny farany rehefa hitanareo hoe efa samy niezaka mafy hiova ianareo. Tsy hifantoka be amin’ilay izy intsony ianareo amin’izay, fa mba afaka miara-manatratra tanjona hafa indray. Manokàna ihany anefa fotoana mba hijerena raha efa mihatsara ny fifandraisanareo. Aza mbola matoky be hoe efa mety ny aminareo ka tsy tokony hanao zavatra intsony. Iezaho vahana izay olana madinidinika, ary omeo toky ny vadinao hoe mbola tianao foana izy.—Galatianina 6:9.

ANDRAMO IZAO: Aza mianina fotsiny amin’ny hoe haverina toy ny taloha ny fifandraisanareo, fa ataovy mihitsy izay hahatonga anareo hifankatia kokoa.

Ho vitanareo ilay izy!

Raha mieritreritra ianao indraindray hoe tsy hety intsony ny aminareo, dia tadidio fa Andriamanitra no Mpamorona ny fanambadiana. (Matio 19:4-6) Ho tafavoaka àry ianareo satria hanampy anareo izy. Nanaraka ny torohevitry ny Baiboly daholo ny mpivady voaresaka tato, ka nilamina tsara indray ny tokantranony.

Efa 20 taona mahery izay no nisian’ilay olana teo amin’i Solofo sy Ando. Ahoana no nahatafavoaka azy ireo? Hoy i Solofo: “Rehefa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay vao tena nihatsara ny fifandraisanay. Tena nilainay ilay izy satria nahavitanay niatrika an’ireny fotoan-tsarotra ireny.” Hoy koa i Ando: “Faly be aho fa tafavoaka ihany izahay. Soa ihany izahay fa niara-nianatra Baiboly sy niezaka nampihatra izany, satria lasa mifankatia be indray izao izahay.”

^ feh. 3 Novana ny anarana.

^ feh. 5 Manampy anao hanapa-kevitra ny soso-kevitra ao amin’ny Mifohaza! 8 Mey 1999, pejy 6 sy ny Mifohaza! 8 Oktobra 1995, pejy 26, 27.

^ feh. 17 Marina fa mety ho tafaresaka amin’ilay olona ianao indraindray, ohatra hoe any am-piasana. Rehefa misy zavatra lehibe tsy azo ialana anefa vao tokony hiresaka aminy ianao. Tokony hisy olon-kafa koa eo rehefa miresaka aminy ianao, ary ampahafantaro ny vadinao izany.

ERITRERETO IZAO:

  • Nahoana aho no nanapa-kevitra ny tsy hisaraka na dia efa namitaka ahy aza izy?

  • Inona avy ny toetra tsarany amin’izao?

  • Inona avy no nataoko mba hampisehoana taminy fa tia azy aho tamin’izahay mbola tsy nivady? Ahoana no hamerenako an’izany indray?