Hijery ny anatiny

Hoatran’ny Ahoana i Jesosy?

Hoatran’ny Ahoana i Jesosy?

Valiny ara-baiboly

 Tsy misy mahafantatra hoe hoatran’ny ahoana marina i Jesosy. Tsy miresaka momba ny paoziny mantsy ny Baiboly. Midika izany fa tsy zava-dehibe ny hahafantarana an’izany. Manampy antsika haka sary an-tsaina ihany anefa ny Baiboly hoe hoatran’ny ahoana izy.

  •   Ny tarehiny: Jiosy ny renin’i Jesosy, ka azo antoka fa nitovy tamin’ny reniny izy. (Hebreo 7:14) Azo inoana fa tsy dia niavaka be ny endriny. Niafinafina, ohatra, izy, indray mandeha, rehefa avy any Galilia ho any Jerosalema, ka tsy nisy nahafantatra azy mihitsy ny olona. (Jaona 7:10, 11) Tsy niavaka be tamin’ny mpianany akaiky koa izy. Tsy tonga dia hain’ireo vahoaka hisambotra azy, ohatra, i Jesosy, raha tsy nampahafantarin’i Jodasy Iskariota.—Matio 26:47-49.

  •   Ny halavan’ny volony: Tsy ho lava volo mihitsy i Jesosy, satria milaza ny Baiboly fa “raha lava volo ny lehilahy, dia henatra ho azy izany.”—1 Korintianina 11:14.

  •   Ny volombavany: Nisy volombava i Jesosy. Nankatò an’ity lalàna jiosy natao ho an’ny tovolahy ity izy: “Aza analana ny sisin’ny volombavanao.” (Levitikosy 19:27; Galatianina 4:4) Miresaka momba ny volombavan’i Jesosy koa ny Baiboly, ao amin’ilay faminaniana momba ny fijaliana hanjo azy.—Isaia 50:6.

  •   Ny vatany: Be dia be ny porofo fa natanjaka be i Jesosy. Nahavita nandeha an-tongotra lavitra, ohatra, izy nandritra ny fanompoany. (Matio 9:35) Indroa nanadio ny tempoly koa izy. Nazerany ny latabatry ny mpanakalo vola tamin’izay, ary nisy fotoana noroahiny tamin’ny karavasy ny biby fiompy namidy tao. (Lioka 19:45, 46; Jaona 2:14, 15) Milaza ny Rakipahalalana (anglisy) navoakan’i McClintock sy Strong fa ‘natanjaka sy salama tsara i Jesosy, raha jerena izay voalazan’ny Filazantsara.’​—Boky Faha-5, pejy 884.

  •   Ny endriny: Tsara fanahy sy nangoraka i Jesosy, ary azo antoka fa hita teny amin’ny endriny izany. (Matio 11:28, 29) Olona isan-karazany no nitady azy satria te hampiany sy hampahereziny. (Lioka 5:12, 13; 7:37, 38) Na ny ankizy aza nahazo aina tsara rehefa niaraka taminy.—Matio 19:13-15; Marka 9:35-37.

Hevi-diso momba ny paozin’i Jesosy

 Hevi-diso: Misy mihevitra fa Afrikanina ny razamben’i Jesosy. Milaza, hono, mantsy ny bokin’ny Apokalypsy fa hoatran’ny volonondry ny volony ary hoatran’ny “varahina voadio” ny tongony.—Apokalypsy 1:14, 15.

 Ny tena marina: “Famantarana” no resahina ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. (Apokalypsy 1:1) Fanoharana fotsiny ilay fanazavana momba ny volon’i Jesosy sy ny tongony, fa tsy ara-bakiteny. Tsy ny paozin’i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany mantsy no tiany horesahina, fa ny toetrany taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty. Milaza ilay Apokalypsy 1:14 fa “fotsy mangatsakatsaka tahaka ny volonondry fotsy ny volon-dohany.” Inona no dikan’izany? Tsy te hilaza io andininy io hoe hoatran’ny volonondry ny volon’i Jesosy. Ny lokon’ny volony no ampitahainy amin’ny lokon’ny volonondry. Lazaina hoe “fotsy mangatsakatsaka” ny volony satria efa ela niainana izy ka manam-pahendrena.—Apokalypsy 3:14.

 Hoatran’ny ‘varahina voadio mamirapiratra ao anaty lafaoro’ ny tongotr’i Jesosy. (Apokalypsy 1:15) “Tahaka ny masoandro mamirapiratra” ny tarehiny. (Apokalypsy 1:16) Tsy hisy volon-koditr’olona hoatr’izany mihitsy. Fanoharana fotsiny àry ireo, ary nentina hilazana fa rehefa natsangana tamin’ny maty i Jesosy dia lasa “mitoetra ao amin’ny hazavana tsy hay hatonina.”—1 Timoty 6:16.

 Hevi-diso: Malemilemy kely i Jesosy.

 Ny tena marina: Hita tamin’ny zavatra nataon’i Jesosy hoe tena lehilahy izy fa tsy kanosa. Rehefa tonga hisambotra azy, ohatra, ny vahoaka nitondra fiadiana, dia sahy nilaza izy hoe: ‘Izaho no Jesosy.’ (Jaona 18:4-8) Tsy maintsy hoe natanjaka be koa izy matoa mpandrafitra no asany. Na nampiasa fitaovana aza mantsy izy tamin’izany, dia ny tanana no tena niasa be.—Marka 6:3.

 Nahoana anefa i Jesosy no nila fanampiana tamin’izy nitondra ny hazo fijaliany? Ary nahoana no maty talohan’ireo niara-nofantsihana taminy izy? (Lioka 23:26; Jaona 19:31-33) Vizana be izy talohan’ny namonoana azy. Tsy natory mihitsy mantsy izy nandritra ny alina, satria nitebiteby be sady nampijalijalin’ny Jiosy. Nampijalijaly azy koa ny Romanina ny ampitso marainan’iny. (Matio 26:67, 68; Lioka 22:42-44; Jaona 19:1-3) Izany rehetra izany àry no nahatonga azy ho faty haingana.

 Hevi-diso: Nalahelohelo lava i Jesosy sady tsy mba nitsiky mihitsy.

 Ny tena marina: Milaza ny Baiboly fa “Andriamanitra falifaly” i Jehovah Rain’i Jesosy. Nitovy tanteraka tamin’ny toetran’io Rainy io ny toetran’i Jesosy. (1 Timoty 1:11; Jaona 14:9) Nampianatra ny olona mihitsy aza izy hoe ahoana no hatao raha te ho falifaly sy ho sambatra. (Matio 5:3-9; Lioka 11:28) Hita amin’izany rehetra izany àry fa olona falifaly i Jesosy ary hita teny amin’ny endriny izany matetika.