Apokalypsy 3:1-22

  • Ho an’ny fiangonana any Sardisy (1-6), Filadelfia (7-13), Laodikia (14-22)

3  “Ary soraty ho an’ny anjelin’ny fiangonana atsy Sardisy hoe: Izao no lazain’ilay manana ny fanahy fiton’Andriamanitra+ sy ny kintana fito:+ ‘Fantatro izay ataonao, fa malaza ho velona ianao, nefa maty.+  Miambena+ ka ampaherezo izay sisa tavela efa ho faty, satria hitako fa tsy novitainao* izay tian’Andriamanitra hataonao.  Koa tadidio tsara* izay efa noraisinao sy efa henonao, ary ataovy foana izany ka mibebaha.+ Fa raha tsy mifoha ianao, dia ho avy toy ny mpangalatra+ aho, ary tsy ho fantatrao mihitsy izay ora hahatongavako eo aminao.+  “‘Misy olona* vitsivitsy tsy nandoto ny akanjony anefa ao aminao, ao Sardisy.+ Hiara-mandeha amiko manao akanjo fotsy izy ireo,+ satria mendrika an’izany.  Hampanaovina akanjo fotsy+ àry izay mandresy.+ Dia tsy hovonoiko* ao amin’ny bokin’ny fiainana mihitsy ny anarany,+ fa hekeko eo anatrehan’ny Raiko sy eo anatrehan’ny anjeliny hoe fantatro ny anarany.+  Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny fanahy amin’ny fiangonana.’  “Ary soraty ho an’ny anjelin’ny fiangonana atsy Filadelfia hoe: Izao no lazain’ilay masina,+ ilay marina,+ ilay manana ny lakilen’i Davida,+ ilay manokatra varavarana izay tsy misy afaka manidy ary manidy varavarana izay tsy misy afaka manokatra:  ‘Fantatro izay ataonao, ary efa nasiako varavarana misokatra eo alohanao,+ izay tsy azon’iza na iza hidiana. Fantatro fa mba manana hery kely ihany ianao, sady efa nanaraka ny teniko ka tsy nivadika tamin’ny anarako.  Izao no hataoko amin’ny olona avy amin’ny synagogan’i Satana, izay mihambo ho Jiosy nefa tsy izy akory+ fa mandainga: Hataoko tonga miankohoka eo anoloan’ny tongotrao izy ireo, ary hampahafantariko azy fa efa tia anao aho. 10  Ary satria ianao nanaraka an’izay voalaza momba ny fiaretako,*+ dia hiaro anao koa aho amin’ilay ora fitsapana.+ Ho tonga amin’ny tany manontolo* izany ora izany, mba hitsapana an’izay mipetraka eny ambonin’ny tany. 11  Ho avy haingana aho.+ Tazòny mafy foana àry izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.+ 12  “‘Izay mandresy, dia hataoko andry ao amin’ny tempolin’ny Andriamanitro, ary tsy hiala ao intsony mihitsy izy. Dia hosoratako eo aminy ny anaran’ny Andriamanitro+ sy ny anaran’ny tanànan’ny Andriamanitro, dia i Jerosalema Vaovao+ izay midina avy any an-danitra avy any amin’ny Andriamanitro, ary hosoratako eo koa ilay anarako vaovao.+ 13  Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny fanahy amin’ny fiangonana.’ 14  “Ary soraty ho an’ny anjelin’ny fiangonana atsy Laodikia hoe:+ Izao no lazain’ny Amena,+ ilay vavolombelona+ mendri-pitokisana sy marina,+ ilay noforonin’Andriamanitra voalohany indrindra:+ 15  ‘Fantatro izay ataonao, fa tsy mangatsiaka na mafana ianao. Aleoko aza ianao mangatsiaka na mafana! 16  Satria matimaty ianao, sady tsy mafana+ no tsy mangatsiaka,+ dia haloan’ny vavako. 17  Fa hoy ianao: “Manankarena aho+ ary efa nahazo harena ka tsy mila na inona na inona intsony.” Tsy fantatrao anefa fa ory sy mampalahelo sy mahantra sy jamba ary mitanjaka ianao. 18  Koa manoro hevitra anao aho mba hividy an’ireto atỳ amiko: Volamena voadio tamin’ny afo, amin’izay ianao manan-karena; sy akanjo ivelany fotsy, amin’izay ianao mitafy dia tsy hiseho ny fitanjahanao ka tsy ho menatra ianao;+ ary fanafody maso hikosehana ny masonao,+ amin’izay ianao mahita.+ 19  “‘Izay rehetra iraiketan’ny foko no anariko sy faiziko.+ Miezaha àry hafana fo, dia mibebaha.+ 20  Efa mijoro eto am-baravarana aho izao, ary mandondòna. Raha misy olona maheno ny feoko ka manokatra ny varavarana, dia hiditra ao an-tranony aho ka hiara-misakafo hariva aminy, dia izy koa hiara-mihinana amiko. 21  Izay mandresy+ dia havelako hiara-mipetraka amiko eo amin’ny seza fiandrianako,+ fa izaho koa efa nandresy ka miara-mipetraka+ amin’ny Raiko eo amin’ny seza fiandrianany. 22  Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny fanahy amin’ny fiangonana.’”

Fanamarihana

Na: “tsy nataonao daholo.”
Na: “eritrereto tsara.”
Abt: “anarana.”
Na: “tsy hokosehiko.”
Na: “Ho tonga manerana ny tany misy mponina.”
Na mety hoe “ny modely navelako momba ny fiaretana.”