Hijery ny anatiny

Milaza ny Marina Momba ny Fiainan’i Jesosy ve ny Baiboly?

Milaza ny Marina Momba ny Fiainan’i Jesosy ve ny Baiboly?

Valiny ara-baiboly

 Hoy i Lioka mpanoratra Baiboly, momba ny fitantarany ny fiainan’i Jesosy: “Efa nofotorako tsara hatrany am-piandohana ny zava-drehetra sady efa nohamariniko.”—Lioka 1:3.

 Misy milaza fa tamin’ny taonjato fahefatra dia novana ireo fitantarana momba ny fiainan’i Jesosy, izay hita ao amin’ny boky nosoratan’i Matio, Marka, Lioka, ary Jaona.

 Nisy ampahan’ny boky nosoratan’i Jaona anefa hita tany Ejipta, taoriana kelin’ny taona 1900. Antsoina hoe Papyrus Rylands 457 (P52) izy io, ary tehirizina ao amin’ny Tranomboky John Rylands, any Manchester, any Angletera. Ny Jaona 18:31-33, 37, 38 ao amin’ny Baiboly ankehitriny no hita ao amin’io taratasy io.

 Io no ampahana sora-tanana tranainy indrindra fantatra, amin’ny Soratra Grika Kristianina. Mino ny manam-pahaizana maro fa tamin’ny taona 125 tany ho any izy io no nosoratana, izany hoe 25 taona teo ho eo monja taorian’ny nanoratana an’ilay voalohany. Mila hitovy tanteraka amin’ireo sora-tanana tatỳ aoriana ny soratra ao.