Korintianina Voalohany 11:1-34

  • “Manahafa ahy” (1)

  • Fahefan’izay lohany sy saron-doha (2-16)

  • Fankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo (17-34)

11  Manahafa ahy, hoatran’ny anahafako an’i Kristy.+  Midera anareo aho, satria tsaroanareo aho amin’ny zava-drehetra sady arahinareo tsara ny fampianarana nampitaiko taminareo.  Tiako ho fantatrareo anefa fa i Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra,+ ny lehilahy no lohan’ny vehivavy,+ ary Andriamanitra kosa no lohan’i Kristy.+  Izay lehilahy mivavaka na maminany ka misaron-doha, dia manao izay hahamenatra an’ilay lohany.  Fa izay vehivavy mivavaka na maminany+ ka tsy misaron-doha kosa, dia manao izay hahamenatra an’ilay lohany, satria hoatran’ny vehivavy nokakasana mihitsy izy.  Fa raha tsy misaron-doha ny vehivavy, dia tokony hotapahina fohy kely ny volony. Raha mahamenatra azy anefa ny hoe hotapahina fohy kely ny volony na hokakasana, dia tokony hisaron-doha izy.  Fa tsy tokony hisaron-doha ny lehilahy satria endrika+ sy voninahitr’Andriamanitra izy, fa ny vehivavy kosa voninahitry ny lehilahy.  Tsy ny lehilahy mantsy no avy tamin’ny vehivavy, fa ny vehivavy no avy tamin’ny lehilahy.+  Ankoatra izany, dia tsy noforonina ho an’ny vehivavy ny lehilahy, fa ny vehivavy no noforonina ho an’ny lehilahy.+ 10  Izany no mahatonga ny vehivavy hanao saron-doha, izany hoe hanao mariky ny fanajana fahefana, noho ny amin’ny anjely.+ 11  Eo amin’ireo mpianatry ny Tompo anefa, dia tsy misy ny vehivavy raha tsy eo ny lehilahy, ary tsy misy ny lehilahy raha tsy eo ny vehivavy. 12  Hoatran’ny niavian’ny vehivavy avy tamin’ny lehilahy+ mantsy no niavian’ny lehilahy koa avy tamin’ny vehivavy. Fa avy amin’Andriamanitra kosa ny zava-drehetra.+ 13  Ianareo mihitsy no aoka hitsara: Mety ve raha mivavaka amin’Andriamanitra ny vehivavy ka tsy misaron-doha? 14  Tsy efa voajanahary mihitsy ve ny hoe henatra ho an’ny lehilahy ny lava volo, 15  fa voninahitra ho an’ny vehivavy kosa ny lava volo? Ny volony mantsy no nomena azy hanaronany ny lohany. 16  Raha misy anefa tsy manaiky an’izany fa te hanaraka fanao hafa, dia tsy manana fanao hafa na izahay na ny fiangonan’Andriamanitra. 17  Tsy midera anareo anefa aho raha manome toromarika anareo, satria tsy mitondra soa ho anareo ny fivorianareo, fa vao mainka aza manimba anareo. 18  Voalohany aloha, dia henoko fa misy fisaratsarahana eo aminareo rehefa mivory ny fiangonanareo, ary mino aho hoe marina ihany izany. 19  Fa tsy maintsy hisy hanangana antokom-pinoana* eo aminareo,+ mba hiharihary hoe iza aminareo no ankasitrahana. 20  Rehefa mivory ao amin’ny toerana iray ianareo, dia tsy ny hihinana ny Sakafo Harivan’ny Tompo+ no tena ahatongavanareo. 21  Fa rehefa mihinana an’izany ianareo, dia efa avy nisakafo hariva ny sasany. Misy noana àry aminareo ary misy mamo. 22  Tsy manana trano ihinanana sy isotroana angaha ianareo? Sa ataonareo tsinontsinona ny fiangonan’Andriamanitra, ka ataonareo izay hahamenatra an’ireo tsy mba manana na inona na inona? Inona re no holazaiko aminareo e? Tokony hidera anareo ve aho? Tsy hidera anareo amin’izany aho. 23  Fa izao no noraisiko tamin’ny Tompo ka nampitaiko taminareo koa: Nandray mofo i Jesosy Tompo tamin’iny alina+ hamadihana azy iny. 24  Ary rehefa avy nisaotra an’Andriamanitra izy, dia notapahiny ilay mofo ary hoy izy: “Ity no* vatako+ izay omena ho anareo. Ataovy foana izao ho fahatsiarovana ahy.”+ 25  Toy izany koa no nataony tamin’ny kaopy,+ rehefa avy nihinana ny sakafo hariva izy ireo. Dia hoy izy: “Ity kaopy ity no* fifanekena vaovao+ miorina amin’ny rako.+ Ataovy foana izao ho fahatsiarovana ahy,+ isaky ny misotro amin’izy ity ianareo.” 26  Fa isaky ny mihinana an’izany mofo izany sy misotro amin’izany kaopy izany ianareo, dia manambara foana ny fahafatesan’ny Tompo, mandra-piaviny. 27  Koa na iza na iza mihinana ny mofo na misotro amin’ny kaopin’ny Tompo, nefa tsy mendrika an’izany akory, dia manao tsinontsinona* ny vatan’ny Tompo sy ny rany. 28  Aoka handini-tena tsara aloha ny tsirairay mba hahitany raha mendrika izy na tsia,+ izay izy vao hihinana amin’ny mofo sy hisotro amin’ny kaopy. 29  Fa izay mihinana sy misotro nefa tsy mamantatra tsara ny vatan’ny Tompo, dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an’ny tenany. 30  Izany no mahatonga ny maro aminareo ho osa sy harary, ary betsaka koa no efa maty.*+ 31  Fa tsy hotsaraina isika raha mamantatra tsara ny tenantsika. 32  Rehefa tsaraina anefa isika, dia faizin’i Jehovah*+ mba tsy homelohina miaraka amin’izao tontolo izao.+ 33  Koa rehefa mivory mba hihinana an’izany ianareo, ry rahalahiko, dia aoka hifampiandry. 34  Raha misy noana, dia aoka izy hihinana any an-tranony, mba tsy homelohina+ ianareo rehefa mivory. Fa ny raharaha sisa kosa halamiko rehefa tonga any aho.

Fanamarihana

Na: “sekta.” Jereo F.T.
Grika: estin, izany hoe “midika ho.”
Grika: estin, izany hoe “midika ho.”
Abt: “ho meloka ny amin’ny.”
Azo inoana hoe maty ara-panahy, izany hoe tsy mifandray amin’Andriamanitra intsony.
Jereo F.F. A5.