Salamo 65:1-13

  • Mikarakara ny tany i Jehovah

    • “Mpihaino vavaka” (2)

    • “Sambatra izay fidinao” (4)

    • Tondraka ny hatsaran’i Jehovah (11)

Ho an’ny mpitarika. Salamo nataon’i Davida. Hira. 65  Hoderaina any Ziona+ ianao, Andriamanitra ô!Hanefa ny voady nataonay taminao izahay.+   Ry Mpihaino vavaka ô, ianao no hohatonin’ny karazan’olona* rehetra.+   Tototry ny fahadisoako aho,+Nefa ianao mamela* ny fandikan-dalàna nataonay.+   Sambatra izay fidinao sy asainao manatona anaoMba hipetraka eo an-tokotaninao.+ Hahafa-po anay ny zava-tsoa ao an-tranonao,+Dia ny tempolinao masina.*+   Ry Andriamanitra mpamonjy anay ô,Hamaly ny fangatahanay ianao, ka hanao zavatra miavaka+ ho fampiharana ny rariny.Ianao ilay Itokisan’ny olona hatrany amin’ny faran’ny tany+Sy ireo any an-dranomasina lavitra.   Mampiorina mafy ny tendrombohitra amin’ny herinao ianao;*Ny tanjakao no akanjo anaovanao.+   Mampitony ny ranomasina misamboaravoara ianao,*+Dia ny fidoboky ny onjany sy ny tabataban’ireo firenena.+   Ho talanjona amin’ireo famantarana ataonao ny mponina any amin’ny faritra lavitra;+Hataonao izay hihobian’ireo mipetraka any amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany.   Mikarakara ny tany ianao,Ka ataonao mahavokatra be* sy tena lonaka izy io.+ Mikoriana foana ny renirano avy amin’Andriamanitra;Manome vokatra ho an’ny olona ianao,+Satria efa nomaninao ho amin’izany ny tany. 10  Ataonao vonton-drano ny vava asany, ary ataonao mitovy tantana ny tany voasa;*Mandrotsaka oram-be ianao mba hampahalemy ny tany, ary tahinao izay mitsiry eo aminy.+ 11  Ravahanao amin’ny hatsaranao ny taona, ka toy ny hoe asianao satroboninahitra;Tondraka zava-tsoa* izay andalovanao.+ 12  Rakotra ahi-maitso* foana ny kijana any an-tany efitra,+Ary miakanjo fifaliana ny havoana.+ 13  Feno ondry aman’osy eny amin’ny kijana,Ary rakotra varimbazaha ny lohasaha.*+ Manao horakora-pandresena ireny, eny, mihira.+

Fanamarihana

Abt: “nofo.”
Na: “saronanao.”
Na: “toeranao masina.”
Abt: “heriny izy.”
Abt: “izy.”
Abt: “tondraka.”
Na: “ary mandravona an’izay midongona eo aminy ianao.”
Abt: “Mitete hatavezana.”
Abt: “Mitete.”
Na: “lemaka iva.”