Salamo 94:1-23

  • Mivavaka mba hovalian’i Jehovah ny ratsy natao

    • “Mandra-pahoviana no mbola hifaly ny ratsy fanahy?” (3)

    • Mahasambatra ny hoe anarin’i Jah (12)

    • Tsy hahafoy ny vahoakany i Jehovah (14)

    • “Mampiasa ny lalàna mba hamoronana teti-dratsy” (20)

94  Ry Jehovah Andriamanitra mpamaly ny ratsy natao ô,+Ry Andriamanitra mpamaly ny ratsy natao ô, mamirapirata!   Mitsangàna, ry Mpitsara ny tany+ ô, Ka valio araka izay sahaza azy ny olona manambony tena.+   Mandra-pahoviana no mbola hifaly ny ratsy fanahy,+ Jehovah ô?Mandra-pahoviana?   Miteniteny foana sy mirehareha izy ireo;Mizahozaho ny mpanao ratsy rehetra.   Ataon’izy ireo torotoro ny vahoakanao, Jehovah ô!+Ary ampijaliny ny lovanao.   Vonoin’izy ireo ho faty ny mpitondratena sy ny vahiny,Ary vonoiny koa ny kamboty ray.   Hoy izy ireo: “Tsy mahita i Jah;+Tsy mahatsikaritra an’izany ny Andriamanitr’i Jakoba.”+   Mba mieritrereta, ry tsy misaina!Ry adala, rahoviana ianareo vao mba ho lalin-tsaina?+   Ilay nanao ny sofina indray ve no tsy handre? Ary Ilay namorona ny maso ve no tsy hahita?+ 10  Ilay manitsy an’ireo firenena ve dia tsy hananatra?+ Izy Ilay mampita fahalalana amin’ny olona!+ 11  Fantatr’i Jehovah ny eritreritry ny olona,Fantany hoe toy ny fofonaina+ fotsiny izany. 12  Sambatra, ry Jah ô, izay olona anarinao,+Sy ampianarinao ny lalànao+ 13  Mba hahatonga azy tsy hanana ahiahy rehefa ao anatin’ny fotoan-tsarotra,Mandra-pihady lavaka ho an’ny ratsy fanahy.+ 14  Fa tsy hahafoy ny vahoakany i Jehovah,+Na handao ny lovany.+ 15  Ho ara-drariny indray mantsy ny didim-pitsarana,Ary hanaiky an’izany daholo ny olona mahitsy fo. 16  Iza no hitsangana hiaro ahy amin’ny ratsy fanahy? Iza no hiandany amiko hanohitra an’ireo mpanao ratsy? 17  Raha tsy i Jehovah no mpanampy ahy,Dia efa maty* aho hoatr’izay.+ 18  Rehefa nilaza aho hoe: “Mibolisatra ny tongotro”, Dia ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao no nanohana ahy, Jehovah ô!+ 19  Rehefa be dia be ny zavatra nampitebiteby* ahy,*Dia nampionona sy nampitony ahy ianao.*+ 20  Ny mpitondra* manao kolikoly ve dia hanohana anao,Nefa izy ireo aza mampiasa ny lalàna mba hamoronana teti-dratsy?+ 21  Tafihiny amin-kabibiana ny olo-marina,+Ary melohiny ho faty* ny tsy manan-tsiny.+ 22  Ho fialofana* azoko antoka anefa i Jehovah;Vatolampy fialofako+ ny Andriamanitro. 23  Havaliny amin’izy ireo ny ratsy nataony.+ Ny zava-dratsy ataon’izy ireo ihany no handringanany* azy. Haringan’i Jehovah Andriamanitsika* tokoa izy ireo.+

Fanamarihana

Abt: “efa nitoetra tao amin’ny fahanginana.”
Na: “nampiasa saina.”
Na: “tato anatiko.”
Na: “ny fampiononanao no nampitony ahy.”
Na: “mpitsara.” Abt: “seza fiandrianana.”
Abt: “Ary lazainy fa meloka (na ratsy fanahy) ny ran’ny.”
Na: “toerana avo.”
Abt: “hampanginany.”
Na: “Hataon’i Jehovah Andriamanitsika mangina.”