Salamo 23:1-6

  • “I Jehovah no Mpiandry ahy”

    • “Tsy ho ory na inona na inona aho” (1)

    • “Mamelombelona ahy izy” (3)

    • “Feno mitafotafo ny kaopiko” (5)

Hiran’i Davida. 23  I Jehovah no Mpiandry ahy.+ Tsy ho ory na inona na inona aho.+   Asainy mitsotsotra eny amin’ny toerana feno ahi-maitso aho,Ary mitarika ahy ho eny amin’ny toeram-pialan-tsasatra azon-drano tsara* izy.+   Mamelombelona ahy izy.+ Mitarika ahy amin’ny lalan’ny fahamarinana izy, noho ny anarany.+   Na dia mamakivaky lohasaha maizim-pito aza aho,+Dia tsy misy loza atahorako,+Satria ianao no eo anilako.+Manome toky* ahy ny tsorakazonao sy ny tehinao.   Manomana latabatra ho ahy eo anoloan’ny fahavaloko ianao.+ Mahatsiaro ho velombelona aho rehefa hosoranao menaka ny lohako;+Feno mitafotafo ny kaopiko.+   Ho tsara toetra amiko tokoa ianao sady ho tia ahy sy tsy hivadika amiko, mandritra ny androm-piainako.+Dia hipetraka ao an-tranon’i Jehovah aho, amin’ny andro rehetra ahavelomako.+

Fanamarihana

Na mety hoe “eny amin’ny rano milamina.”
Na: “Mampionona.”