Salamo 36:1-12

  • Sarobidy ny hoe tia sy tsy mivadika i Jehovah

    • Tsy matahotra an’Andriamanitra ny ratsy fanahy (1)

    • Loharanon’aina Andriamanitra (9)

    • “Ny hazavana avy aminao no ahitanay hazavana” (9)

Ho an’ny mpitarika. Nataon’i Davida, mpanompon’i Jehovah. 36  Ny fandikan-dalàna no mandrisika ny fon’ny ratsy fanahy;Tsy hitany izay antony tokony hatahorana an’Andriamanitra.+   Fa mandoka tena loatra izy,Dia tsy tsapany ny fahadisoany, ka tsy ankahalainy.+   Teny mandratra sy mamitaka no lazain’ny vavany;Tsy lalin-tsaina izy ka tsy mahay manao ny tsara.   Mitetika ny hanao ratsy izy, na dia eo am-pandrianany aza. Lalan-diso no arahiny;Ny ratsy tsy mba laviny.   Jehovah ô, tonga hatrany an-danitra ny fitiavanao,+Ary tonga hatreny amin’ny rahona ny tsy fivadihanao.   Toy ny tendrombohitra tsara tarehy* ny fahamarinanao;+Toy ny rano lalina midadasika ny didim-pitsaranao.+ Samy tsimbininao* na ny olona na ny biby, Jehovah ô!+   Sarobidy tokoa ny hoe be fitiavana sy tsy mivadika ianao, Andriamanitra ô!+ Eo ambany aloky ny elatrao no ialofan’ny zanak’olombelona.+   Manaram-po amin’ireo zavatra tsara be dia be* ao an-tranonao izy ireo,+Ary omenao zavatra mahafinaritra maro be, ka toy ny hoe ataonao migoka rano avy amin’ny renirano.+   Ianao no loharanon’aina;+Ny hazavana avy aminao no ahitanay hazavana.+ 10  Asehoy foana amin’ireo mahalala anao fa be fitiavana sy tsy mivadika+ ianao,Ary amin’ireo mahitsy fo fa manao ny marina ianao.+ 11  Aza avela hanosihosy ahy ny tongotry ny mpirehareha,Na handroaka ahy ny tanan’ny ratsy fanahy. 12  Ireo fa lavo ny mpanao ratsy;Nisy namely izy ireo ka tsy tafarina intsony.+

Fanamarihana

Abt: “tendrombohitr’Andriamanitra.”
Na: “vonjenao.”
Abt: “amin’ny matavy.”