Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MANOVA OLONA NY BAIBOLY

Tsy Te ho Faty Aho!

Tsy Te ho Faty Aho!
  • TERAKA: 1964

  • FIRENENA: ANGLETERA

  • FIAINANY TALOHA: NADITRA ARY KELY DIA EFA NITERAKA

NY FIAINAKO TALOHA:

Teraka tao Paddington aho. Tanàna be mponina ao amin’ny faritr’i Londres, eto Angletera, izy io. Niara-nipetraka tamin’i Neny sy ny zokiko telo vavy aho. I Dada kosa mamo lava ka matetika izy no tsy nody an-trano.

Nampianarin’i Neny nivavaka isan-kariva aho, tamin’ny mbola kely. Nanana Baiboly kely izay aho ary ny bokin’ny Salamo ihany no tao. Namoronako feon-kira ilay izy mba hohiraiko. Nisy fotoana aho namaky boky tsy ara-pivavahana, ary hitako tao ity fehezanteny ity: “Tsy hahita ny ampitso intsony ianao indray andro any.” Niraikitra tao an-dohako ilay izy, ka lasa tsy nahita tory aho fa nieritreritra ny hoavy. Hoy aho: ‘Tsy mino aho hoe izao fotsiny ny fiainana. Maninona anefa aho no nisy?’ Tsy te ho faty aho!

Lasa liana be tamin’ny asan’ny maizina aho. Nanandrana niresaka tamin’ny maty àry aho, nankeny amin’ny fasana niaraka tamin’ny mpiara-mianatra tamiko, ary niara-nijery filma mampahatahotra izahay. Nahafinaritra ilay izy sady nampangitakitaka.

Vao folo taona aho dia efa naditra. Nanomboka nifoka sigara aho, ary vetivety dia nandevozin’izy io. Lasa nifoka rongony aho tatỳ aoriana. Tamin’izaho 11 taona no nisotro toaka voalohany. Tsy tiako ny tsiron’ilay izy nefa tiako ilay hoe mamo. Tia mozika sy dihy koa aho. Nangalatra namonjy fety sy toeram-pandihizana aho isaky ny nisy hirika hanaovana an’izany. Amin’ny alina aho no mandeha, dia miverina raha vao mangiran-dratsy. Reraka aho ny ampitson’iny dia ningitrika. Rehefa nianatra aho, dia matetika no nisotro toaka raha vao tapitra ny taranja iray.

Ratsy be ny naotiko tamin’ny taona farany nianarako tany an-tsekoly. Diso fanantenana i Neny sady tezitra rehefa nahalala hoe ny ditrako no nahatonga an’izany. Nifamaly izahay dia nitsoaka aho. Tany amin’ilay sipako atao hoe Tony aloha aho no nipetraka. Rasta izy ary nalaza ho nahery setra be. Nivarotra rongony koa izy sady nangalatra. Tsy ela aho dia bevohoka, ary tera-dahy na dia vao 16 taona aza.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO:

Nisy fotoana aho nipetraka tany amin’ny trano natokana ho an’ny reny tokan-tena sy ny zanany. Nomena efitra iray aho hipetrahako. Tany aho no nihaona voalohany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Efa mpitsidika ny tanora sasany tao ny Vavolombelona roa vavy. Nanatrika ny fianaran-dry zareo aho indray andro. Te hanaporofo mantsy aho hoe diso ny fampianaran’ny Vavolombelona. Novalian’izy mirahavavy avy tao amin’ny Baiboly anefa ny fanontaniako rehetra. Tiako be fa tony sy tsara fanahy ry zareo ka nanaiky hianatra Baiboly koa aho.

Tsy ela dia nanova ny fiainako ny zavatra nianarako. Efa hatramin’ny mbola kely aho no natahotra ny ho faty. Lasa haiko anefa hoe mbola hitsangana ny maty, araka ny fampianaran’i Jesosy. (Jaona 5:28, 29) Lasa fantatro koa fa mikarakara ahy Andriamanitra. (1 Petera 5:7) Tena nanohina ny foko ny voalazan’ny Jeremia 29:11 hoe: “‘Fa fantatro tsara ny zavatra efa noeritreretiko hatao aminareo’, hoy i Jehovah. ‘Mieritreritra ny hanome anareo fiadanana aho fa tsy loza, mba hahatonga anareo hanana ny hoavinareo sy hanana fanantenana.’” Lasa nino aho hoe azoko atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany.—Salamo 37:29.

Tena tia ahy ny Vavolombelon’i Jehovah. Tamin’izaho nivory voalohany tany amin-dry zareo, dia noraisina tsara aho ary sariaka tamiko izy rehetra. (Jaona 13:34, 35) Tsy natao hoatr’izany anefa aho tao amin’ny fivavahana iray hafa. Nandray tsara ahy ireo Vavolombelona na dia ratsy fitondran-tena aza aho. Nanokana fotoana ho ahy izy ireo, nikarakara ahy, ary nanampy be ahy. Hoatran’ny hoe fianakavian’ireo olona be fitiavana ireo mihitsy aho.

Tsapako, tamin’izaho nianatra Baiboly, fa nila niova aho raha te hankatò ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fitondran-tena. Sarotra tamiko anefa ny niala tamin’ny sigara. Fantatro koa hoe vao mainka aho te hifoka rongony rehefa nihaino hira sasany. Novako àry ny hira fihainoko. Tsy namonjy fety sy toeram-pandihizana intsony aho, satria lasa te hisotro be loatra rehefa nankany. Tsy niaraka tamin’ny namako taloha intsony koa aho, fa niezaka ninamana tamin’ny olona afaka nanampy ahy hiova.—Ohabolana 13:20.

Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah koa i Tony. Voavaly tao amin’ny Baiboly ny fanontaniany, ka resy lahatra hoatr’ahy izy hoe marina ny zavatra nianarany. Niova be izy. Tsy niaraka intsony tamin’ireo namany mahery setra izy, tsy nangalatra intsony, ary niala tamin’ny rongony. Samy te hampifaly an’i Jehovah izahay sy Tony. Nila nanova ny fitondran-tenanay àry izahay. Tsapanay koa hoe nila anay roa ny zanakay lahy, ka nivady izahay tamin’ny 1982.

“Lasa matory tsara aho fa tsy manahy momba ny hoavy intsony na matahotra ny ho faty”

Notadiaviko izay Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! * misy tantaran’olona nahavita niala tamin’ny fahazaran-dratsy toy ny ahy. Tena nampahery ahy ny modelin’izy ireo! Nandrisika ahy hiezaka mafy izany fa tsy ho kivy. Nivavaka foana tamin’i Jehovah aho mba tsy hahafoy ahy. Natao batisa izahay mivady tamin’ny Jolay 1982, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah.

NY SOA NORAISIKO:

Efa maty aho hoatr’izay raha tsy ninamana tamin’i Jehovah. Tsapanay mivady koa hoe nanohana anay tao anatin’ny sarotra izy. Nianatra niantehitra taminy izahay, ary nanampy sy nampahery anay mianakavy foana izy.—Salamo 55:22.

Nahafinaritra ahy ny nanampy ny zanakay mianadahy hahalala an’i Jehovah. Faly koa aho izao mahita an’ireo zafikeliko mianatra momba azy.

Lasa matory tsara aho fa tsy manahy momba ny hoavy intsony na matahotra ny ho faty. Mitsidika fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah samihafa izahay mivady isan-kerinandro mba hampaherezana azy ireo. Miaraka amin-dry zareo mampianatra ny hafa izahay hoe hiaina mandrakizay ny olona mino an’i Jesosy.

^ feh. 17 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah koa.