Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | INONA NO HANAMPY ANAO HO TIA MAMAKY BAIBOLY?

Nahoana no Ilaina ny Mamaky Baiboly?

Nahoana no Ilaina ny Mamaky Baiboly?

“Noheveriko fa sarotra be ny mahazo izay lazain’ny Baiboly.”—Jovy

“Nieritreritra aho hoe hankaleo be ilay izy.”—Queennie

“Tsy te hamaky Baiboly aho raha vao nahita ny hateviny.”—Ezekiel

Izany koa ve no tsapanao, ka lasa mangataka andro foana ianao rehefa hoe hamaky Baiboly? Maro no tsy mazoto mamaky Baiboly. Ahoana anefa raha fantatrao hoe afaka manampy anao ho sambatra kokoa izy io, sady misy fomba azo atao mba hahatonga anao ho tia mamaky azy io? Hazoto kokoa hamaky Baiboly ve ianao?

Nisy olona nandray soa rehefa nanomboka namaky Baiboly. Diniho ny tenin’izy ireo:

Hoy i Ezekiel, 20 taona mahery kely: “Hoatran’ny olona mirenireny mitondra fiara fotsiny aho taloha. Fa rehefa namaky Baiboly aho, dia lasa misy tanjona ny fiainako. Misy torohevitra azoko ampiharina isan’andro ao.”

Hoy koa i Frieda, tovovavy 20 taona mahery: “Mora tezitra aho taloha fa lasa nahay nifehy tena rehefa namaky Baiboly. Mora ifandraisana kokoa aho izao, ary lasa be dia be ny namako.”

Izao indray no nolazain’i Eunice, 50 taona mahery: “Manampy ahy hanatsara ny toetrako sy hiala amin’ny fahazaran-dratsy ny Baiboly.”

Hita amin’ny tenin’izy ireo sy ny olon-kafa an-tapitrisany fa hahafinaritra kokoa ny fiainanao, raha mamaky Baiboly ianao. (Isaia 48:17, 18) Manampy anao izy io mba 1) hahay hanapa-kevitra, 2) hahazo namana tsara, 3) hiatrika olana, ary ny tena zava-dehibe dia hoe 4) hahalala ny marina momba an’Andriamanitra. Avy amin’Andriamanitra ny torohevitry ny Baiboly, ka tsy hitarika anao any an-kady. Tsy hanoro vohana anao mihitsy izy.

Manomboha amin’izay àry mamaky e! Izany mantsy no tena zava-dehibe. Ahoana anefa no hatao mba ho mora atomboka sy hahafinaritra ilay izy?