Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TAHAFO NY FINOAN’IZY IREO | ENOKA

“Nahazo Sitraka Tamin’​Andriamanitra Izy”

“Nahazo Sitraka Tamin’​Andriamanitra Izy”

TENA ela velona i Enoka. Sarotra amintsika angamba ny hino hoe nahatratra 365 taona teo ho eo ny andro niainany. Avo efatra heny noho ny halavan’ny androm-piainantsika amin’izao izany. Tsy tena mbola antitra anefa izany, tamin’ny androny. Ela velona be mantsy ny olona, 5000 taona mahery lasa izay. Efa 600 taona mahery, ohatra, i Adama, ilay lehilahy voalohany, tamin’i Enoka teraka. Mbola velona 300 taona i Adama taorian’izay. Ela velona noho izany aza ny taranany sasany. Mety ho mbola navitribitrika àry no fahitana an’i Enoka tamin’izy 365 taona, hoatran’ny hoe tanora vao herotrerony. Folaka an-dantony anefa izy.

Notandindomin-doza i Enoka. Iny izy fa mitsoaka an’ireo olona nitoriany ny hafatr’Andriamanitra. Tsy afaka ao an-tsainy mihitsy ny endrik’izy ireo romotra be. Samy halan’izy ireo na i Enoka, na ny hafatra notoriny, na ilay Andriamanitra naniraka azy. Tsy azon’izy ireo atao na inona na inona anefa i Jehovah, ilay Andriamanitr’i Enoka. I Enoka kosa azon’izy ireo vonoina. Asa raha mbola ho hitany ny vadiny, ny zanany vavy, Metosela zanany lahy, ary Lameka zafikeliny. (Genesisy 5:21-23, 25) Dia ho tapitra eto ve ny tantarany?

Tsy dia miresaka momba an’i Enoka ny Baiboly, afa-tsy andinin-teny vitsivitsy ihany. (Genesisy 5:21-24; Hebreo 11:5; Joda 14, 15) Ireo andininy ireo fotsiny anefa dia efa ahitana hoe lehilahy tena nanam-pinoana izy. Mamelona ankohonana ve ianao? Efa nisy fotoana ve ianao niezaka nijoro tamin’ny hevitrao, satria fantatrao hoe marina ilay izy? Raha izany no izy, dia maro ny zavatra azonao ianarana avy amin’ny finoan’i Enoka.

“NIARA-NANDEHA FOANA TAMIN’ANDRIAMANITRA I ENOKA”

Ratsy toetra be ny olona tamin’i Enoka teraka. Taranaka fahafito avy tamin’i Adama izy ireo. Tsy lavorary izy ireo, tsy hoatran’i Adama sy Eva tany am-boalohany. Mbola nanakaiky ny fahalavorariana anefa ny olona ka ela velona. Ratsy fitondran-tena be anefa izy ireo ary tsy nankatò an’Andriamanitra. Nanjaka koa ny herisetra. Efa nanomboka tany amin’ny taranaka faharoa izany, rehefa namono an’i Abela rahalahiny i Kaina. Toa nirehareha mihitsy aza ny iray tamin’ny taranak’i Kaina hoe nahery setra kokoa noho i Kaina izy sady tia namaly faty kokoa. Nanao zava-dratsy hafa indray ny taranaka fahatelo. Nanomboka niantso ny anaran’i Jehovah ny olona saingy tsy nataony tamim-pinoana. Nozimbazimbain’izy ireo io anarana masina io ary tsy nohajainy.—Genesisy 4:8, 23-26.

Azo inoana hoe nanjaka izany fivavahan-diso izany, tamin’ny andron’i Enoka. Hanara-driandrano ve izy rehefa lehibe? Sa izy hitady an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra nanao ny lanitra sy ny tany? Azo antoka hoe nanohina ny fony ny tantaran’i Abela, ilay lehilahy maty maritiora satria nampifaly an’i Jehovah. Tapa-kevitra ny hanahaka azy koa i Enoka. Hoy ny Genesisy 5:22: “Niara-nandeha foana tamin’ilay tena Andriamanitra i Enoka.” Io fehezanteny io no ahitana hoe lehilahy natahotra an’Andriamanitra izy, fa tsy toy ny mpiara-belona taminy. I Enoka no olona voalohany resahin’ny Baiboly hoatr’izany.

Milaza koa ilay andininy hoe niara-nandeha foana tamin’i Jehovah i Enoka, taorian’ny niterahany an’i Metosela. Nanambady aman-janaka àry izy tamin’izy 65 taona teo ho eo. Tsy resahin’ny Baiboly ny anaran’ny vadiny sy ny isan’ireo “zazalahy sy zazavavy” naterany. Raha te hiara-mandeha amin’Andriamanitra ny raim-pianakaviana, dia tsy maintsy manaraka ny tari-dalany izy rehefa mitaiza zanaka sy mamelona ankohonana. Hain’i Enoka hoe tsy tian’i Jehovah hisaraka amin’ny vadiny izy. (Genesisy 2:24) Azo antoka koa hoe nanao izay vitany izy mba hampianarana ny zanany momba an’i Jehovah. Inona no vokany?

Tsy dia miresaka momba an’izany ny Baiboly. Tsy hita ao raha nanam-pinoana i Metosela zanak’i Enoka na tsia. Izy io no lehilahy ela velona indrindra resahin’ny Baiboly, ary maty tamin’ilay taona nahatongavan’ny Safodrano izy. Niteraka an’i Lameka i Metosela. Mbola niara-belona nandritra ny 100 taona mahery i Lameka sy Enoka dadabeny. Tena nanam-pinoana koa i Lameka. Nasain’i Jehovah naminany momba an’i Noa zanany izy, ary tanteraka ilay izy taorian’ny Safodrano. Niara-nandeha tamin’Andriamanitra koa i Noa, toa an’i Enoka dadan’ny dadabeny ihany. Efa maty i Enoka vao teraka i Noa. Namela modely anefa i Enoka. Mety ho avy tamin’i Lameka rainy no nahalalan’i Noa ny zavatra nataony, na avy tamin’i Metosela dadabeny, na avy tamin’i Jareda rain’i Enoka. Efa 366 taona mantsy i Noa vao maty i Jareda.—Genesisy 5:25-29; 6:9; 9:1.

Tsy nitovy mihitsy i Adama sy Enoka. Nanota tamin’i Jehovah i Adama na dia lavorary aza. Lasa mpanota koa ny taranany ka nijaly. Tsy lavorary kosa i Enoka nefa niara-nandeha tamin’Andriamanitra. Modely ho an’ny taranany izy satria nanam-pinoana. Maty i Adama tamin’i Enoka 308 taona. Tsy haintsika raha nalahelo an’io lehilahy tia tena io ny taranany. Ny azo antoka anefa dia hoe “niara-nandeha foana tamin’Andriamanitra i Enoka.”—Genesisy 5:24.

Inona no azon’ny ray aman-dreny ianarana avy amin’ny finoan’i Enoka? Marina hoe ilaina ny mamelona ankohonana. Ny tena zava-dehibe anefa dia ny manampy azy ireo hifandray amin’Andriamanitra. (1 Timoty 5:8) Mila aseho amin’ny teny sy ny atao izany. Ho modely ho an’ny fianakavianao ianao raha miara-mandeha amin’Andriamanitra toa an’i Enoka, izany hoe manaraka ny tari-dalany foana.

“NAMINANY MOMBA AZY IRENY” I ENOKA

Nahatsiaro ho niady irery angamba i Enoka, satria izy ihany no mba olona nanam-pinoana tamin’izany. Nahita an’izay nataony anefa i Jehovah. Tonga ny fotoana niresahany tamin’io mpanompony tsy nivadika io. Nasainy nitory tamin’ny olona i Enoka, izany hoe nasainy naminany. Izy no mpaminany voalohany resahin’ny Baiboly. Nasain’Andriamanitra nosoratan’i Joda, rahalahin’i Jesosy, ny hafatra notorin’i Enoka, an-jatony taona tatỳ aoriana. *

Izao ilay faminanian’i Enoka: “Efa tonga i Jehovah, miaraka amin’ny anjeliny masina an’alinalina, mba hampihatra didim-pitsarana amin’ny rehetra, sy hanaporofo fa meloka izay rehetra tsy natahotra an’Andriamanitra. Meloka izy ireny noho ny asa ratsy rehetra nataony tamin-karatsiam-panahy, sy noho ny teny manafintohina rehetra nentin’ny mpanota hanoherana an’Andriamanitra, dia ireo mpanota tsy matahotra azy.” (Joda 14, 15) Toy ny hoe zavatra efa tanteraka ny fomba nilazan’i Enoka an’ilay faminaniana, na dia mbola vao hitranga aza. Azony antoka mantsy hoe tsy maintsy hotanterahin’Andriamanitra ilay izy.—Isaia 46:10.

Tsy natahotra i Enoka nitory ny hafatr’Andriamanitra na dia nisy nanohitra aza

Nila nitory tamin’ny olona rehetra angamba i Enoka. Tena mahery ilay hafatra notoriny satria nampiharihary ny toetran’ny olona sy ny fanaony. Nampiasa teny toy izao izy: “Tsy natahotra an’Andriamanitra”, “asa ratsy”, ary “tamin-karatsiam-panahy.” Nampitandrina ny olona àry izy hoe tena ratsy ny tontolo naorin’izy ireo taorian’ny nandroahana an’i Adama sy Eva avy tao Edena. Tsy ho ela dia handrava an’io tontolo io i Jehovah sy ny “anjeliny masina an’alinalina”, na ireo tafik’anjely mahery efa vonon-kiady. Tsy natahotra i Enoka nitory an’ilay hafatra nefa izy irery no nanao izany! Gaga angamba i Lameka kely nahita ny herim-pon’io dadabeny io.

Mahatonga antsika handini-tena ny finoan’i Enoka hoe: Toy ny fahitan’Andriamanitra an’ity tontolo ity koa ve ny fahitako azy io? Natao ho an’ny olona tamin’izany ilay didim-pitsarana notorin’i Enoka, nefa natao ho an’ny olona ankehitriny koa. Tanteraka ny teniny rehefa nampisy Safodrano i Jehovah tamin’ny andron’i Noa, mba handravana an’ilay tontolo tsy natahotra an’Andriamanitra. Mbola hisy fandravana lehibe kokoa noho izany anefa tsy ho ela. (Matio 24:38, 39; 2 Petera 2:4-6) Efa vonona koa izao i Jehovah sy ny anjeliny masina an’alinalina mba hitsara an’ity tontolo tsy matahotra Azy ity. Mila mandray am-po an’ilay fampitandreman’i Enoka àry isika tsirairay, ary mila mitory azy io amin’ny hafa. Mety tsy hanohana antsika ny havana aman-tsakaiza ka mety hahatsiaro ho irery isika indraindray. Tsy nandao an’i Enoka anefa i Jehovah, ka tsy handao ny mpanompony tsy mivadika koa izy.

‘NAFINDRA TOERANA MBA TSY HAHITA FAHAFATESANA’

Ahoana no niafaran’i Enoka? Saro-pantarina ilay izy sady tsy mahazatra. Milaza fotsiny ny Genesisy 5:24 hoe: “Niara-nandeha foana tamin’Andriamanitra i Enoka. Ary tsy nisy nahita azy intsony, satria nalain’Andriamanitra izy.” Ahoana no fomba nakan’Andriamanitra azy? Hoy ny apostoly Paoly tatỳ aoriana: “Finoana no nahatonga an’i Enoka hafindra toerana mba tsy hahita fahafatesana, ary tsy hita na taiza na taiza izy satria nafindran’Andriamanitra. Fa talohan’ny namindrana azy, dia nambara taminy fa nahazo sitraka tamin’Andriamanitra izy.” (Hebreo 11:5) Inona no tiany holazaina amin’ilay hoe ‘nafindra toerana’ i Enoka “mba tsy hahita fahafatesana”? Misy Baiboly milaza hoe nalain’Andriamanitra ho any an-danitra i Enoka. Tsy marina anefa izany. Resahin’ny Jaona 3:13 mantsy fa i Jesosy Kristy no olona voalohany natsangana ho any an-danitra.

Inona àry no dikan’ny hoe ‘nafindra toerana’ i Enoka “mba tsy hahita fahafatesana”? Azo inoana hoe nampatorin’Andriamanitra moramora tao amin’ny fahafatesana izy, ka tsy afaka namono azy tamin-kabibiana ny fahavalony. Efa nampahafantarin’Andriamanitra azy anefa hoe ‘nahazo sitraka taminy’ izy. Nomen’i Jehovah fahitana momba ny tany lasa paradisa angamba izy taloha kelin’ny nahafatesany, ka hita hoe nankasitrahany. Hoy i Paoly momba an’i Enoka sy ireo olon-kafa nanam-pinoana: “Maty tamim-pinoana ireo rehetra ireo.” (Hebreo 11:13) Mety ho nitady ny fatin’i Enoka ny fahavalony taorian’izay, saingy “tsy hita na taiza na taiza” ilay izy. Nataon’i Jehovah nanjavona angamba ilay izy mba tsy hozimbazimbain’izy ireo, na hampiasainy amin’ny fivavahan-diso. *

Alao sary an-tsaina àry ny mety ho niafaran’ny fiainany. Aoka hatao hoe izao no nitranga: Nanenjika an’i Enoka ny fahavalony satria naharomotra azy ireo ny hafatra notoriny. Nitsoaka azy ireo izy ary efa tena reraka. Nahita toerana niafenana sy nakana aina i Enoka, nefa fantany fa tsy ho ela izy dia ho tratra. Tsy maintsy hampijalijalin’ireo fahavalony ireo izao izy mandra-pahafatiny. Nivavaka tamin’i Jehovah àry izy ary tony be avy eo. Nahazo fahitana momba ny hoavy izy, ka hoatran’ny hoe niainany mihitsy ilay izy.

Toa efa saika hovonoin’ny fahavalony tamin-kabibiana i Enoka tamin’i Jehovah naka azy

Eritrereto hoe nahita tontolo iray tsy nitovy tamin’ilay nisy azy i Enoka. Tsara tarehy be hoatran’ny zaridainan’i Edena ilay izy, nefa tsy nisy kerobima nanakana ny olona tsy hiditra tao. Nisy lehilahy sy vehivavy maro tao. Tanora sy salama ary matanjaka daholo ry zareo. Nihavana tsara ny rehetra. Tsy nisy nifankahala mihitsy, ary tsy nisy olona nenjehina satria hoe nanompo an’Andriamanitra. Tsapan’i Enoka avy tamin’ilay fahitana fa tia sy nankasitraka azy i Jehovah. Azony antoka hoe hipetraka ao amin’io toerana io izy. Nihatony tsikelikely i Enoka. Nakimpiny ny masony ary renoky ny torimaso lalina izy.

Mbola matory ao amin’ny fahafatesana i Enoka hatramin’izao. Tsy hohadinoin’i Jehovah Andriamanitra mihitsy anefa izy satria tsy manam-petra ny fitadidiany. Nilaza i Jesosy fa amin’ny hoavy dia handre ny feony ireo olona ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra, ka hivoaka avy ao am-pasana. Efa paradisa ny tany amin’izay ary mihavana ny olona.—Jaona 5:28, 29.

Tianao ve ny hiaina ao amin’io paradisa io? Hahafinaritra be izao ny hahita an’i Enoka. Eritrereto ireo zavatra azony tantaraina amintsika. Afaka milaza amintsika izy raha marina ilay tombantombana nataontsika momba ny zava-nitranga talohan’ny nahafatesany. Misy zavatra ilaintsika ianarana avy aminy anefa dieny izao. Hoy i Paoly rehefa avy niresaka an’i Enoka: “Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra.” (Hebreo 11:6) Tena tokony hanam-pinoana sy ho be herim-po toa an’i Enoka àry isika!

^ feh. 14 Misy manam-pahaizana milaza fa avy tao amin’ilay hoe Bokin’i Enoka i Joda no naka an’ilay faminanian’i Enoka. Tsy fanta-piaviana anefa io boky io ary tsy azo antoka ny zavatra resahiny. I Enoka, hono, no nanoratra azy. Hita ao tokoa ilay faminanian’i Enoka, nefa mety ho avy tamin’ny lovantsofina na boky tranainy efa tsy hita intsony no nakana an’ilay izy. Mety ho ireo ihany no nampiasain’i Joda tamin’izy nanoratra an’ilay faminaniana, na i Jesosy no niresaka taminy. Nahita an’izay nataon’i Enoka mantsy i Jesosy, tamin’izy mbola tany an-danitra.

^ feh. 20 Azo inoana hoe nataon’Andriamanitra hoatr’izany koa ny vatan’i Mosesy sy Jesosy mba tsy hisy hanazimbazimba, na hampiasa amin’ny fivavahan-diso.—Deoteronomia 34:5, 6; Lioka 24:3-6; Joda 9.