Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Manampy ny Lehilahy Miady Saina ve ny Baiboly?

Afaka Manampy ny Lehilahy Miady Saina ve ny Baiboly?

 Inona no tonga ao an-tsainao raha vao maheno hoe olona miady saina? a Mety hoe olona matahotra be ve ka lasa tsy mahavita na inona na inona? Sa olona zara raha tafarina eo am-pandriana amin’ny maraina? Sa olona mitaraina lava satria be loatra ny zavatra mampiady saina azy?

 Hoatran’ireo mihitsy no ataon’ny olona sasany rehefa miady saina izy. Hitan’ny mpikaroka anefa fa zavatra hafa mihitsy indray no ataon’ny olona hafa, indrindra fa ny lehilahy, rehefa miady saina. Milaza, ohatra, ny tatitra anankiray fa ‘ny lehilahy matetika no tena misotro toaka sy mampiasa zava-mahadomelina rehefa miady saina. Mety hoe miady saina loatra izy matoa lasa mamo lava. Matetika koa no mora tezitra sy kizitina ny lehilahy rehefa miady saina.”

 Tsy ny lehilahy rehetra no manao hoatr’izany rehefa miady saina. Na inona na inona anefa zavatra ataon’ny olona rehefa miady saina izy, dia anisan’ny olana tena lehibe amin’izao “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” iainantsika izao ny adin-tsaina. (2 Timoty 3:1)Inona àry ny torohevitra ao amin’ny Baiboly azonao arahina raha miady saina be ianao?

Torohevitra mahasoa ao amin’ny Baiboly rehefa miady saina

 Misy torohevitra be dia be afaka manampy antsika ao amin’ny Baiboly, rehefa miady saina isika. Andao isika hijery telo amin’izany.

  1.  1. “Aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso, fa ny ampitso hanana ny fanahiany. Ampy ho an’ny andro tsirairay ny ratsy mitranga eo aminy.”​—Matio 6:34.

     Inona no dikan’izany: Aleo tsy manahy be loatra hoe inona no mety hitranga (na tsy hitranga) amin’ny hoavy. Matetika mantsy no tsy mitranga akory izay zavatra atahorantsika hoe hitranga. Indraindray aza tsara mihitsy ny fiafaran’ilay izy, fa tsy araka ny noeritreretintsika akory.

     Andramo izao: Avereno tadidina hoe inona no zavatra ratsy be efa noeritreretinao hoe tsy maintsy hitranga, nefa avy eo ilay izy tsy nitranga akory. Jereo avy eo hoe inona no zavatra mampanahy anao amin’izao, dia diniho amin’ny saina tsy miangatra raha tena ho lasa olana lehibe tokoa ilay izy na tsia.

  2.  2. “Ny vy no mampaharanitra ny vy, ary olona ihany koa no mampaharanitra ny tarehin’ny olona.”—Ohabolana 27:17.

     Inona no dikan’izany: Afaka manampy antsika hiatrika ny zavatra mampanahy antsika ny olon-kafa raha avelantsika hanampy antsika. Mety ho afaka hanoro hevitra antsika, ohatra, ry zareo, satria mety hoe efa niainany ilay zavatra mahazo antsika. Na afaka manampy antsika handinika amin’ny saina tsy miangatra izy ireo, fara faharatsiny, hoe tena ho lasa olana be tokoa ve ilay izy sa tsia.

     Andramo izao: Eritrereto hoe iza no olona tena ho afaka hanoro hevitra tsara anao, ohatra hoe namana efa nanana olana mitovy amin’ny anao. Anontanio izy hoe inona no nanampy azy, dia inona no tsy nandaitra taminy.

  3.  3. “Apetraho aminy daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.”​—1 Petera 5:7.

     Inona no dikan’izany: Tena tia sy mangoraka ny olona mijaly Andriamanitra. Manasa antsika izy mba hamboraka aminy an’izay zava-drehetra mampanahy antsika.

     Andramo izao: Ataovy lisitra izay zavatra mampiady saina anao, ary resaho amin’Andriamanitra daholo. Hazavao tsirairay aminy ilay izy, ary mangataha fanampiana aminy mba hahavitanao hiatrika an’ilay izy.

Mbola ho foana ny adin-tsaina indray andro any

 Tsy hoe izay torohevitra hanampy antsika tsy hiady saina ihany no resahina ao amin’ny Baiboly. Mampanantena koa izy io fa tsy ho ela intsony, dia ho foana tanteraka ny zavatra mampiady saina antsika. Amin’ny fomba ahoana?

 Hofoanan’ny Fanjakan’Andriamanitra daholo ny zavatra rehetra mahatonga antsika hiady saina. (Apokalypsy 21:4) Na dia ny fahatsiarovana an’ireny zavatra nampiady saina ireny aza tsy hampalahelo antsika intsony rehefa hitondra io Fanjakana io.​—Isaia 65:17.

 Hoavy mahafinaritra be hoatr’izany no tian’ilay “Andriamanitry ny fiadanana” ho anao. (Romanina 16:20) Manome toky izy hoe: “Fantatro tsara ny zavatra efa noeritreretiko hatao aminareo. ... Mieritreritra ny hanome anareo fiadanana aho fa tsy loza, mba hahatonga anareo hanana ny hoavinareo sy hanana fanantenana.”​—Jeremia 29:11.

a Tsy aretina no tiana holazaina amin’ny hoe “ady saina” ato amin’ity lahatsoratra ity, fa ny zavatra mampanahy sy mampiady saina ny olona isan’andro. Raha marary kosa ianao, dia aleo angamba manatona dokotera.​—Lioka 5:31.