Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Manampy Anao Tsy Handevozin’ny Zava-mahadomelina Intsony ve ny Baiboly?

Afaka Manampy Anao Tsy Handevozin’ny Zava-mahadomelina Intsony ve ny Baiboly?

 Betsaka ny olona maty isan-taona satria mampiasa zavatra manandevo, ohatra hoe zava-mahadomelina. Mety ho izy mivantana no mampiasa an’ilay izy na olon-kafa. Vao mainka nihanitombo io olana io nandritra an’ilay valanaretina COVID-19. Olona be dia be anefa no afaka tamin’ny zava-mahadomelina, satria nampihatra ny fahendrena hitany tao amin’ny Baiboly. Afaka manampy anao koa izy io raha miady mafy mba hiala amin’izany ianao. a

Ho hitantsika ato hoe:

 Nahoana isika no tokony handinika an’izay lazain’ny Baiboly raha te ho afaka amin’ny zava-mahadomelina?

 Hitan’ny mpikaroka fa matetika ny olona no lasa andevozin’ny zava-mahadomelina satria manirery, miady saina, mitebiteby, na kivy be loatra. Afaka manampy anao anefa ny Baiboly. Hanampy anao hanana finoana matanjaka izy io, dia amin’izay ho vitanao ny hiatrika an’izay mety hahatonga anao handevozin’ny zava-mahadomelina. Hatorony anao koa hoe ahoana no atao mba ho lasa naman’Andriamanitra. (Salamo 25:14) Rehefa ampiany ianao dia ho vitanao ny hamaha izay olana hoatran’ny hoe tsy ho voavahanao irery mihitsy.​—Marka 11:22-24.

 Zavatra efatra lazain’ny Baiboly hoe azonao atao mba tsy handevozin’ny zava-mahadomelina intsony

  1.  1. Miezaha hahafantatra momba an’i Jehovah Andriamanitra. b (Jaona 17:3) Izy no Mpamorona ary Loharanon’ny hery tsy manam-petra. Ankoatra izay anefa dia Rainao izy, ary tia anao. Te hifandray akaiky aminao izy, ary te hampiasa ny heriny mba hanampiana anao. (Isaia 40:29-31; Jakoba 4:8) Tena tsara be ny hoavy omaniny ho anao raha manaiky hotiaviny ianao.​—Jeremia 29:11; Jaona 3:16.

  2.  2. Angataho i Jehovah mba hanampy anao. Mivavaha aminy ary angataho izy mba hanampy anao tsy handevozin’ny zava-mahadomelina intsony, amin’izay ianao ho “masina [na madio] ary ankasitrahan’Andriamanitra.” (Romanina 12:1) Homeny ny fanahy masina na ny heriny ianao, dia lasa manana “hery mihoatra noho ny an’ny olombelona.” (2 Korintianina 4:7; Lioka 11:13) Hahavita tsy hampiasa zava-mahadomelina intsony ianao rehefa mahazo an’io hery io, sady lasa manana “toetra vaovao” mampifaly azy.​—Kolosianina 3:9, 10.

  3.  3. Ny hevitr’Andriamanitra no ataovy mameno ny sainao. (Isaia 55:9) Hanampy anao ‘hanavao ny toe-tsainao’ izy, izany hoe hanova ny fomba fisainanao, dia amin’izay ianao ho afaka amin’ny zava-mahadomelina. (Efesianina 4:23) Tena mila mamaky Baiboly tsy tapaka ianao satria ao no misy ny hevitr’Andriamanitra. (Salamo 1:1-3) Betsaka no nisy nanampy mba hahazo an’izay ampianarin’ny Baiboly, dia nihatsara ny fiainany. (Asan’ny Apostoly 8:30, 31) Mampianatra Baiboly maimaim-poana ny Vavolombelon’i Jehovah. Manasa anao hanatrika ny fivorianay koa izahay. Mandinika an’izay lazain’ny Baiboly mantsy izahay any, sady mianatra hoe ahoana no ampiharana an’ilay izy eo amin’ny fiainanay.

  4.  4. Fidio tsara ny namanao. Misy vokany be aminao ny namanao. Arakaraka izay namanao mantsy no hahamora na hahasarotra an’ilay hoe miala amin’ny zava-mahadomelina. (Ohabolana 13:20) Omen’Andriamanitra namana tsara ianao. Olona manompo azy izy ireo, ka tiany hiaraka amin-dry zareo ianao. (Salamo 119:63; Romanina 1:12) Fidio tsara koa ny fialam-bolinao, satria izay jerenao na henoinao na vakinao no hoatran’ny hoe namana ifaneraseranao. Miezaha ho tapa-kevitra hanao ny tsara, ary aza atao mihitsy izay mety hahasarotra an’izany.​—Salamo 101:3; Amosa 5:14.

 Andinin-teny afaka manampy anao hiala amin’ny zava-mahadomelina

 Salamo 27:10: “Na mahafoy ahy aza ny raiko sy ny reniko, i Jehovah kosa handray ahy.”

 “Mbola tsy nahita an’ilay raiko niteraka an’ahy mihitsy aho, dia hoatran’ny hoe nisy banga izany tao anatiko. Rehefa nahafantatra anefa aho hoe tena misy i Jehovah Andriamanitra sady tena tia ahy, dia lasa nisy dikany ny fiainako. Nahavita niala tamin’ny zava-mahadomelina koa aho.”​—Wilby, avy any Haïti.

 Salamo 50:15: “Antsoy aho rehefa ao anatin’ny sarotra ianao. Dia hamonjy anao aho.”

 “Efa imbetsaka io andinin-teny io no nanampy ahy hanohy an’ilay ady nataoko, na dia lavo matetika aza aho. Tena nitana ny teniny i Jehovah.”​—Serhiy, avy any Ukraine.

 Ohabolana 3:5, 6: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo, fa aza miantehitra amin’ny fahaizanao. Eritrereto izy amin’izay rehetra ataonao, dia hataony mandeha tsara ny fiainanao.”

 “Nanampy ahy mba tsy hatoky tena ireo andininy ireo fa hatoky an’i Jehovah. Soa fa nomeny ny heriny aho, dia nahavita nanova tanteraka ny fiainako.”​—Michele, avy any Italia.

 Isaia 41:10: “Aza matahotra fa manohana anao aho. Aza manahy fa izaho no Andriamanitrao. Hanatanjaka anao aho ka hanampy anao. Hitazona anao mafy amin’ny tanako ankavanana aho, dia ny tanako manao ny rariny.”

 “Nitebiteby be aho rehefa tsy afaka nandray zava-mahadomelina. Nandresy lahatra ahy anefa io andininy io hoe hanampy ahy tsy hitebiteby Andriamanitra. Dia tena izay tokoa no nataony!”​—Andy, avy any Afrika Atsimo.

 1 Korintianina 15:33, fanamarihana ambany pejy: “Manimba ny fitondran-tena tsara ny naman-dratsy.”

 “Naman-dratsy no nahatonga an’ahy handray zava-mahadomelina, dia lasa nandevozin’ilay izy aho tatỳ aoriana. Tsy niaraka tamin-dry zareo intsony aho sady nanova namana, dia izay vao nahavita niala tamin’izany. Olona tsara fitondran-tena indray mantsy no nataoko namana. Tiako be ny fomba fiainan-dry zareo.”​—Isaac, avy any Kenya.

 2 Korintianina 7:1: “Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’izay rehetra mandoto ny vatana sy ny saina.”

 “Nandevozin’ny zava-mahadomelina aho taloha ary nanao zavatra nanimba ny tenako. Io andinin-teny io anefa no nanampy ahy hiezaka mba hadio foana sy hanova ny fiainako.”​—Rosa, avy any Kolombia.

 Filipianina 4:13: “Fa manana ny hery hiatrehana an’izay rehetra mitranga aho, noho ilay manome hery ahy.”

 “Fantatro hoe tsy ho vitako irery ny hiala tamin’ny zava-mahadomelina, dia nivavaka tamin’Andriamanitra aho mba hampiany. Dia nomeny hery hialako amin’ilay izy aho.”​—Patrizia, avy any Italia.

 Tantara tena nisy: Afaka tamin’ny zava-mahadomelina satria nampian’ny Baiboly

 Joseph Ehrenbogen: Feno herisetra ny nanodidina azy. Lasa nandevozin’ny toaka, paraky, rongony, ary herôinina izy. Efa imbetsaka izy no saika maty, satria be loatra ny rongony laniny. Andinin-teny iray izay no tena nandresy lahatra azy hoe afaka ny hiova izy. Vakio ny tantarany ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Lasa Nahay Nanaja Tena sy Nanaja Vehivavy Aho.”

 Dmitry Korshunov: Niady mafy mba hiala tamin’ny toaka izy nefa imbetsaka no lavo indray. Jereo ilay video hoe ‘Nankaleo Ahy ny Fomba Fiainako’, mba hahitanao hoe inona no nanampy azy.

 Raran’ny Baiboly ve ny hoe mampiasa fanafody mba hialana amin’ny zava-mahadomelina?

 Tsia. Izao no lazain’ny Baiboly: “Tsy ny olona salama no mila dokotera, fa ny marary.” (Matio 9:12) Izao koa no resahin’ny Foibe Amerikanina Miady Amin’ny Fidorohana Zava-mahadomelina: “Aretina sarotra tsaboina ny hoe andevozin’ny zava-mahadomelina. Tsy mora ny miala amin’ilay izy na dia tapa-kevitra sy vonona hoatran’inona aza ianao.” Ho vitanao anefa izany raha ampian’Andriamanitra ianao satria mahery lavitra ny hery avy aminy. Na dia nampian’ny Baiboly aza anefa ny olona sasany mba hiala tamin’ny zava-mahadomelina, dia nanampy azy koa ny nanaraka fitsaboana. c Izao, ohatra, no tadidin’ny lehilahy iray atao hoe Allen rehefa niala tamin’ny toaka izy: “Nanaintaina be ny vatako tamin’izay, dia hitako hoe tsy maintsy mihinam-panafody aho na dia efa manampy ahy aza ny Baiboly.”

 Raran’ny Baiboly ve ny hoe mampiasa zava-mahadomelina mba hitsaboana tena?

 Tsia. Miresaka mantsy ny Baiboly hoe nisy fotoana nampiasaina mba hitsaboana aretina ny zava-pisotro misy alkaola, na nampiasaina mba hampihenana fanaintainana. (Ohabolana 31:6; 1 Timoty 5:23) Mety lasa hiankin-doha amin’ny toaka anefa ny olona iray raha zatra misotro, dia hoatran’izany koa hoe lasa andevozin’ny fanafody fampihenana fanaintainana ny olona iray raha zatra mampiasa an’izany. Fahendrena àry ny mandinika ny mety ho vokatry ny fampiasana an’ireny fanafody ireny ary mitandrina tsara rehefa mampiasa azy ireny.​—Ohabolana 22:3.

a Marina hoe natao hanampiana ny olona mba hiala amin’ny zava-mahadomelina ity lahatsoratra ity. Azo ampiharina koa anefa ny torolalana ato raha te hiala amin’ny toaka ny olona iray, na te hiala amin’ny paraky, na filokana, na fijerena sary vetaveta, na te hifehy tena amin’ny resaka sakafo na amin’ny fampiasana tambazotran-tserasera.

b Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Jereo koa ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?

c Mety hanampy ny manatona hopitaly, na toeram-pitsaboana na manaraka fandaharana hafa manampy ny olona mba hiala amin’ny zava-mahadomelina. Mila mandinika tsara an’izay safidy misy anefa ny tsirairay ary mijery hoe inona no tena mety.​—Ohabolana 14:15.