Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hanampy Anao Tsy Hanahy Be Loatra?

Inona no Hanampy Anao Tsy Hanahy Be Loatra?

 Mety harary sy ho kivy ary hitebiteby lava ianao raha manahy be loatra. Mety vao mainka hiteraka olana ngezabe ho anao indray aza izany, ankoatra an’ilay zavatra efa mampanahy anao.

Ireto misy soso-kevitra afaka manampy anao tsy hanahy be loatra:

  •  Fero ny vaovao ratsy jerenao sy vakinao ary henoinao. Raha misy zava-dratsy iray mitranga, dia tsy voatery ho fantatrao daholo ny tsipirian’ilay izy. Raha be loatra ny vaovao ratsy jerenao sy vakinao ary henoinao, dia vao mainka ianao hatahotra sy tsy hanana fanantenana intsony.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Ny fahakiviana . . . mahamaina taolana.”—Ohabolana 17:22.

     “Misy zavatra mahaliana sy vaovao ratsy be dia be ao amin’ny Internet. Mora manandevo antsika izy ireny nefa tena ratsy izany. Lasa tsy dia manahy be loatra intsony aho rehefa noferako ny vaovao jereko.”—John.

     Eritrereto izao: Tsy maintsy maharaka an’izay vaovao farany rehetra ve ianao?

  •  Miezaha hanana fandaharam-potoana matotra tsara, dia araho ilay izy. Ataovy amin’ny fotoana mitovy foana ny zavatra fanaonao isan’andro, fa aza ovaovana, ohatra hoe mifoha amin’ny maraina, misakafo, manao raharaha, ary mandeha matory. Hahafinaritra kokoa anao ny fiainanao raha manana fandaharam-potoana ianao rehefa manao zavatra, sady manampy anao tsy hanahy be loatra izany.

     Toro lalan’ny Baiboly: “Ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha ataon’ny mazoto.”—Ohabolana 21:5.

     “Rehefa nanomboka ny valanaretina COVID-19, dia tsy nahavita nanaraka ny fandaharam-potoanako intsony aho fa lasa variana tamin’ny fialam-boly. Tiako raha nampiasaina tsara kokoa ny fotoanako fa tsy ho lanilany fotsiny, dia nanamboatra fandaharam-potoana aho. Nataoko tao daholo izay zavatra tiako hovitaina isan’andro.”—Joseph.

     Eritrereto izao: Manana fandaharam-potoana ve ianao mba hahitanao hoe inona avy ny zavatra vitanao isan’andro?

  •  Miezaha hifantoka amin’ny zavatra tsara eo amin’ny fiainanao. Raha variana mieritreritra ny zavatra tsy nety nataonao tamin’ny lasa sy izay zavatra ratsy mety hitranga amin’ny hoavy ianao, dia vao mainka hanahy be. Tsy aleo ve mieritreritra zavatra roa na telo mba nahafinaritra anao teo amin’ny fiainanao?

     Toro lalan’ny Baiboly: “Asehoy fa mahay mankasitraka ianareo.”—Kolosianina 3:15.

     “Rehefa mamaky Baiboly aho dia lasa tsy mifantoka amin’ny vaovao ratsy fa variana mieritreritra zavatra tsara. Hoatran’ny hoe tsotra kely izany, nefa tena mandaitra!”—Lisa.

     Eritrereto izao: Izay zavatra ratsy nitranga teo amin’ny fiainanao foana ve no eritreretinao, dia lasa hadinonao izay mba tsara nitranga?

  •  Miezaha hanampy ny hafa. Raha manahy be foana ianao, dia mety ho lasa te hitokantokana. Tsy aleonao ve anefa manampy an’izay mila fanampiana?

     Toro lalan’ny Baiboly: “Aoka ny tsirairay aminareo hihevitra izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany ihany.”—Filipianina 2:4.

     “Faly aho rehefa manao zavatra ho an’ny hafa. Mahasoa an-dry zareo ilay zavatra ataoko nefa sady manampy an’ahy tsy dia hanahy loatra. Rehefa variana manampy olona mantsy aho dia lasa tsy manam-potoana hieritreretana zavatra mampanahy intsony.”—Maria.

     Eritrereto izao: Iza amin’ny olona fantatrao no mila fanampiana manokana, dia inona no azonao atao mba hanampiana an-dry zareo?

  •  Miezaha ho salama tsara. Miezaha ho ampy torimaso tsara ary manaova fanatanjahan-tena. Mihinàna sakafo mahasalama. Rehefa miezaka ny ho salama tsara mantsy ianao, dia tsy ho mora kivy sady tsy hanahy be loatra.

     Toro lalan’ny Baiboly: ‘Mahasoa kely ny fampiasan-tena.’—1 Timoty 4:8.

     “Tsy dia afaka manao fanatanjahan-tena any ivelany izaho sy ilay zanako lahy, dia nataonay ao anatin’ny fandaharam-potoananay mihitsy hoe ao an-trano izahay no manao fanatanjahan-tena. Manampy anay mianaka ho falifaly sy ho tsara fanahy ary hifandefitra ilay izy.”—Catherine.

     Eritrereto izao: Mila miezaka manao fanatanjahan-tena sy mihinana sakafo ara-pahasalamana ve ianao, amin’izay salama kokoa?

 Ankoatra an’ireo soso-kevitra ireo, dia betsaka koa no nahatsapa hoe lasa tsy nanahy be intsony izy ireo rehefa nianatra ny fampanantenan’ny Baiboly hoe tena hahafinaritra be ny hoavy. Jereo ilay lahatsoratra hoe “Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?”