Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Fanahiana

Fanahiana

Misy vokany roa ny fanahiana. Mety hahasoa izy io nefa mety hanimba koa. Manampy antsika hamantatra an’izany ny Baiboly.

Ara-dalàna ve raha manahy isika?

ZAVA-MISY

Tsy mahazo aina, na sorena, na mitebiteby isika rehefa manahy. Tsy azo antoka ity tontolo ity, ka mety hanahy daholo na iza na iza.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Hoy i Davida Mpanjaka: “Mandra-pahoviana aho no hiady irery, ka halahelo am-po foana tontolon’ny andro?” (Salamo 13:2) Inona no nanampy azy? Namboraka ny tao am-pony tamin’Andriamanitra izy, sady natoky hoe tia azy Andriamanitra ary tsy hivadika aminy. (Salamo 13:5; 62:8) Asain’Andriamanitra manao toy izany koa isika. Hoy ny 1 Petera 5:7: “Apetraho aminy daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.”

Tsy hanahy be loatra momba an’ireo olona tiantsika isika raha manao zavatra ho azy ireo

Misy zavatra hafa azo atao anefa mba tsy hanahy be loatra isika. Rehefa ‘nanahy momba ny fiangonana rehetra’, ohatra, ny apostoly Paoly dia niezaka nampahery azy ireo. (2 Korintianina 11:28) Nahasoa ilay fanahiana teo, satria nahatonga azy hanampy ny hafa. Afaka manao toy izany koa isika. Tsy manam-pitiavana isika, raha tsy miraharaha an’ireo mila fanampiana.—Ohabolana 17:17.

“Aoka ny tsirairay aminareo hihevitra izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany ihany.”Filipianina 2:4.

Inona no azonao atao raha manahy be loatra ianao?

ZAVA-MISY

Mety hampanahy ny olona ny zavatra tsy nety nataony taloha, na ny hoavy, na ny resa-bola. *

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Fanahiana momba ny zavatra tsy nety natao: Mpimamo, mpanao an-keriny, mpijangajanga, na mpangalatra ny olona sasany tamin’ny taonjato voalohany, tamin’izy mbola tsy Kristianina. (1 Korintianina 6:9-11) Tsy nifantoka tamin’izany anefa izy ireo fa niova, ary natoky hoe hamindra fo aminy Andriamanitra. Namela azy ireo tokoa izy. Hoy mantsy ny Salamo 130:4 momba azy: “Ao aminao ny tena famelan-keloka.”

Fanahiana momba ny hoavy: Hoy i Jesosy Kristy: “Aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso, fa ny ampitso hanana ny fanahiany.” (Matio 6:25, 34) Ny olana androany ihany àry ifantohana. Ho mafy kokoa izany raha atambatrao amin’ny olana hitranga rahampitso, ary mety hahatonga anao tsy hisaina tsara sy ho maimaika hanapa-kevitra. Tadidio koa fa mety tsy hitranga akory ny ankamaroan’ny zavatra mampanahy anao.

Fanahiana momba ny vola: Nivavaka ny lehilahy hendry iray hoe: “Aza atao mahantra aho, nefa aza atao manankarena koa.” (Ohabolana 30:8) Niezaka ny ho afa-po tamin’izay nananany izy, ary nankasitrahan’Andriamanitra izany. Hoy ny Hebreo 13:5: “Aoka ny fomba fiainanareo tsy hisy fitiavam-bola, fa aoka ianareo hianina amin’izay efa eo. Fa hoy izy [Andriamanitra]: ‘Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao velively.’” Mety handiso fanantenana ny vola, fa Andriamanitra kosa tsy mba handiso fanantenana an’izay matoky azy sy miezaka hanatsotra fiainana.

‘Mbola tsy nahita olo-marina nafoy tanteraka aho, na nahita ny zanany nangataka hanina.’Salamo 37:25.

Tsy hanahy intsony ve isika indray andro any?

INONA NO LAZAIN’NY OLONA?

Hoy ilay mpanao gazety atao hoe Harriet Green: “Hafa mihitsy ny vanim-potoana misy antsika, raha ny fanahiana no resahina.” (Ilay Mpiambina, anglisy, 2008) Hoy koa i Patrick O’Connor: “Mbola tsy nanahy be hoatr’izao mihitsy ny Amerikanina.” (Gazetin’i Wall Street, anglisy, 2014)

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

“Ny tebiteby ao am-pon’ny olona no mahakivy ny fony, fa ny teny soa kosa no mahafaly ny fony.” (Ohabolana 12:25) Anisan’ny “teny soa” ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 24:14) Tsy ho ela io Fanjakana io dia hanao zavatra tsy vitan’ny olombelona. Hesoriny ny aretina sy ny fahafatesana, izay tena mahatonga ny fanahiana. Hofafan’Andriamanitra ‘ny ranomaso rehetra amin’ny masontsika, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.’—Apokalypsy 21:4.

“Ilay Andriamanitra manome fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra noho ny finoanareo.”Romanina 15:13.

^ feh. 10 Mila manatona dokotera angamba ny olona iray raha manahy be loatra. Tsy mampirisika olona hanaraka fitsaboana manokana anefa ny Mifohaza!