Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hanampy Ahy Tsy Hiady Saina Raha Irery Aho?

Inona no Hanampy Ahy Tsy Hiady Saina Raha Irery Aho?

 Mahatsiaro ho irery ve ianao? Mety ho hoatran’ny tsapan’ny mpanao salamo iray no tsapanao. Hoy izy: “Toy ny vorona manirery eny an-tampon-trano [aho].” (Salamo 102:7) Afaka manampy anao hiatrika an’izany ny Baiboly.

 Miezaha hifandray kokoa amin’Andriamanitra

 Na dia irery aza ianao dia afaka ny ho falifaly, raha miaiky hoe mila mahafantatra an’Andriamanitra sady miezaka hahafantatra azy. (Matio 5:3, 6) Hanampy anao amin’izany ireto:

 Mamakia andininy mampahery avy ao amin’ny Baiboly

 Betsaka ny olona nahazo fampiononana rehefa namaky an’ireo andininy etsy ambany ireo. Isaky ny avy mamaky ny iray amin’ireo ianao dia hararaoty hivavahana sy hisaintsainana ny fotoana maha irery anao, fa aza maika hamaky azy rehetra ireo indray mandeha.—Marka 1:35.

 Fantaro hoe nahoana no misy zava-dratsy mitranga

 Ho mora kokoa aminao ny hizaka ny zavatra mampiady saina anao, raha takatrao hoe nahoana no misy zava-dratsy mitranga ary inona no hataon’Andriamanitra mba hanafoanana azy ireny.—Isaia 65:17.

 Miezaha mba tsy hanahy be loatra

 Mety hiady saina ianao rehefa irery. Afaka manampy anao tsy hiady saina sy ‘tsy hanahy intsony’ ny lahatsoratra momba ny foto-kevitra eto ambany.—Matio 6:25.

 Miezaha hifandray amin’ny hafa

 Milamin-tsaina sy tony ianao rehefa mana-namana. Vao mainka ianao mila namana rehefa sarotra ny mihaona amin’olona. Inona àry no azonao atao raha tsy maintsy mijanona ao an-trano ianao? Hahazo namana vaovao ianao sady hifandray amin’ny namanao foana raha miantso an-telefaonina na miresaka amin’ny alalan’ny vidéoconférence. Hanampy anao ho “tena namana” sy hahita “tena namana” ny lahatsoratra eto ambany.—Ohabolana 17:17.

 Manaova fanatanjahan-tena

 Milaza ny Baiboly hoe ‘mahasoa ny fampiasan-tena.’ (1 Timoty 4:8) Hanampy anao hisaina tsara kokoa sy ho faly kokoa izany, indrindra raha irery ianao. Na dia tsy maintsy mijanona ao an-trano aza ianao dia afaka mihetsiketsika foana.