Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TSY TE HIADY SAINA BE INTSONY VE IANAO?

Ahoana no Hiatrehana ny Adin-tsaina?

Ahoana no Hiatrehana ny Adin-tsaina?

Hahavita hiatrika ny adin-tsaina ianao raha mitandrina ny fahasalamanao, miezaka mifandray tsara amin’ny hafa, ary manao loha laharana an’izay zava-dehibe kokoa. Misy toro lalana hanampy anao amin’izany ato amin’ity lahatsoratra ity.

Ny androany ihany aloha atrehina

“Aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso, fa ny ampitso hanana ny fanahiany.”​—MATIO 6:34.

Ahoana izany? Misy zavatra mampanahy foana isan’andro. Aza manahy ny amin’ny ampitso àry. Manampy trotraka ny zavatra efa mampanahy anao fotsiny izany.

  • Mety hanahy ianao rehefa miady saina. Andramo àry izao: Voalohany, ekeo hoe tsy azo ialana ny olana sasany. Raha manahy be momba an’ilay izy ianao, dia hampitombo ny adin-tsainao fotsiny izany. Faharoa, tadidio fa matetika no tsy mitranga akory ny zavatra mampanahy antsika.

Aza mitady ny tonga lafatra

“Ny fahendrena avy any ambony kosa dia ... mahay mandanjalanja.”​—JAKOBA 3:17.

Ahoana izany? Aza mieritreritra hoe hety be foana ny zavatra ataonao na ataon’ny hafa.

  • Miezaha hanetry tena. Ekeo hoe voafetra ny zavatra azonao atao sy azon’ny hafa atao, ary aza mitaky mihoatra an’izay. Inona no ho vokany raha manao an’izany ianao? Tsy dia hiady saina ianao sy ny olona mifanerasera aminao, ary hahavita zavatra tsara kokoa ianareo. Miezaha koa ho tia vazivazy. Misy vokany tsara mantsy rehefa mihomehy ianao, na dia misy zavatra tsy mety aza. Lasa falifaly kokoa ianao sady tsy dia hiady saina.

Fantaro hoe inona no mahatonga anao hiady saina

“Tony ny olona mahay manavaka.”—OHABOLANA 17:27.

Ahoana izany? Lasa tsy misaina tsara ianao rehefa manahy, tezitra, na tsy manam-paharetana. Miezaha àry ho tony foana.

  • Fantaro hoe inona no mahatonga anao hiady saina, ary inona no vokatr’ilay izy eo aminao. Ahoana, ohatra, ny fihetsikao? Inona ny zavatra eritreretinao na tsapanao? Azonao soratana mihitsy izany. Ho hainao kokoa amin’izay ny hiatrika ny adin-tsainao. Eritrereto koa hoe inona no azonao atao mba hanesorana an’ilay olana mampiady saina anao. Ahoana anefa raha tsy vitanao izany? Jereo hoe inona no azonao atao mba tsy hiady saina be amin’ilay izy ianao. Azonao hatsaraina angamba ny fomba anaovanao zavatra, na ovana ny fandaharam-potoananao mba hilamina kokoa.

  • Ovao ny fomba fijerinao. Mety tsy hampiady saina ny hafa mantsy ny zavatra mampiady saina anao. Inona àry no hanampy anao hanova ny fomba fijerinao? Ireto misy soso-kevitra telo:

    1. Aza tonga dia mieritreritra hoe ratsy saina ny hafa. Ahoana, ohatra, raha misy misongona ianao rehefa milahatra eo amin’ny toerana iray? Mety ho tezitra ianao raha tonga dia mieritreritra hoe tsy mahalala fomba ilay olona. Aleo kosa mieritreritra hoe misy antony tsara matoa izy nisongona anao. Ary mety ho izay mihitsy no izy!

    2. Jereo hoe inona no maha tsara an’ilay zavatra mampiady saina anao. Ahoana, ohatra, raha lava be ny filaharana mankao amin’ny dokotera? Azonao hararaotina izany mba hamakiana lahatsoratra na boky, na hamaliana e-mail.

    3. Fantaro raha tena olana be ilay izy na tsia. Eritrereto izao: ‘Sao dia tsy hampaninona intsony ilay izy rahampitso na amin’ny herinandro?’

Alamino tsara izay ataonao

“Aoka ny zava-drehetra hatao amim-pahamendrehana sy amim-pilaminana.”​—1 KORINTIANINA 14:40.

Ahoana izany? Ataovy milamina foana izay zavatra ataonao.

  • Faly isika rehefa mba milamina ny zavatra ataontsika. Raha zatra mangataka andro anefa ianao, dia hikorontana ny zavatra ataonao ary ho betsaka ny zavatra tsy ho vitanao. Hahatonga anao hiady saina izany. Inona àry no azonao atao?

    1. Manaova fandaharam-potoana azonao arahina, dia aza miala amin’izany.

    2. Jereo hoe inona no mahatonga anao hangataka andro, ary ahitsio ilay izy.

Mahaiza mandanjalanja amin’ny resaka asa

“Aleo fialan-tsasatra eran-tanan’ila, toy izay asa mafy eran-tanan-droa nefa toy ny misambo-drivotra fotsiny.”​—MPITORITENY 4:6.

Ahoana izany? Tsy mandray soa avy amin’ny “asa mafy eran-tanan-droa” ataony ny olona adalan’asa. Tsy afaka mankafy ny vokatry ny asa mafy ataony izy, satria mety ho reraka loatra na tsy hanam-potoana.

  • Tsy hoe rehefa manam-bola kokoa ianao, dia hihena ny adin-tsainao na ho sambatra kokoa ianao. Milaza mihitsy aza ny Mpitoriteny 5:12 hoe: “Ny habetsahan’ny fananan’ny mpanankarena ... no tsy ahitany tory.” Miezaha àry hianina amin’izay anananao.

  • Manokàna fotoana hialana voly. Tsy dia miady saina mantsy ianao rehefa manao zavatra tianao. Tsy tena manampy anefa ny fialam-boly sasany, ohatra hoe mijery tele. Izay ataon’ny hafa fotsiny mantsy no jerenao, fa tsy mandray anjara ianao.

  • Mahaiza mandanjalanja rehefa mampiasa fitaovana elektronika. Tandremo, ohatra, sao dia lasa mijery telefaonina foana ianao, mba hahitana raha misy hafatra tonga. Rehefa ivelan’ny ora fiasana dia aza mijery hafatra mifandray amin’ny asa, raha tsy hoe tena ilaina izany.

Miezaha hitandrina ny fahasalamanao

“Mahasoa ... ny fampiasan-tena.”​—1 TIMOTY 4:8.

Ahoana izany? Ho salama kokoa ianao raha manao fanatanjahan-tena matetika.

  • Miezaha hanana fahazarana tsara. Ilaina, ohatra, ny manao fanatanjahan-tena. Ho falifaly kokoa ianao amin’izay, sady hahavita hiatrika kokoa ny adin-tsaina ny vatanao. Mihinàna sakafo mahasalama, aza manapatapaka sakafo, ary makà aina tsara.

  • Tandremo sao lasa manimba tena. Misy misotro toaka be na mifoka zava-mahadomelina mba hiatrehana ny adin-tsainy. Mety hahatonga azy harary sy ho lany vola anefa izany, ka vao mainka izy hiady saina.

  • Manatòna dokotera raha mila tsy ho zakanao ny adin-tsainao. Tsy mahamenatra ny mangataka fanampiana hoatr’izany.

Izay zava-dehibe kokoa atao voalohany

‘Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa.’​—FILIPIANINA 1:10.

Ahoana izany? Diniho tsara hoe inona no zava-dehibe aminao.

  • Ataovy lisitra ireo zavatra mila ataonao, ary alaharo arakaraka izay zava-dehibe aminao ilay izy. Hanampy anao hifantoka amin’izay zava-dehibe kokoa izany. Ho hitanao koa hoe inona no tsy tena maika, azo ampanaovina olon-kafa, na tsy mila atao akory.

  • Andramo izao mandritra ny herinandro: Jereo hoe hoatran’ny ahoana ny fomba ampiasanao ny fotoananao. Jereo avy eo hoe inona no tokony hahitsinao mba tsy ho lanilany fotsiny ny fotoananao. Raha hainao tsara ny mampiasa ny fotoananao, dia tsy hiady saina be ianao.

  • Ampidiro ao amin’ny fandaharam-potoananao ny hoe rahoviana ianao no haka aina. Na vetivety fotsiny aza ilay izy, dia efa hanampy anao hahazo hery indray sady hampihena ny adin-tsainao.

Mangataha fanampiana

“Ny tebiteby ao am-pon’ny olona no mahakivy ny fony, fa ny teny soa kosa no mahafaly ny fony.”—OHABOLANA 12:25.

Ahoana izany? Lasa falifaly ianao rehefa maheno teny mahafinaritra avy amin’ny hafa.

  • Miresaha amin’ny olona iray afaka mahazo tsara an’izay tsapanao. Mety hanampy anao hahita vahaolana tsy noeritreretinao mihitsy izy, na hanampy anao hanova ny fomba fijerinao an’ilay olana. Na ilay mamboraka ny any am-ponao fotsiny aza dia efa mety hanampy anao ho maivamaivana.

  • Mitadiava olona hanampy anao hamita ny asanao. Eritrereto koa sao dia misy asa azonao ampanaovina olon-kafa.

  • Raha mampiady saina anao ny zavatra ataon’ny mpiara-miasa aminao, dia ataovy izay handaminana an’ilay olana. Azonao resahina aminy ve, ohatra, ny zavatra tsapanao? Miezaha ho tsara fanahy rehefa manao an’izany, ary fidio tsara ny teny holazainao. (Ohabolana 17:27) Ahoana anefa raha mbola tsy milamina ihany ilay izy? Miezaha tsy hifanerasera be aminy intsony raha azo atao.

Araho ny tari-dalan’Andriamanitra

“Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.”—MATIO 5:3.

Ahoana izany? Tsy ampy ny hoe manana sakafo sy fitafiana ary trano, raha te ho sambatra. Tokony hiaiky koa isika hoe mila ny tari-dalan’Andriamanitra, ary miezaka manaraka an’izany.

  • Tena manampy ny vavaka. Manasa anao Andriamanitra mba ‘hametraka aminy izay rehetra mampanahy anao, satria miahy anao izy.’ (1 Petera 5:7) Tena hilamin-tsaina ianao raha mivavaka sady misaintsaina zavatra mampahery.—Filipianina 4:6, 7.

  • Mamakia lahatsoratra hanampy anao hifandray kokoa amin’Andriamanitra. Avy ao amin’ny Baiboly ireo toro lalana ato amin’ity gazety ity. Manampy anao hifandray akaiky amin’Andriamanitra ny Baiboly, sady manampy anao hanana ‘fahendrena sy fahaiza-misaina.’ (Ohabolana 3:21) Maninona àry raha miezaka mamaky azy io? Azonao atomboka amin’ny bokin’ny Ohabolana izany.