Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Fahasalamana

Fahasalamana

Tian’Andriamanitra hitandro fahasalamana ve isika?

“Aoka ianao tsy ho isan’ny mpiboboka divay sy mpihinan-kena tafahoatra.”Ohabolana 23:20.

ILAINA FANTARINA IZANY

Tsy boky momba ny fitsaboana ny Baiboly, sady tsy voalaza ao daholo izay tokony hatao sy tsy tokony hatao. Handray soa anefa ianao raha fantatrao ny hevitr’Andriamanitra momba ny fahasalamana.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Asehon’ny andinin-teny maro fa tian’Andriamanitra hitandro ny fahasalamantsika isika. Melohin’ny Baiboly, ohatra, ny fihinanana tafahoatra sy ny fimamoana. (Ohabolana 23:20) Hita tao amin’ny Lalàna nomena ny Israelita ny fepetra tsy maintsy noraisina mba tsy hielezan’ny aretina, na hisorohana izany mihitsy aza. Nomena toromarika voafaritra tsara koa izy ireo, mba hisorohana loza. (Deoteronomia 22:8) Mampirisika antsika hitandro fahasalamana tokoa ny Baiboly.

Nahoana isika no marary, araka ny voalazan’ny Baiboly?

‘Avy tamin’ny olona iray no nidiran’ny ota ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana.’Romanina 5:12.

 IZAY LAZAIN’NY OLONA

Maro no mino fa nisy ny aretina, satria tsy nizotra tsara ny evolisiona. Ny hafa indray milaza fa avy amin’ny fanahy ratsy izy ireny.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Marary isika, hoy ny Baiboly, satria nikomy tamin’Andriamanitra ny olombelona voalohany. (Romanina 5:12) Lavorary i Adama sy Eva, ireo ray aman-drenintsika voalohany, talohan’ny nikomiany. Fantany hoe ho faty izy raha tsy mankatò. (Genesisy 2:16, 17) Ninia nivadika tamin’Andriamanitra anefa izy ireo, ka lasa tsy lavorary. *

Lasa tsy lavorary koa ny taranak’i Adama sy Eva. Mbola marary ihany àry isika, na eo aza ny ezaka atao hamongorana ny aretina.

IZAY AZONAO ATAO

Milaza ny Baiboly fa tokony hihavana amin’Andriamanitra ianao ka hankatò an’ireo fitsipiny feno fahendrena. Amin’izay dia hanana fahasalamana tonga lafatra ianao, rehefa lasa Paradisa ny tany. (Isaia 33:24) Mampanantena Andriamanitra fa hanafoana ny fanaintainana sy ny aretina ary ny fahafatesana.—Apokalypsy 21:3, 4.

Tsy mampirisika ny olona hitsabo tena ve ny Baiboly?

“Tsy ny olona salama no mila dokotera, fa ny marary.”Matio 9:12.

IZAY LAZAIN’NY OLONA

Misy milaza hoe aleo manatona mpanasitrana amin’ny alalan’ny finoana toy izay manatona mpitsabo.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Nisy mpitsabo teo amin’ny Israelita fahiny, ary tsy nandrara izany Andriamanitra. (Genesisy 38:28; Kolosianina 4:14) Nampiasa ravinkazo izy ireny na menaka, na nandidy ny olona hitandrin-tsakafo, sy ny toy izany. Tsy resahin’ny Baiboly mihitsy hoe tezitra tamin’izany Andriamanitra. Na i Jesosy aza niaiky hoe: “Tsy ny olona salama no mila dokotera, fa ny marary.”—Matio 9:12.

Tsy ny karazana fitsaboana rehetra anefa no eken’ny Baiboly. Tsy ekeny, ohatra, ny fanasitranana amin’ny alalan’ny finoana, izay fanaon’ny olona ankehitriny. Tsy ankasitrahan’Andriamanitra koa ny fitsaboana mifandray amin’ny asan’ny maizina. (Galatianina 5:19-21) Tsy tokony hanao zavatra melohin’ny Baiboly àry ianao rehefa marary fa hanatona mpitsabo, raha misy eny aminareo.

^ feh. 10 Ilay teny hoe “lavorary” ampiasaina ato dia entina ilazana fa nanana fahasalamana tonga lafatra i Adama sy Eva tamin’izy ireo vao noforonina, ka tsy nandairan’aretina na fahafatesana ny vatany.