Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA

Te Hahazo Namana Tsara ve Ianao?

Te Hahazo Namana Tsara ve Ianao?

IZAO no nitranga tany Grande-Bretagne tamin’ny 25 Desambra 2010: Nametraka hafatra tao amin’ny tranonkala fifaneraserana fanta-daza iray ny vehivavy 42 taona hoe hamono tena. Hita tamin’ny teniny fa tena nila olona hiantra azy izy. Nanana “namana” an’arivony tao izy, nefa tsy mba nisy nanampy azy na iray aza. Hitan’ny polisy ny ampitso fa maty izy, satria nihinana fanafody be dia be.

Mandroso be izao ny teknolojia ka mora kely ny mahazo namana an-jatony, na an’arivony mihitsy aza, ao amin’ny Internet. Ampidirinao ho isan’ny “namanao” fotsiny ry zareo, dia izay. Azonao esorinao fotsiny koa ny anarany raha tianao, dia tsy “namanao” intsony izy! Asehon’ilay tantara teo anefa fa betsaka no tsy mba mana-namana, hoe tena namana. Hita tamin’ny fanadihadiana vao haingana aza, fa mihena ny isan’ny mpinamana akaiky, na dia mifanerasera be aza ny olona.

Miaiky angamba ianao fa ilaina izany hoe tena namana izany. Tsy voatery hahita namana toy izany anefa ianao, raha mampiditra anaran’olona ao amin’ny telefaonina sy ordinatera fotsiny. Hoatran’ny ahoana àry ny atao hoe tena namana? Inona no tokony hataonao mba ho namana tsara ianao? Ahoana no atao mba ho mpinamana foana?

Ireto àry misy toro lalana efatra avy ao amin’ny Baiboly, hanampy anao mba ho namana tsara ho an’ny hafa.

1. Asehoy fa tena mitady izay hahasoa azy ianao

Misy andraikitra amin’izany hoe tena mpinamana izany. Raha tena namanao, ohatra, ny olona iray, dia ho tsapany hoe andraikiny ny manampy anao, ary tena mitady izay hahasoa anao izy. Ianao koa tokony hanao an’izany aminy. Mitaky ezaka be izany, nefa tsy anenenana. Eritrereto àry hoe: ‘Vonona hahafoy tena, na hahafoy fotoana sy fananana ho an’ny namako ve aho?’ Tadidio fa raha tianao ny hanana namana tsara, dia ianao mihitsy aloha no tokony ho namana tsara.

INONA NO ANTENAIN’NY OLONA AMIN’NY NAMANA?

Irene: “Hoatran’ny zaridaina ihany ny namana, satria mila fotoana sy fikarakarana foana. Ianao aloha no tokony ho namana tsara. Eritrereto izay tena hahasoa azy, ary miezaha foana ho tsara fanahy. Dia mba anokany fotoana izy rehefa mila anao.”

Luis Alfonso: “Ny fiainana amin’izao andro izao mihitsy no mahatonga ny olona ho lasa tia tena fa tsy tia manampy ny hafa. Dia mba faly erỳ ianao rehefa misy olona tena miahy anao ary tsy mitady valiny.”

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

“Izay tianareo hataon’ny olona aminareo no ataovy aminy koa. Aoka ianareo ho zatra manome dia mba homena koa ianareo.” (Lioka 6:31, 38) Mampirisika antsika halala-tanana fa tsy ho tia tena i Jesosy eo. Izany mantsy no mahatonga ny olona ho tena mpinamana. Raha manampy ny namanao foana àry ianao nefa tsy hoe mitady valiny, dia hiraiki-po aminao izy.

2. Miresaha nefa koa mihainoa

Lasa tsy mifankafoy ny mpinamana rehefa mifampiresaka foana. Ifampiresaho àry izay zavatra mahaliana anareo. Henoy tsara koa izy rehefa miteny, ary hajao ny heviny. Ampaherezo izy, ary derao rehefa nahavita zavatra tsara. Mila omena torohevitra na ahitsy koa ny namana indraindray, ary mety tsy ho mora izany. Raha tena tia azy anefa ianao, dia hitady fomba hitenenana azy, raha nisy hadisoana be nataony.

INONA NO ANTENAIN’NY OLONA AMIN’NY NAMANA?

Juan: “Tsy misalasala milaza ny heviny ny tena namana, nefa tsy tezitra rehefa tsy mitovy hevitra aminy ianao.”

Eunice: “Tena tiako ny namako rehefa manokana fotoana hiarahana amiko, sady mba tena mihaino rehefa misy manahirana ahy.”

Silvina: “Mitsotra ny marina foana ny tena namana, na dia fantany aza fa mety hankarary ny fonao ilay izy. Izay tena hahasoa anao mantsy no tadiaviny.”

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

“Aoka ny olona rehetra ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny, tsy ho mora tezitra.” (Jakoba 1:19) Tian’ny olona ny namana mahay mihaino. Aza mibodo resaka àry, satria lasa hoatran’ny hoe ny hevitrao foana no zava-dehibe fa ny an’ny hafa tsy misy dikany. Henoy tsara kosa ny namanao rehefa mamboraka ny ao am-pony sy izay mampanahy azy. Ary aza tezitra raha mba mitsotra ny marina aminao izy. Izay mantsy ilay lazain’ny Ohabolana 27:6 hoe: “Ny ratra ataon’izay tia anao dia mariky ny tsy fivadihany aminao.”

3. Aza manantena be loatra

Arakaraka ny hiarahanao amin’ny namanao no hahitanao ny kileman-toetrany. Mba olombelona hoatr’anao koa mantsy izy! Aza manantena azy ho lavorary àry. Mifalia fotsiny amin’izay toetra tsarany, dia mba mandefera rehefa tsy mety ny ataony.

INONA NO ANTENAIN’NY OLONA AMIN’NY NAMANA?

Samuel: “Manantena zavatra be amin’olona isika indraindray, nefa na isika aza tsy mahavita an’ilay izy. Tsara ny mitadidy hoe isika koa ange mba manao diso e. Ho mora amintsika amin’izay ny mamela ny fahadisoan’ny hafa.”

Daniel: “Tadidio fa tsy maintsy hanao fahadisoana ny namanao. Mifandamìna haingana fotsiny rehefa misy ny olana, dia hadinoy any ilay izy avy eo!”

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Vonona hamela heloka ve ianao?—Kolosianina 3:13, 14.

‘Manao fahadisoana imbetsaka isika rehetra. Raha misy tsy manao fahadisoana amin’izay lazainy, dia izy no olona lavorary, mahafehy ny tenany manontolo koa.’ (Jakoba 3:2) Miezaha àry hahatsapa izay mba tsapan’ny namanao. Ho hainao amin’izay ny hamela ny hadisoana madinidinika ataony, na dia sosotra ihany aza ianao. Hoy mantsy ny Kolosianina 3:13, 14: “Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany ... Fa ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia fitiavana fa fatorana mampiray tonga lafatra izy io.”

4. Mifandraisa amin’olona isan-karazany

Marina fa ilaina ny mahay mifidy namana. Tsy midika anefa izany hoe izay mitovitovy taona na fahaizana amintsika ihany no tokony hataontsika namana. Miaraha àry amin’olona tsy mitovy taona na fiaviana na kolontsaina aminao, dia hahafinaritra kokoa ny fiainanao!

INONA NO ANTENAIN’NY OLONA AMIN’NY NAMANA?

Unai: “Tsara ny mana-namana samihafa. Raha izay mitovy taona aminao sy tia an’izay zavatra tianao ihany mantsy no ataonao namana, dia hoatran’ny hoe manao akanjo mitovy loko foana ianao. Na tianao be aza iny loko iny, dia tsy maintsy ho leo ihany ianao amin’ny farany.”

Funke: “Nihamatotra kokoa aho rehefa ninamana tamin’olona isan-karazany. Lasa haiko ny miaraka amin’izy ireny, na kely izy na lehibe, ary na dia tsy mitovy aza ny fomba nitaizana anay. Sariaka sy mora ifanarahana kokoa aho izao, ka vao mainka tia ahy ny namako.”

Miezaka mifandray amin’olona isan-karazany ve ianao?—2 Korintianina 6:13.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

‘Mba halalaho ny fonareo.’ (2 Korintianina 6:13) Mampirisika antsika ny Baiboly eo mba hifandray amin’olona isan-karazany. Aza manavakavaka àry fa miaraha amin’olona samihafa. Hahita zavatra mahaliana maro ianao amin’izay, sady hahazo namana tsy mahafoy anao!