Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hilamina Ihany ve ny Olana Ara-toe-karena?

Hilamina Ihany ve ny Olana Ara-toe-karena?

 Midina an-dalambe ny olona any amin’ny firenena samihafa satria mahatsapa hoe misy tsy rariny eo amin’ny resaka toe-karena. Vao mainka anefa nitombo io olana io rehefa niparitaka ny COVID-19. Tsy faly ny olona satria teo ny fihibohana, tsy ampy ny sakafo sy ny zavatra hafa, ary vao mainka hita be ny elanelana misy eo amin’ny mahantra sy ny manankarena rehefa jerena ny fomba ikarakarana fahasalamana.

 Mbola hilamina ihany ve ny olana ara-toe-karena mampijaly ny olona? Eny. Hazavain’ny Baiboly hoe inona no hataon’Andriamanitra mba handaminana ny olana mahazo antsika.

Ireo olana ara-toe-karena halamin’Andriamanitra

 Olana: Tsy mahazo an’izay tena ilainy ny olona satria tsy misy olombelona mahavita mametraka rafitra ara-toe-karena milamina tsara.

 Vahaolana: Hesorin’Andriamanitra ny fanjakan’olombelona, ary ny fanjakany, izany hoe ny Fanjakan’Andriamanitra, no hisolo azy io. Hanjaka avy any an-danitra izy io ary hitondra ny tany manontolo.​—Daniela 2:44; Matio 6:10.

 Vokany: Hikarakara ny raharaha samihafa eto an-tany amin’ny fomba tonga lafatra ny Fanjakan’Andriamanitra rehefa hitondra ny tany manontolo. Tsy hahantra intsony ny olona sady tsy hanahy ny amin’ny hoavy ka hatahotra hoe sao dia ho sahirana. (Salamo 9:7-9, 18) Hankafy ny asan’ny tanany kosa ny rehetra sady ho faly sy ho afa-po miaraka amin’ny fianakaviany. Mampanantena ny Baiboly hoe: “Hanao trano ny olona ka hipetraka ao, ary hamboly voaloboka ka hihinana ny vokatra amin’izany. Tsy hanao trano hipetrahan’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa.”​—Isaia 65:21, 22.

 Olana: Tsy afa-manoatra ny olona rehefa misy toe-javatra mahatonga azy hijaly na tsy hahazo an’izay tena ilainy.

 Vahaolana: Hampiasa ny Fanjakany Andriamanitra mba hanalana an’izay mahatonga ny olona hatahotra sy hanahy.

 Vokany: Hokarakarain’Andriamanitra ny olona, dia tsy hisy zavatra hanjo azy ireo sy ny fianakaviany intsony ka hoe lasa tsy hanana an’izay ilainy izy ireo. Tsy hisy intsony, ohatra, ny ady sy ny mosary ary ny valanaretina. (Salamo 46:9; 72:16; Isaia 33:24) Hoy Andriamanitra: “Hipetraka ao amin’ny toerana anjakan’ny fiadanana ny vahoakako, ao amin’ny toerana tsy misy mampatahotra sady milamina.”​—Isaia 32:18.

 Olana: Matetika ny olona tia tena sy tsy mety afa-po no manararaotra ny hafa.

 Vahaolana: Hiezaka ho tia kokoa ny hafa noho ny tenany ny vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra.​—Matio 22:37-39.

 Vokany: Rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra dia ho be fitiavana hoatran’Andriamanitra daholo ny olona ka “tsy mitady izay hahasoa ny tenany.” (1 Korintianina 13:4, 5) Milaza ny Baiboly hoe: “Tsy hanisy ratsy an’iza na iza izy ireo, sady tsy hanimba na inona na inona eran’ny tendrombohitro masina, satria ho feno fahalalana an’i Jehovah a ny tany, hoatran’ny rano manarona ny fanambanin’ny ranomasina.”​—Isaia 11:9.

 Asehon’ny Baiboly hoe miaina amin’ny andro farany isika izao, ary kely sisa Andriamanitra dia hanatanteraka an’ilay fampanantenany hoe hanala ny olana ara-toe-karena rehetra. b (Salamo 12:5) Mandra-pahatongan’izany dia afaka manampy anao hiatrika ny olana ara-bola ny toro lalan’ny Baiboly. Jereo, ohatra, ilay lahatsoratra hoe “Ahoana Raha Lasa Mihena ny Vola Miditra Aminao?” sy ilay hoe “Ahoana no Fiheveranao ny Vola?

a Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.​—Salamo 83:18.

b Raha tianao ho fantatra hoe nahoana no azo itokisana ny Baiboly, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Milaza ny Marina Foana ny Baiboly.”