Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?

Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?

Nampirisika ny mpianany i Jesosy mba hangataka ny hahatongavan’ilay Fanjakana. Fantany fa tsy sitrapon’Andriamanitra ny olana misy eto an-tany. Fantany koa hoe ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no afaka mamaha an’ireny olana ireny. Inona àry no hataon’io Fanjakana io?

INONA NO EFA NATAON’ILAY FANJAKANA?

Nandinika an’ireo famantarana noresahin’i Jesosy isika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Hitantsika avy tamin’izany fa efa miorina any an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra, ary i Jesosy Kristy no Mpanjakan’izy io.

Milaza ny Baiboly fa vao lasa Mpanjaka i Jesosy, dia noroahiny avy tany an-danitra i Satana sy ny demoniany. Etỳ an-tany ihany àry sisa izy ireo no afaka manao zavatra. Izany no mahatonga ny fiainana ho lasa ratsy be nanomboka tamin’ny 1914.​—Apokalypsy 12:7, 9.

Na dia miharatsy aza ny fiainana eto amin’ity tontolo ity, dia manao zavatra hanampiana ny olona eran-tany i Jesosy, ilay Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Maniraka ny mpanompony hampianatra Baiboly maneran-tany izy, ka be dia be ny olona lasa mahalala sy mampihatra ny torolalan’ny Baiboly. (Isaia 2:2-4) Olona an-tapitrisany izao no lasa manana fianakaviana sambatra. Hainy koa hoe tsy ny asa na ny harena no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana. Mihatsara ny fiainany dieny izao, ary lasa manana ny toetra ilaina mba ho vahoakan’ilay Fanjakana izy ireo.

INONA NO MBOLA HATAON’ILAY FANJAKANA?

Na dia efa manjaka any an-danitra aza i Jesosy, dia mbola mpitondra olombelona no mitondra ny tany amin’izao. Efa nandidy an’i Jesosy anefa Andriamanitra hoe: “Manjakà eo anivon’ny fahavalonao.” (Salamo 110:2) Tsy ho ela àry i Jesosy dia handringana ny fahavalony rehetra. Hesoriny koa izay rehetra mampijaly an’ireo olona mankatò an’Andriamanitra.

Tsy ho ela ny Fanjakan’Andriamanitra dia:

  • Handrava ny fivavahan-diso. Horinganina ny fivavahana mampianatra lainga momba an’Andriamanitra sy mampijaly ny olona. Oharin’ny Baiboly amin’ny mpivaro-tena ny fivavahan-diso. Betsaka ny olona ho gaga rehefa horavana izy io.​—Apokalypsy 17:15, 16.

  • Hanafoana ny fitondran’olombelona. Hanao zavatra ny Fanjakan’Andriamanitra, ka hanafoana ny fitondran’olombelona rehetra.​—Apokalypsy 19:15, 17, 18.

  • Handringana ny olona ratsy fanahy. Hatao ahoana ireo olona tia manao ratsy sady tsy mety mankatò an’Andriamanitra? Milaza ny Baiboly hoe: “Ny ratsy fanahy ... ho ringana tsy ho amin’ny tany.”​—Ohabolana 2:22.

  • Handringana an’i Satana sy ny demonia. Tsy ho afaka “hamitaka ny firenena intsony” i Satana sy ny demonia.​—Apokalypsy 20:3, 10.

Hanao ahoana kosa ny fiainan’ireo manohana ny Fanjakan’Andriamanitra?

INONA NO HATAON’NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA HO AN’NY OLOMBELONA?

Hitondra avy any an-danitra i Jesosy, ary hanao zavatra tsara lavitra noho ny vitan’ny mpitondra olombelona. Nifidy olona 144 000 Andriamanitra mba hiara-manjaka amin’i Jesosy. (Apokalypsy 5:9, 10; 14:1, 3) Hotanterahin’i Jesosy eto an-tany ny sitrapon’Andriamanitra. Inona no hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra ho an’ny olombelona?

  • Hanafoana ny aretina sy ny fahafatesana. “Tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho’” ary “tsy hisy fahafatesana intsony.”​—Isaia 33:24; Apokalypsy 21:4.

  • Hahatonga ny olona hiadana sy hilamina. “Ho be ny fiadanan’ny zanakao.” “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hampangovitra azy.”​—Isaia 54:13; Mika 4:4.

  • Hanome asa mahafa-po. “Hanaram-po amin’ny asan’ny tanany ny olom-boafidiko. Tsy ho very maina ny fisasarany.”​—Isaia 65:22, 23.

  • Hamaha ny olana momba ny tontolo iainana. “Hifaly ny tany efitra sy ny faritra karakaina, ary hiravoravo ny lemaka karakaina sady hamony toy ny voninkazo safrona.”​—Isaia 35:1.

  • Hampianatra ny olona izay tokony hataony mba hahafahany hiaina mandrakizay. “Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.”​—Jaona 17:3.

Tian’Andriamanitra hahazo an’ireo fitahiana ireo ianao. (Isaia 48:18) Manazava an’izay tokony hataonao ny lahatsoratra manaraka.