Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana Raha Lasa Mihena ny Vola Miditra Aminao?

Ahoana Raha Lasa Mihena ny Vola Miditra Aminao?

 Lasa mihena ve ny vola miditra aminao, vokatry ny olana ara-toe-karena? Mety hiteraka olana haingana be eo amin’ny toe-karena mantsy ny valanaretina, ny loza araka ny natiora, ny korontana ara-politika, ary ny ady. Marina aloha hoe mety hikorontan-tsaina ianao raha mihena na tsy misy tampoka ny vola miditra aminao. Misy torohevitra afaka manampy anao anefa ao amin’ny Baiboly.

1. Ekeo hoe miova ny fiainanao.

 Toro lalan’ny Baiboly: ‘Efa nianatra ny hanam-be sy hihafy aho.’—Filipianina 4:12.

 Na dia tsy hoatran’ny taloha intsony aza ny vola miditra aminao, dia azonao atao ny mianatra mizatra an’izay. Rehefa ekenao sy ny fianakavianao hoe izay aloha ny zava-misy, sady miezaka ny hizatra amin’ilay izy ianareo, dia tsy ho sarotra aminareo ny hiatrika an’ilay izy.

 Anontanio olona hoe sao dia mba misy fanampiana omen’ny fanjakana na fikambanana mpanao asa soa amin’ny olona hoatran’anao. Raha misy ilay izy, dia tonga dia manaova zavatra haingana. Matetika mantsy no voafetra ny fotoana azon’ny olona anaovana fangatahana mba hahazoana an’ireny fanampiana ireny.

2. Asaivo miezaka koa ny fianakavianao.

 Toro lalan’ny Baiboly: “Tsy tanteraka ny fikasana raha tsy misy resaka amim-pahatsorana, fa tanteraka kosa izany raha maro ny mpanolo-tsaina.”—Ohabolana 15:22.

 Resaho amin’ny vady aman-janakao ny zava-misy. Raha hazavainao tsara amin-dry zareo mantsy ilay olana, dia ho mora aminy ny hahatakatra an’ilay izy sady hanao izay fanovana mety hilaina. Rehefa samy miezaka ny hitsitsy sy tsy handanilany foana ny rehetra, dia tsy ho lany vetivety ny vola eo am-pelatananareo.

3. Manaova teti-bola.

 Toro lalan’ny Baiboly: ‘Mipetraha aloha manao kajy ny amin’izay ho lany.’—Lioka 14:28.

 Raha mihena ny vola miditra aminao, dia vao mainka tena tokony ho fantatrao hoe inona daholo no andanianao ny volanao. Manaova teti-bola, dia soraty aloha hoe ohatrinona ny vola mety ho azonao isam-bolana. Soraty daholo avy eo ny fandaniana ataonareo isam-bolana. Soraty koa izay fandaniana hafa ataonareo, na dia fantatrao aza hoe tsy maintsy hovana izany. Ampidiro ao amin’ny fandaniana isam-bolana ny vola tianareo hatao tahiry ho an’ny zavatra tsy ampoizina na zavatra ilana vola maika.

 Soso-kevitra: Ampidiro ao anatin’ilay lisitry ny fandaniana koa ny zavatra kelikely novidinareo. Mety ho gaga ianao hoe toa vola be mihitsy no laninareo amin’izy ireny. Rehefa nandinika ny fandaniana nataony, ohatra, ny lehilahy anankiray, dia gaga fa an-jatony dolara mihitsy no laniny isan-taona nividianana siligaoma fotsiny.

4. Fantaro hoe inona avy no fandaniana tena tokony hatao, dia manaova fanovana.

 Toro lalan’ny Baiboly: ‘Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa.’—Filipianina 1:10.

 Ampitahao ny vola miditra aminao sy ny vola mivoaka. Jereo sao dia misy fandaniana sasany azo ahena na ajanona tanteraka mihitsy, amin’izay ho ampy anareo tsara foana ny vola miditra aminao. Ireto misy zavatra sasany azonao dinihina:

  •   Fitaterana. Raha manana fiara mihoatra ny anankiray, ohatra, ianao, sao dia azonao amidy ny iray? Ary raha raitra be ny fiaranao, dia sao dia mba azonao soloana fiara tsy dia mandany lasantsy ilay izy? Mety ho azonao atao koa ve, ohatra, ny tsy mampiasa fiara mihitsy, fa mandeha bisy na mitaingina bisikileta?

  •   Fialam-boly. Raha mandoa vola isam-bolana ianao ijerena fandaharana amin’ny tele alefan’ny satelita, sao mba azonao ajanona kely aloha ilay izy? Na maninona raha mijery fandaharana tsy dia lafo vidy kokoa?

  •   Jiro sy rano ary solika. Diniho miaraka amin’ny fianakavianao hoe ahoana no azo ampihenana ny vola lany amin’ny jiro sy rano ary solika. Mety hieritreritra ianareo hoe tsy dia hampiova na inona na inona loatra raha tonga dia pihina ny jiro rehefa tsy ilaina, na hoe mandro ela be. Tena hanampy anareo hitsitsy vola anefa izany.

  •   Sakafo. Aza misakafo any amin’ny hotely, mahandroa sakafo. Eritrereto mialoha hoe inona no hatao sakafo. Raha azo atao, dia tonga dia ataovy betsaka ny zavatra vidina sy andrahoina, ary ampiasao amin’ny manaraka izay tsy lany. Alohan’ny handehananao miantsena, dia ataovy lisitra ny zavatra hovidinao, amin’izay ianao tsy hividy zavatra tsy ilainao akory. Sakafo mbola vaovao sady misy eo an-toerana vidina, satria ireny tsy dia lafo. Aza mividy haninkanina. Mety ho azonao atao koa ny mamboly legioma ao an-jaridaina.

  •   Fitafiana. Aza mividy akanjo isaky ny misy lamaody vaovao, fa rehefa tonta ihany ny akanjo vao soloana. Jereo sao misy magazay manao varo-boba, na fivarotana akanjo fripy mora nefa mbola tsara. Raha mety, dia hamaino amin’ny masoandro ny lamba avy nosasana, amin’izay tsy mandany vola amin’ny fitaovana fanamainan-damba.

  •   Zavatra mbola hovidina. Alohan’ny hividiananao zavatra anankiray, dia eritrereto hoe: ‘Ho takatry ny volako ve ilay izy? Ary tena ilaiko ve ilay izy?’ Aza maika hanolo ny fitaovana elektrika isan-karazany ao an-trano, na ny fitaovana elektronika, na ny aotomobilina. Sao dia mba azonao amidy kosa izay fitaovana tsy ilainao na tsy ampiasainao intsony? Manampy anao hanatsotra fiainana izany sady hitsitsy ny vola miditra aminao.

 Soso-kevitra: Raha mihena be tampoka ny vola miditra aminao, dia vao mainka ianao mety ho tapa-kevitra ny hiala amin’ny fahazaran-dratsy sasany tena mandany vola. Anisan’izany ny sigara, ny loka, ary ny fisotroana toaka be loatra. Tsy hoe ho afaka hitsitsy vola fotsiny ianao amin’izay, fa hihatsara koa ny fiainanao.

5. Mianara Baiboly.

 Toro lalan’ny Baiboly: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.”—Matio 5:3.

 Manampy antsika hahay handanjalanja ity torohevitra ao amin’ny Baiboly ity: “Fiarovana ny fahendrena, ary fiarovana koa ny vola. Izao anefa ny tombony azo amin’ny fahalalana: Rehefa ampiarahina amin’ny fahendrena izy dia miaro ny ain’izay manana azy.” (Mpitoriteny 7:12) Ao amin’ny Baiboly no ahitantsika an’izany fahendrena izany. Betsaka no nahatsapa hoe rehefa nampihatra ny torohevitra ao amin’ny Baiboly izy ireo, dia lasa tsy nanahy be momba ny resaka vola intsony.—Matio 6:31, 32.