Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Tsy hisy intsony ve ny fahantrana indray andro any?

Inona no Hataon’Andriamanitra mba Hanafoanana ny Fahantrana? —Matio 6:9, 10.

An-tapitrisany isan-taona ny olona maty satria mahantra loatra. Marary mantsy izy ireo na tsy ampy sakafo. Marina fa manankarena ny tany sasany. Mbola mahantra be anefa ny ankamaroan’ny olona. Milaza ny Baiboly fa efa olana hatramin’izay ny fahantrana ary tsy mety voavaha.—Vakio ny Jaona 12:8.

Ho foana ny fahantrana raha fanjakana iray ihany no mitondra an’izao tontolo izao, sady zarainy tsara ny harena eto an-tany. Tokony hofoanany koa ny ady, satria izany no tena mahatonga ny fahantrana. Nampanantena Andriamanitra fa hanorina fanjakana toy izany izy.—Vakio ny Daniela 2:44.

Iza no afaka manafoana ny fahantrana?

Efa nanendry an’i Jesosy Zanany Andriamanitra mba hitondra ny olombelona rehetra. (Salamo 2:4-8) Hanavotra ny mahantra izy, ary hanafoana ny fijaliana sy ny herisetra.—Vakio ny Salamo 72:8, 12-14.

Hampisy fiadanana sy fandriampahalemana eran-tany i Jesosy, satria “Andrianan’ny Fiadanana” izy. Samy hanana ny tranony daholo ny olona amin’izany fa tsy hanofa. Ho tiany be koa ny asany, ary ho betsaka ny sakafo.—Vakio ny Isaia 9:6, 7; 65:21-23.