Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

panitan/stock.adobe.com

FANASANA FAHATSIAROVANA

Hataon’i Jesosy Tsy Misy Intsony ny Fahantrana

Hataon’i Jesosy Tsy Misy Intsony ny Fahantrana

 Nasehon’i Jesosy tamin’izy teto an-tany hoe tena tia olona izy, indrindra fa ny olona mahantra sy mijaly. (Matio 9:36) Nafoiny ho an’ny olona mihitsy aza ny ainy. (Matio 20:28; Jaona 15:13) Hasehon’i Jesosy indray tsy ho ela hoe tena tiany ny olona. Efa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra mantsy izy izao, dia hataony tsy misy fahantrana intsony eran-tany.

 Tsara be ny fomba ilazan’ny Baiboly ny zavatra hataon’i Jesosy:

  •   “Aoka izy hiaro ny madinika eo amin’ny vahoaka, sy hamonjy ny zanaky ny mahantra.”​—Salamo 72:4.

 Ahoana no ampisehoantsika hoe ankasitrahantsika izay efa nataon’i Jesosy sy izay mbola hataony ho antsika? Nasain’i Jesosy hahatsiaro ny nahafatesany ny mpanara-dia azy, ao amin’ny Lioka 22:19. Izany no mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah hiara-mivory isan-taona, rehefa mitsingerina ny andro nahafatesan’i Jesosy. Manasa anao izahay mba hiara-mankalaza aminay ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy, amin’ny alahady 24 Martsa 2024.

Hikaroka Fahatsiarovana