Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INONA NO TENA MAHASAMBATRA?

Salama sy Matanja-tsaina

Salama sy Matanja-tsaina

MISY VOKANY BE EO AMIN’NY FIAINAN’NY OLONA NY ARETINA MITAIZA NA NY KILEMA. Lehilahy salama sy navitrika i Tom, * nefa lasa nalemy. Hoy izy: “Lasa osa aho dia kivy tanteraka. Tsy nanana herim-po intsony aho. ... ‘Potika’ ny fiainako.”

Hitantsika avy amin’ny nanjo an’i Tom fa mety harary isika rehetra, na dia mitandrina toy inona aza. Afaka miezaka mitandro fahasalamana foana anefa isika. Ahoana indray raha mihaosa isika? Dia tsy ho sambatra mihitsy ve? Tsy voatery ho izany, araka ny ho hitantsika ato. Fa andeha aloha isika handinika toro lalana hanampy antsika ho salama.

‘MAHAIZA MANDANJALANJA EO AMIN’IZAY ZAVATRA FANAONAO.’ (1 Timoty 3:2, 11) Mankarary sady mandany vola ny hoe zatra mihinana na misotro tafahoatra. “Aoka ianao tsy ho isan’ny mpiboboka divay sy mpihinan-kena tafahoatra, satria hahantra ny mamo lava sy ny tendan-kanina.”—Ohabolana 23:20, 21.

AZA LOTOINA NY TENANAO. “Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny saina.” (2 Korintianina 7:1) Mandoto ny tenany ny olona mifoka sigara, mihinam-paraky, miboboka toaka, na midoroka zava-mahadomelina. Milaza, ohatra, ny Foibe Miady Amin’ny Aretina, any Etazonia, fa ‘mankarary sy mampitondra takaitra ny sigara, sady manimba ny ankamaroan’ny taova ao amin’ny vatana.’

HEVERO HO TOY NY FANOMEZANA SAROBIDY NY VATANAO SY NY AINAO. “[Andriamanitra] no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary isiantsika.” (Asan’ny Apostoly 17:28) Mitandrina àry isika mba tsy hanao zavatra mampidi-doza, na any am-piasana izany, na ao an-trano, na rehefa miala voly. Ho voa mafy isika raha mitady fahafinaretana vetivety, nefa avy eo lasa kilemaina mandra-pahafaty!

FEHEZO NY FIHETSEHAM-PONAO. Mifandray akaiky ny vatana sy ny saina. Miezaha àry mba tsy hanahy be loatra, hisafoaka, hitsiriritra, na ny toy izany. Hoy ny Salamo 37:8: “Ialao ny fahatezerana ary atsaharo ny fahavinirana.” Milaza koa ny Matio 6:34 hoe: “Aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso, fa ny ampitso hanana ny fanahiany.”

MIEZAHA HIJERY LAFY TSARAN-JAVATRA. Hoy ny Ohabolana 14:30: “Mamelombelona ny vatana ny fo tony.” Milaza koa ny Ohabolana 17:22 hoe: “Ny fo falifaly dia sady mahasoa no manasitrana.” Voamarin’ny siansa izany. Hoy ny dokotera iray any Ekosy: “Azo inoana fa tsy dia harary ny olona falifaly, raha oharina amin’ny olona malahelohelo lava.”

MIEZAHA HATANJA-TSAINA: Tsy azo ialana angamba ny fitsapana mahazo antsika, toy ny an’i Tom, ilay voaresaka tetsy aloha. Azo atao anefa ny mitady fomba hiaretana azy ireny. Vao mainka hiharatsy ny toe-javatra raha mamoy fo isika. Hoy mantsy ny Ohabolana 24:10: “Kivy ve ianao amin’ny andro mahory? Raha izany, dia ho kely ny herinao.”

Misy indray kivy fa avy eo tafarina ihany. Miaina mifanaraka amin’ny zava-misy izy, ary mahita fomba hiatrehana an’ilay olana. Hoatr’izany i Tom. Nivavaka sy nisaintsaina imbetsaka an’izay lazain’ny Baiboly izy. Inona no vokany? Hoy izy: “Hitako hoe mbola nisy zavatra azoko natao, fa tsy hoe tapi-dalan-kaleha aho.” Nianatra nangoraka sy niombom-pihetseham-po tamin’ny hafa koa izy, toy ny ataon’ireo miatrika fitsapana goavana. Nandrisika azy hitory ny hafatra mampahery ao amin’ny Baiboly izany.

Nijaly mafy koa ny lehilahy iray atao hoe Steve. Niharan-doza izy tamin’izy 15 taona, dia lasa nalemy teo amin’ny tendany no ho midina. Afaka nampiasa ny tanany indray anefa i Steve rehefa 18 taona. Nianatra teny amin’ny oniversite àry izy. Tsy ela izy dia lasa nidoroka zava-mahadomelina, nisotro toaka, ary naloto fitondran-tena. Tsy nanana fanantenana i Steve. Niova anefa ny fahitany ny fiainana rehefa nianatra Baiboly izy, ary nanampy azy hiala tamin’ny fahazaran-dratsiny izany. Hoy izy: “Efa milamina izao ny fiainako ary tsy misy banga intsony. Sambatra aho izao.”

Mampahatsiahy antsika an’ity Salamo 19:7, 8 ity ny tenin’i Steve sy Tom: “Tonga lafatra ny lalàn’i Jehovah sady mamelombelona. ... Mahitsy ny fitsipik’i Jehovah, mahafaly ny fo. Madio ny didin’i Jehovah, mampahiratra ny maso.”

^ feh. 3 Novana ny anarany.