Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rehefa Marary Mafy Ianao

Rehefa Marary Mafy Ianao

“Niteny tamiko ny dokotera hoe voan’ny kanseran’ny tsinaibe sy kanseran’ny havokavoka aho. Dia izao no tao an-tsaiko: ‘Tena ho faty aho izany.’ Rehefa tonga tany an-trano anefa aho, dia hozy aho hoe: ‘Tsy nampoiziko hoe izaho no ho voan’izao, fa tsy maintsy miatrika an’ilay izy aho.’”​—Linda, 71 taona.

“Voan’ny aretina mamely ny rafi-pitatitra aho. Ny ilany havia amin’ny tarehiko no tratran’ilay izy, dia marary be. Nisy fotoana aho tena kivy rehefa manaintaina be ilay izy. Matetika aho no nieritreritra hoe tsisy niraharaha, dia te hamono tena mihitsy.”​—Elise, 49 taona.

VOAN’NY aretina mety hahafaty angamba ianao na ny havanao. Azo antoka hoe mafy be aminao izany. Sady efa miatrika an’ilay aretina mantsy ianao no miovaova koa ny fihetseham-ponao. Vao mainka aza ianao mitebiteby rehefa hoe handeha any amin’ny dokotera, mitady ny vola ilaina amin’ny fitsaboana, na rehefa misy vokany ratsy ny fanafody. Mila tsy ho zaka ny adin-tsaina vokatr’izany.

Inona àry no afaka manampy anao? Betsaka no nahita hoe tena manampy ny vavaka. Eo koa ireo andinin-teny mampahery ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Afaka manohana koa ny havana sy ny namana.

INONA NO AZONAO ATAO?

Hoy i Robert, 58 taona: “Hanampy anao hizaka an’ilay aretina Andriamanitra raha matoky azy ianao. Mivavaha aminy, dia resaho aminy ny zavatra tsapanao, ary mangataha fanahy masina. Iangavio izy mba hanampy anao ho falifaly fa tsy hitsetra tena. Hampahery ny fianakavianao mantsy ny mahita an’izany. Iangavio koa izy mba hanampy anao ho tony foana.

“Tena mampahery ahy ny fianakaviako. Eo foana ry zareo. Misy miantso foana aho isan’andro mba hanontany ny fahasalamako. Na ny namako any lavitra any aza tsy manadino ahy. Tena manohana ahy ry zareo, dia vonona hiatrika ny aretiko aho.”

Mba tadidio ity tenin’i Linda ity rehefa hitsidika marary ianao: “Aza ilay aretiny foana no resahina rehefa mihaona ianareo. Mba te ho hoatran’ny olon-drehetra ihany mantsy izy. Tsara raha ny zavatra nahazatra anareo hatramin’izay no resahina.”

Matokia àry fa tena misy dikany ny fiainanao na dia marary mafy aza ianao. Eo foana mantsy Andriamanitra mampahery anao. Eo koa ny Teniny. Afaka manohana anao koa ny namana sy ny fianakaviana.