Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MANOVA OLONA NY BAIBOLY

Voavaly Tsara tao Amin’ny Baiboly ny Fanontaniako

Voavaly Tsara tao Amin’ny Baiboly ny Fanontaniako
  • TERAKA: 1948

  • FIRENENA: HONGRIA

  • MOMBAMOMBA AZY: BETSAKA NY FANONTANIANA NANAHIRANA NY SAINY

NY FIAINAKO TALOHA:

Teraka tany Székesfehérvár, eto Hongria aho. Efa 1 000 taona mahery izay no nisian’io tanàna manan-tantara io. Mampalahelo fa ravarava ilay tanànanay, taorian’ny Ady Lehibe II, ary mitamberina ato an-tsaiko foana izany.

Ny raibeko sy renibeko no nitaiza ahy tamin’izaho mbola kely. Mbola tadidiko foana ry zareo, indrindra fa i Elisabeth bebenay. Nataony mantsy izay tena hinoako an’Andriamanitra. Niara-nanao an’ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo foana izahay sy izy, isan-kariva, nanomboka tamin’izaho telo taona. Na izany aza, dia efa tamin’izaho 30 taona latsaka kely vao nahazo ny dikan’io vavaka io.

Niasa andro aman’alina i Dada sy Neny mba hividianana trano tsaratsara, ka izany no nahatonga an’i Dadabe sy Bebe hitaiza ahy. Niara-nisakafo anefa izahay mianakavy rehefa asabotsy, isaky ny tapa-bolana. Tena tiako ireny fotoana niarahanay ireny.

Tanteraka ny nofinofin’i Dada sy Neny tamin’ny 1958. Nahavidy trano mantsy izy ireo. Ela ny ela ka niara-nipetraka ihany izahay telo mianaka. Vetivety ihany anefa izany satria matin’ny kansera i Dada, enim-bolana tatỳ aoriana.

Kivy be aho. Tadidiko aho nivavaka hoe: “Andriamanitro ô! Izaho efa nivavaka taminao hoe mba avoty dadanay! Izaho ange mila azy e! Dia maninona no tsy novalianao ny vavaka nataoko?” Tena tiako ho fantatra hoe aiza i Dada. Nankany an-danitra ve izy sa tsy misy intsony mandrakizay? Lasa nitsiriritra ny ankizy mbola nanana dada aho.

Nila ho isan’andro aho no nankany amin’ny fasan’i Dada, nandritra ny taona maro. Nandohalika teo aho sady nivavaka hoe: “Andriamanitra ô, mba atoroy ahy moa hoe aiza i Dada e!” Nivavaka koa aho hoe maninona Andriamanitra no namorona ny olona.

Nanapa-kevitra ny hianatra teny alemà aho tamin’izaho 13 taona. Be dia be ny boky alemà mahaliana, ka nieritreritra aho hoe mety ho voavaly any ny fanontaniako. Nianatra tany Jena aho tamin’ny 1967. Anisan’i Alemaina Atsinanana i Jena tamin’izany. Nazoto namaky boky nosoratan’ny filozofa alemà aho, indrindra fa ireo miresaka momba ny antony isian’ny olombelona. Nisy zavatra nahaliana ahy ihany, nefa tsy tena afa-po aho. Mbola nivavaka foana àry aho mba hahazo ny valin’ny fanontaniako.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO:

Nody teto Hongria aho tamin’ny 1970. Nihaona tamin’ny tovovavy iray atao hoe Rose aho ary lasa vadiko izy tatỳ aoriana. Tany kominista i Hongria tamin’izany, ka nitsoaka tany Aotrisy izahay taoriana kelin’ny mariazinay. Hifindra any amin’ny dadatoako any Sydney, any Aostralia, no tena tanjonay.

Vao tonga kelikely tany Aotrisy aho, dia nahita asa. Nisy mpiara-miasa tamiko niteny hoe ao amin’ny Baiboly ny valin’ny fanontaniako rehetra. Nomeny boky maromaro momba ny Baiboly aho. Hoatran’ny tsy teo ny namakiako azy nefa mbola tsy afa-po aho. Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay novakiko, ka nanoratra tany aho mba hahazo boky hafa.

Nisy tanora Vavolombelona iray nitsidika anay, tamin’ny aniversera voalohan’ny mariazinay. Nitondra ny boky nangatahiko izy ary nanasa ahy hianatra Baiboly. Nazoto be aho ka nianatra indroa isan-kerinandro. Adiny efatra teo ho eo no laninay isaky ny nianatra.

Faly be aho rehefa nahalala ny zavatra ampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoatran’ny nanonofy aho rehefa nasehon’izy ireo ahy tao amin’ny Baiboliko hongroà ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. Efa 27 taona aho no niangona, nefa mbola tsy nahare ny anaran’Andriamanitra mihitsy na dia indray mandeha aza. Gaga aho fa voavaly mazava tsara tao amin’ny Baiboly ny fanontaniako. Nianarako, ohatra, hoe tsy mahalala na inona na inona ny maty fa toy ny matory be. (Mpitoriteny 9:5, 10; Jaona 11:11-15) Nianarako koa fa mampanantena ny Baiboly hoe hisy tontolo vaovao ary “tsy hisy fahafatesana intsony” ao. (Apokalypsy 21:3, 4) Manantena hahita ny dadako indray aho amin’izay, satria hatsangana ny maty.—Asan’ny Apostoly 24:15.

Nazoto niara-nianatra tamiko koa i Rose. Nandroso haingana ny fianaranay ka roa volana fotsiny dia vita ilay boky nianaranay. Nanatrika ny fivoriana rehetra nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah koa izahay. Gaga be izahay fa mifankatia sy mifanampy ary miray saina izy ireo.—Jaona 13:34, 35.

Nahazo alalana hifindra tany Aostralia ihany izahay mivady, tamin’ny 1976, ary nitady Vavolombelon’i Jehovah avy hatrany. Tonga dia nandray tsara anay izy ireo. Lasa Vavolombelon’i Jehovah izahay tamin’ny 1978.

NY SOA NORAISIKO:

Hitako daholo ny valin’ny fanontaniana nanahiran-tsaina ahy hatry ny ela. Lasa nifandray akaiky tamin’i Jehovah Andriamanitra koa aho, ka nahatsapa hoe tsy misy Ray tsara noho izy. (Jakoba 4:8) Tsy andriko izay hihaonana amin’ilay raiko niteraka ahy, any amin’ny tontolo vaovao.—Jaona 5:28, 29.

Nanapa-kevitra izahay mivady, tamin’ny 1989, fa hiverina eto Hongria. Tianay horesahina amin’ny havanay sy ny namanay ary ny olon-kafa mantsy ny zavatra nianaranay. Efa an-jatony ny olona nampianarinay Baiboly. Maherin’ny 70 amin’izy ireo no lasa manompo an’i Jehovah miaraka aminay, anisan’izany ny reniko.

Nivavaka aho nandritra ny 17 taona mba ho voavaly ny fanontaniako. Mbola mivavaka foana aho, 39 taona atỳ aoriana, saingy izao indray no lazaiko: “Ray ô! Misaotra anao namaly ny vavaka nataoko tamin’ny mbola kely.”