Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | TIANAO VE NY ASANAO?

Betsaka no Tsy Tia Miasa Mafy

Betsaka no Tsy Tia Miasa Mafy

Miasa amin’ny orinasa mpitatitra entana i Alex. Misento izy sady mibata baoritra mankao anaty kamiao. Lasa saina izy hoe: ‘Fa maninona àry aho no tsy maintsy manao an’ity asa tsy mitondra mankaiza ity? Rahoviana ihany aho vao mba hanan-karena? Sambatra be mihitsy aho izao raha tsy mila miasa!’

Tsy tia miasa mafy i Alex ary maro no mitovy aminy. Hoy ny lehilahy iray mpanamboatra fiara, atao hoe Aaron: “Be dia be no mieritreritra fa manambany azy ny manao asa vatana. Izao no ao an-tsainy: ‘Ataoko aloha ity mandra-pahitako asa tsaratsara.’ ”

Nahoana no maro no tsy tia miasa mafy? Ny zavatra hitany sy reny ao amin’ny radio sy tele ary gazety angamba no mahatonga an’izany. Aseho ao matetika hoe ny olona miadana be sy manankarena no manana fiainana “tonga lafatra.” Hoy i Matthew, mpikojakoja trano: “Misy mihevitra hoe ny olona tsy tafita amin’ny fiainana no miasa mafy.” Hoy koa i Shane, mpanadio trano: “Tsy mety miasa be intsony izao ny olona na dia ampy aza ny karama omena azy.”

Maro amin’ny olona tafita anefa no tia miasa mafy. Mpanao trano, ohatra, i Daniel ary 25 taona. Hoy izy: “Tena mahafa-po ny miasa mafy, indrindra rehefa antony tsara no anaovana azy.” Hoy koa i Andre, 23 taona: “Mahasambatra sy mahafaly ny miasa mafy. Rehefa tsy dia miasa na tsy dia manao zavatra ianao, dia tsy hoe ho faly be foana fa ho leo be.”

Nahoana no misy olona tia miasa mafy toy izany? Satria mampihatra ny toro lalana ao amin’ny Baiboly izy ireo. Mampirisika antsika hazoto hiasa sy hanana fikirizana ny Baiboly. Tsy vitan’izay fa voalaza ao hoe inona no azontsika atao mba hahatonga antsika hankafy ny asantsika.

Inona ny toro lalan’ny Baiboly hanampy anao ho faly amin’ny asanao? Vakio ny lahatsoratra manaraka dia ho hitanao ny sasany amin’izany.