Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Izaho sy Tabitha, mandeha mitory

MANOVA OLONA NY BAIBOLY

Tsy Nisy Izany Andriamanitra Izany Tamiko

Tsy Nisy Izany Andriamanitra Izany Tamiko
  • TERAKA: 1974

  • FIRENENA: REPOBLIKA DEMOKRATIKAN’I ALEMAINA

  • FIAINANY TALOHA: TSY NINO AN’ANDRIAMANITRA

NY FIAINAKO TALOHA:

Teraka tao amin’ny tanàna kely iray any Saxe aho. Anisan’ny Repoblika Demokratikan’i Alemaina (RDA) izy io tamin’izany. Nahafinaritra ny fiainana tao an-trano ary nifankatia izahay. Nampianatra ahy ho tsara fitondran-tena koa i Dada sy Neny. Tany kominista ny RDA, ka tsy mpivavaka ny ankamaroan’ny olona. Tsy nisy izany Andriamanitra izany tamiko. Namolavola ahy ny Kominisma sy ny fampianarana hoe tsy misy Andriamanitra, hatramin’izaho 18 taona.

Liana tamin’ny Kominisma aho, satria tiako ilay firehan-kevitra hoe mitovy daholo ny olona. Nekeko koa ilay hoe tokony hozaraina mitovy tsara ny fananana rehetra, amin’izay tsy hisy intsony ny mpanefohefo sy ny mahantra faraidiny. Niditra tao amin’ny fikambanan’ny tanora kominista àry aho. Nisy tetikasa iray nataoko tamin’izaho 14 taona. Nanodina taratasy efa niasa ho azo ampiasaina indray aho, mba hiarovana ny tontolo iainana. Tena nankasitraka ny ezaka nataoko ny tanànan’i Aue, any Saxe, ka nomeny mari-pankasitrahana aho. Lasa nahalala mpanao politika malaza tany RDA aho, na dia mbola tanora aza. Nieritreritra aho hoe nanana tanjona tsara ary namiratra ny hoaviko.

Niova tampoka anefa ny fiainako. Rava ny Rindrin’i Berlin sy ny vondron’ireo firenena kominista tany Eoropa Atsinanana, tamin’ny 1989. Diso fanantenana aho. Hitako koa fa nisy foana ny tsy rariny tany RDA. Nailikilika, ohatra, izay tsy nanohana ny Kominisma. Fa angaha moa tsy hoe mitovy daholo ny olona? Fitaka fotsiny ve ny Kominisma? Lasa nanahy be aho.

Ny mozika sy ny hoso-doko indray àry no nifantohako. Te ho lasa mpahay mozika aho. Afaka nianatra tany amin’ny sekoly fianarana azy io mantsy aho, ary afaka nanohy an’izany teny amin’ny oniversite. Tsy noraharahaiko intsony koa ny zavatra tsara nampianarin’i Dada sy Neny. Ny “manala azy” no lasa zava-dehibe tamiko, ohatra hoe mampiaraka amin’ny ankizivavy be dia be. Mbola nanahy ihany anefa aho, na dia izany aza. Na ny hoso-doko nataoko aza nahitana hoe nisy zavatra tena nampahatahotra ahy. Hanao ahoana ny hoavy? Fa maninona aho no nisy?

Gaga aho rehefa hitako ny valin’ireo fanontaniana nanitikitika ny saiko. Niresaka momba ny hoavy izaho sy ny mpiara-mianatra tamiko vitsivitsy, indray hariva izay. Anisan’ireny i Mandy * ary Vavolombelon’i Jehovah izy. Nomeny soso-kevitra tsara be aho. Hoy izy: “Andreas a, diniho tsara ny Baiboly raha te hahita ny valin’ny fanontanianao momba ny fiainana sy ny hoavy ianao.”

Tsy tena naharesy lahatra ahy ny teniny nefa narahiko ihany. Nasain’i Mandy nojereko ny Daniela toko faha-⁠2. Gaga be aho rehefa namaky an’io faminaniana io. Resahina ao ireo firenena matanjaka hifandimby eto an-tany hatramin’izao. Nampiseho faminaniana hafa tao amin’ny Baiboly koa i Mandy. Hitako ihany ny valin’ny fanontaniako! Iza anefa no nanoratra an’ireny faminaniana ireny? Ary iza no tena mahay milaza ny hoavy? Misy ihany ve izany Andriamanitra?

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO:

Nampifankahalalain’i Mandy tamin’ny mpivady atao hoe Horst sy Angelika aho. Vavolombelona izy ireo, ary nanampy ahy hahazo tsara ny Baiboly. Vetivety dia hitako hoe ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no fivavahana mampiasa foana ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, sady mampahafantatra azy io amin’ny olona. (Salamo 83:18; Matio 6:9) Nianarako fa mampanantena i Jehovah hoe afaka ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany ny olona. Hoy ny Salamo 37:9: “Izay manantena an’i Jehovah no handova ny tany.” Mahafinaritra hoe hahazo an’izany valisoa izany izay miezaka mafy mankatò ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena.

Tsy mora tamiko anefa ny niova. Lasa mpahay mozika sy mpanao hoso-doko nalaza aho ka nirehareha. Nila nanetry tena àry aho. Mafy tamiko koa ny niala tamin’ny fanao ratsy. Tena misaotra an’i Jehovah aho fa manam-paharetana sy mamindra fo izy. Takany koa ny mahazo an’ireo miezaka mafy mampihatra an’izay lazain’ny Baiboly.

Nisy vokany be tamiko hatramin’izaho 18 taona ny Kominisma sy ny fampianarana hoe tsy misy Andriamanitra. Nanova ny fiainako anefa ny Baiboly. Tsy manahy momba ny hoavy intsony aho ary misy dikany ny fiainako. Natao batisa aho tamin’ny 1993, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah. Nanambady an’i Tabitha aho, tamin’ny 2000. Mpiara-mivavaka aminay izy sady be zotom-po. Manokana fotoana betsaka hanampiana ny hafa hahalala ny Baiboly izao izahay. Tsy mino an’Andriamanitra koa ny olona maro itorianay sady Kominista. Tena afa-po aho manampy azy ireny hahalala an’i Jehovah.

NY SOA NORAISIKO:

Tezitra be ny ray aman-dreniko rehefa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Hitany anefa hoe nisy vokany tsara tamiko izany. Faly aho fa mamaky Baiboly izy ireo izao, sady mivory miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Sambatra izahay sy Tabitha, satria miezaka manaraka ny torohevitry ny Baiboly momba ny fanambadiana. Milaza, ohatra, izy io hoe tsy tokony hivadika amin’ny vadiny ny olona manambady. Narahinay izany ka vao mainka izahay mifankatia.—Hebreo 13:4.

Tsy matahotra na manahy momba ny hoavy intsony aho. Tsapako hoe anisan’ny fianakaviamben’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany aho. Tena mihavana sy miray saina izy io. Mitovy ny olon-drehetra ao aminay fa tsy misy ambony sy ambany. Izany no zavatra niriko hatramin’izay!

^ feh. 12 Novana ny anarana.